Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 107

Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

(1 Jaona 4:19)

  1. 1. Jehovah no araho, modely ho antsika,

    Tena tia, be fitia.

    F’izay rehetra atao, fitiavana foana;

    Mahatehotia, mahatehotia.

    ’Lay Zanaka tiany no efa nafoiny.

    Ny fahotantsika efa nosoloiny.

    Fitiavana anie no noporofoiny.

    Ray be fitia ’lay Ray tena tia.

  2. 2. Raha miezaka haneho ny toetrany isika,

    Tia tokoa, ho afa-po.

    Dia hifandray tsara isika rehetra,

    Na ny vaovao tsy fantatrao.

    Tia an’i Jehovah sy ny hafa isika,

    Ka miezaka foana mba hisariaka.

    ’Zay diso nataony odiana tsy hita,

    Ho tia sy miahy, ho tsara fanahy.

  3. 3. Mifandray am-po toy ny mpianakavy,

    Tsisy ariana, samy ahina.

    Fa Jehovah Ray no mitaona antsika

    Mba hiray hina fa samy tiana.

    Ny fitiavantsika re no tandrovy.

    Mampiavaka antsika izy io ka tsarovy.

    Mpinamana isika na tsy mitovy.

    Jehovah Ray tia mandrakizay.