Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 26

Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

(Matio 25:34-40)

  1. 1. Faly ireo ondry hafa, satria miara-manompo

    Amin’ny rahalahin’i Kristy Tompo.

    ’Zay manampy an’ireny

    voahosotra ireny,

    Tsy maintsy hovaliany f’izy efa niteny:

    (FIVERENANA)

    “’Zay nanampy azy ireo dia nanohana ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.

    ’Zay nampionona azy ireo, nampahery ahy.

    ’Zay niantra azy ireo dia nangoraka ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.”

  2. 2. “Ianareo no niantra ahy, tsy namela ahy ho noana.

    Nanome ’zay nilaiko ianareo, teo foana.”

    “Fa oviana moa ’zahay

    no nanao izany?”

    Dia hoy ny Mpanjaka, namaly avy hatrany:

    (FIVERENANA)

    “’Zay nanampy azy ireo dia nanohana ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.

    ’Zay nampionona azy ireo, nampahery ahy.

    ’Zay niantra azy ireo dia nangoraka ahy.

    ’Zay natao ho azy ireo dia natao ho ahy.”

  3. 3. “Fa nazoto nitory, niasa mafy ianareo,

    Ka nanampy an’ireo rahalahiko ireo.

    Koa satria tsy nahafoy ahy

    ’nareo hatrizao:

    Avia mandovà ’lay tontolo vaovao!”