Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 6

Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra

Ny Lanitra Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra

(Salamo 19)

  1. 1. Ny lanitra midera anao, Jehovah.

    Ny andro tsirairay

    mba kanto aok’izany!

    Ny alina dia maneho ny hatsarany.

    Mihoby ’reo ka mampiseho

    F’ianao no niandohany.

  2. 2. ’Reo didinao dia tena lavorary,

    Ka mampahendry anay,

    na lehibe ’zahay na kely.

    Ny teninao tsy foinay velively.

    Ny lalànao, ny hevitrao,

    Dia mamy toa tantely.

  3. 3. Madio tokoa ny fahatahorana anao.

    Ireo fitsipikao,

    tsy hiova, tsy ho lefy.

    Toa volamena, ’zay voadio, tsara tefy.

    Ny momba anao, ny anaranao,

    Halaza tsy ho voafefy!