Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 53

Miomàna Handeha Hitory

Miomàna Handeha Hitory

(Jeremia 1:17)

  1. 1. Vao maraina,

    Handeha hitory

    Nefa aho mbola te hatory.

    Ny andro mangatsiaka,

    Ny orana aza avy ’ndray.

    Dia ho diso aho ve raha mba malaina,

    te haka aina?

    (FIVERENANA)

    Zavatra tsara no ataoko an-tsaina,

    Hivavaka aho aloha.

    Hiomana tsara aho mba tsy halaina,

    Hafana fo.

    Sady izaho koa tsy mandeha irery,

    Mitarika ahy ny anjely.

    Dia misy namana aho hampahery

    Sy ho modely.

  2. 2. Tadidio:

    Ho faly ianao

    Raha mifantoka am’izany.

    Ny fitiavanao

    Hovalian’i Jehovah,

    Ny ezaka ataonao dia hotsaroany

    ao am-pony.

    (FIVERENANA)

    Zavatra tsara no ataoko an-tsaina,

    Hivavaka aho aloha.

    Hiomana tsara aho mba tsy halaina,

    Hafana fo.

    Sady izaho koa tsy mandeha irery,

    Mitarika ahy ny anjely.

    Dia misy namana aho hampahery

    Sy ho modely.