Nosoratan’i Matio 10:1-42

  • Ny apostoly 12 (1-4)

  • Toromarika momba ny fitoriana (5-15)

  • Hisy hanenjika ny mpianatra (16-25)

  • Andriamanitra no atahory fa tsy olona (26-31)

  • Tsy fihavanana fa sabatra (32-39)

  • “Izay mandray anareo dia mandray ahy” (40-42)

10  Koa nasainy nankeo aminy ny mpianany 12 lahy. Dia nomeny fahefana izy ireo mba hamoaka fanahy maloto+ sy hanasitrana ny karazan’aretina rehetra.  Ireto avy ny anaran’ny apostoly 12:+ Voalohany, i Simona, antsoina koa hoe Petera,+ sy Andrea+ rahalahiny; Jakoba zanak’i Zebedio sy Jaona+ rahalahiny;  Filipo sy Bartolomeo;+ Tomasy+ sy Matio+ mpamory hetra; Jakoba zanak’i Alfeo, sy Tadeo;  Simona Kananeanina;* ary Jodasy Iskariota, ilay namadika an’i Jesosy tatỳ aoriana.+  Nirahin’i Jesosy izy 12 lahy, ka nomeny toromarika+ hoe: “Aza mankany amin’ny firenen-kafa, ary aza miditra ao amin’ny tanànan’ny Samaritanina mihitsy.+  Any amin’ny ondry very eo amin’ny taranak’Israely ihany mandeha.+  Rehefa mandeha ianareo, dia izao torina: ‘Efa manakaiky ny Fanjakan’ny lanitra.’+  Sitrano ny marary,+ atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia. Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.  Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao anaty fehikibo+ fasianareo vola, 10  ary aza mitondra kitapom-batsy any amin’izay halehanareo, na akanjo roa,* na kapa na tehina.+ Mendrika hahazo sakafo mantsy ny mpiasa.+ 11  “Any amin’izay tanàna lehibe na tanàna kely hidiranareo, dia tadiavo izay mendrika ao. Dia mijanòna ao mandra-pialanareo ao.+ 12  Rehefa miditra ao amin’ny trano anankiray ianareo, dia arahabao izay ao. 13  Raha mendrika ny olona ao, dia hahazo an’ilay fiadanana irinareo ho azony ry zareo!+ Fa raha tsy mendrika kosa ry zareo, dia hiverina aminareo ihany ilay fiadanana nirinareo ho azony. 14  Na aiza na aiza misy olona tsy mandray anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo rehefa miala ao amin’ilay trano na ilay tanàna ianareo.+ 15  Lazaiko marina aminareo fa ho mora kokoa ny hanjo an’i Sodoma sy Gomora+ amin’ny Andro Fitsarana, noho ny hanjo an’izany tanàna izany. 16  “Maniraka anareo aho izao, hoatran’ny maniraka ondry ho eo afovoan’ny amboadia. Asehoy àry hoe malina hoatran’ny bibilava ianareo, nefa tsy manan-tsiny hoatran’ny voromailala.+ 17  Mitandrema fa hanolotra anareo any amin’ny fitsarana ny olona,+ ary hokaravasiny+ any amin’ny synagoga ianareo.+ 18  Hoentina eo anatrehan’ny governora sy ny mpanjaka+ ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo anatrehan’izy ireo sy ireo firenena.+ 19  Rehefa entiny any anefa ianareo, dia aza manahy momba an’izay holazainareo na ny fomba hilazanareo azy, fa amin’izay ora izay no hatoro anareo izay tokony holazainareo.+ 20  Tsy hoe ianareo fotsiny mantsy no miteny, fa ny fanahin’ny Rainareo no miteny amin’ny alalanareo.+ 21  Ary hanolotra ny rahalahiny hovonoina ho faty ny olona. Ny ray koa hanolotra ny zanany, ary ny zanaka hanohitra ny ray aman-dreniny ka hampamono azy ho faty.+ 22  Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako.+ Izay miaritra hatramin’ny farany anefa no hovonjena.+ 23  Rehefa enjehiny ao amin’ny tanàna iray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa.+ Fa lazaiko marina aminareo fa tsy ho voatetinareo daholo ny tanànan’ny Israely, mandra-pahatongan’ny Zanak’olona. 24  “Tsy ambony noho ny mpampianatra azy ny mpianatra, ary tsy ambony noho ny tompony ny mpanompo.+ 25  Efa ampy raha lasa hoatran’ny mpampianatra azy ilay mpianatra, ary raha lasa hoatran’ny tompony ilay mpanompo.+ Raha ny tompon-trano aza antsoin’ny olona hoe Belzeboba,*+ mainka moa fa ny ankohonan’ilay tompon-trano? 26  Aza matahotra an’ireny àry, fa tsy misy zavatra afenina ka hoe tsy haseho, ary tsy misy zava-miafina ka hoe tsy ho fantatra.+ 27  Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia teneno ao amin’ny mazava, ary izay bitsibitsihina aminareo dia torio eny an-tampon-trano.+ 28  Ary aza matahotra an’izay mahavita mamono anareo ho faty, nefa tsy mahasakana anareo tsy hahazo ny fiainana.+ Matahora kosa an’ilay mahavita mandringana anareo ao amin’ny Gehena.*+ 29  Vola madinika kely* anankiray no ivarotana fody roa, sa tsy izany? Na ny iray amin’ireny aza anefa no latsaka amin’ny tany, dia fantatry ny Rainareo izany.+ 30  Fa na ny volon-dohanareo aza dia voaisa daholo. 31  Aza matahotra àry fa mbola sarobidy lavitra noho ny fody be dia be ianareo.+ 32  “Izay manaiky eo imason’ny olona hoe mpianatro,+ dia hekeko eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra.+ 33  Fa izay tsy manaiky eo imason’ny olona hoe mpianatro, dia tsy hekeko eo anatrehan’ny Raiko any an-danitra.+ 34  Aza mieritreritra hoe tonga hitondra fihavanana eto an-tany aho. Tsy tonga hitondra fihavanana aho fa hitondra sabatra.+ 35  Fa tonga aho hampisaraka ny zanakalahy sy ny rainy, ny zanakavavy sy ny reniny, ary ny vinantovavy sy ny rafozambaviny.+ 36  Ary ny ankohonan’ny* olona ihany no ho fahavalony. 37  Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy, ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavana ahy dia tsy mendrika ahy.+ 38  Ary izay tsy manaiky hitondra ny hazo fijaliany* ka tsy manaraka ahy, dia tsy mendrika ahy.+ 39  Izay mamonjy ny ainy no hamoy an’izany, ary izay mamoy ny ainy noho ny amiko kosa no hamonjy an’izany.+ 40  “Izay mandray anareo dia mandray ahy, ary izay mandray ahy dia mandray an’Ilay naniraka ahy koa.+ 41  Izay mandray mpaminany satria hoe mpaminany ilay olona, dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany.+ Izay mandray olo-marina satria hoe olo-marina ilay olona, dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina. 42  Ary izay manome rano mangatsiaka na dia eran’ny kaopy fotsiny aza, mba hosotroin’ny iray amin’ireto madinika ireto satria hoe mpianatro ilay olona, dia lazaiko marina aminareo fa tena hahazo valisoa izy.”+

Fanamarihana

Na: “ilay mafana fo.”
Na: “akanjo fanampiny.”
Anarana iantsoana an’i Satana, ilay andrianan’ny demonia na lehiben’izy ireo.
Jereo F.T.
Abt: “Asariona.” Jereo F.F. B14.
Na: “fianakavian’ny.”
Jereo F.T.