Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 7

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

Jehovah, Herinay sy Tanjakay

(Isaia 12:2)

  1. 1. Jehovah, herinay sy tanjakay,

    Mpamonjy anay tsy nanary hatrizay.

    Vavolombelonao ’zahay satria

    Mitory foana na mora na tsia.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ianao ilay Vatolampy

    Ianteheranay, hery hanampy.

    Ny anaranao anie tianay torina.

    Fialofanay ianao, kiady itokiana.

  2. 2. Ny fahamarinanao mahafaly fo,

    Ny Teninao fanilo ho anay tokoa.

    Arahinay ’zay lalànao sy didy,

    ’Zahay hanompo anao, ’zay no safidy.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ianao ilay Vatolampy

    Ianteheranay, hery hanampy.

    Ny anaranao anie tianay torina.

    Fialofanay ianao, kiady itokiana.

  3. 3. ’Zay sitraponao no tianay hatao,

    Na dia sedraina mbola hatoky anao.

    Satana te handresy, hanorotoro;

    Ampio ’zahay mba tsy hiova, hijoro.

    (FIVERENANA)

    Jehovah ô, ianao ilay Vatolampy

    Ianteheranay, hery hanampy.

    Ny anaranao anie tianay torina.

    Fialofanay ianao, kiady itokiana.