Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 108

Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

Tsy Miovaova ny Fitiavan’Andriamanitra

(Isaia 55:1-3)

  1. 1. Tia anao ’lay Rainao,

    Tena miahy sy manampy anao;

    Ka ny Zanany no nomeny,

    Ary isika anie hovonjeny.

    Dia hovany ny fiainantsika,

    Fa ny tany ho paradisa.

    (FIVERENANA)

    Raha mangetaheta ianao,

    Dia sotroy ny ranon’aina;

    Omen’i Jehovah anao

    Ny loharanon’aina.

  2. 2. Tia anao ’lay Rainao,

    Tsy mandao, tsy manary anao;

    Fa voatendry tokoa Kristy,

    Ka nataony Mpanjaka etỳ.

    Ho tontosa ny fikasany

    Dia ho tonga ny Fanjakany!

    (FIVERENANA)

    Raha mangetaheta ianao,

    Dia sotroy ny ranon’aina;

    Omen’i Jehovah anao

    Ny loharanon’aina.

  3. 3. Tia anao ’lay Rainao,

    Ny fanahiny àry angataho.

    Ny mpandefitra itorio,

    Ampianaro sy tena ampio,

    Mba ho fantany ’reo lalàny,

    Dia hampihariny avy hatrany.

    (FIVERENANA)

    Raha mangetaheta ianao,

    Dia sotroy ny ranon’aina;

    Omen’i Jehovah anao

    Ny loharanon’aina.

(Jereo koa ny Sal. 33:5; 57:10; Efes. 1:7.)