Hijery ny anatiny

Tahafo ny Finoan’izy Ireo: Tantaran’ireo Olona Resahin’ny Baiboly

Te hanatanjaka ny finoanao sy ho akaiky kokoa an’Andriamanitra ve ianao? Hanampy anao amin’izany ity andian-dahatsoratra ity. Natambatra ato ny tantaran’ireo lehilahy sy vehivavy nanam-pinoana a ao amin’ny Baiboly.

Misy andiana video hoe Tahafo ny Finoan’izy Ireo koa afaka manampy anao hianatra bebe kokoa avy amin’ny olona nanam-pinoana tantarain’ny Baiboly.

a Nampiana tsipiriany vitsivitsy tsy hita ao amin’ny Baiboly ireo tantara ireo, mba hanampiana anao hahazo sary an-tsaina tsara ny zava-nitranga tamin’izany. Nanaovana fikarohana ireny tsipiriany ireny mba tsy hifanohitra amin’izay voalaza ao amin’ny Baiboly, sady hifanaraka tsara amin’ny zava-nitranga teo amin’ny tantara sy ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany.

Famoronana ka Hatramin’ny Safodrano

Abela—“Na Efa Maty Aza Izy dia Mbola Miteny Ihany”

Kely ihany ny zavatra resahin’ny Baiboly momba an’i Abela. Inona anefa no azontsika ianarana avy aminy sy ny finoana nananany?

Enoka: “Nahazo Sitraka Tamin’​Andriamanitra Izy”

Mamelona ankohonana ve ianao sa miezaka mijoro amin’​ny hevitrao satria fantatrao hoe marina ilay izy? Afaka miana-javatra avy amin’​ny finoan’​i Enoka ianao.

“Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra” i Noa

Nahoana no sarotra tamin’i Noa sy ny vadiny ny nitaiza ny zanany? Nahoana izy ireo no nila finoana rehefa nanamboatra an’ilay sambofiara?

Voaro i Noa “sy Ireo Fito Hafa”

Ahoana no nahatonga an’i Noa sy ny fianakaviany ho tafavoaka velona tamin’ilay vanim-potoana nanjombona indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona?

Safodrano ka Hatramin’ny Fifindrana avy any Ejipta

Abrahama—“Rain’izay Rehetra Manam-pinoana”

Ahoana no nanehoan’i Abrahama ny finoany? Inona no tianao hotahafina amin’i Abrahama?

Saraha—“Vehivavy Tsara Tarehy Ianao”

Hitan’ireo olona ambony tany Ejipta fa tsara tarehy be i Saraha. Mety tsy hampoizinao mihitsy ny zava-nitranga taorian’izay.

Ilay Nantsoin’Andriamanitra hoe “Andriambavy”

Nahoana no tena nety tamin’i Saraha io anarana vaovao io?

Rebeka: “Vonona Handeha Aho”

Nanam-pinoana i Rebeka sady nanana toetra tsara hafa koa.

“Mba Henoy Kely Izao Nofiko Izao”

Lesona tsara ho an’ny fianakaviana misy raikely na renikely ny zava-nitranga tao amin-dry Josefa.

“Hataoko Ahoana ny Hanao Izany Ratsy Lehibe Izany?”

Nanadala an’i Josefa foana ny vadin’i Potifara. Ahoana anefa no nandavany azy?

“Tsy Andriamanitra ve no Mahalaza ny Hevitry ny Nofy?”

Nahoana i Josefa no sahy nilaza ny dikan’ny nofin’ireo tandapan’i Farao sy ny an’i Farao? Ahoana no nahatonga azy hipetraka tany an-dapa nefa mbola gadra izy ny marainan’iny?

“Izaho Angaha Solon’Andriamanitra?”

Raha lasa miady ny fianakavianao satria ao aminareo misy mialona na mankahala na tsy mena-mivadika, dia afaka manampy anareo ny tantaran’i Josefa.

“Tsy Hanaiky Hivadika Mihitsy Aho”

Nahoana no afaka manampy antsika ny tantaran’i Joba rehefa miatrika olana lehibe isika, na loza, na fitsapam-pinoana hafa?

Joba—Nositranin’i Jehovah ny Ratram-pony

Ho tezitra be i Satana raha tsy mivadika hoatran’i Joba isika, fa ilay Raintsika be fitiavana kosa ho faly be!

Miriama: “Mihirà ho An’i Jehovah”!

Nitarika an’ireo vehivavy israelita hanao hiram-pandresena i Miriama, teo amin’ny Ranomasina Mena. Hita tamin’ny zavatra niainany hoe be herim-po izy, nanam-pinoana, ary nanetry tena.

Fifindrana avy any Ejipta ka Hatramin’ny Mpanjakan’ny Israely Voalohany

‘Nambara ho Marina i Rahaba Noho Izay Nataony’

Nahoana ny tantaran’i Rahaba no mampiseho fa sarobidy amin’i Jehovah isika rehetra? Inona no ianarantsika avy amin’ny finoany?

‘Nitsangana ho Reny teo Amin’ny Israely Aho’

Inona no ianarantsika momba ny finoana sy ny herim-po, rehefa jerena ny tantaran’i Debora ao amin’ny Baiboly?

Rota—“Izay Alehanao no Halehako”

Nahoana i Rota no vonona handao ny havany sy ny tanindrazany? Inona ny toetra nasehony ka tena nitiavan’i Jehovah azy?

Rota—Vehivavy Tena Tsara

Nahoana no miavaka ny fanambadian’i Rota sy Boaza? Rehefa jerena ny fifandraisan’i Rota sy Naomy, inona no tena atao hoe fianakaviana?

Noresahin’i Hana Tamin’i Jehovah Izay Rehetra tao Am-pony

Nino an’i Jehovah i Hana, ary izany no nanampy azy hizaka ny tsy eran’ny ainy.

Nanompo An’i Jehovah Foana i Samoela

Nahoana ny fahazazan’i Samoela no tsy mitovy amin’ny an’ny ankizy rehetra? Inona no nampitombo ny finoany tamin’izy tany amin’ny tranolay?

Tsy Nivadika i Samoela na dia Diso Fanantenana Aza

Mety hihena ny finoantsika rehefa kivy isika na manana olana. Inona anefa no azontsika ianarana avy amin’i Samoela?

Mpanjakan’ny Israely Voalohany ka Hatramin’ny Nahaterahan’i Jesosy

Jonatana: “Tsy Misy Mahasakana An’i Jehovah”

Toby miaramila iray manontolo no notafihin-dry Jonatana nefa ry zareo roa lahy fotsiny. Nanao ahoana ny vokany?

“An’​i Jehovah ny Ady”

Nahoana i Davida no afaka nandresy an’​i Goliata? Inona no azontsika ianarana avy amin’​ny tantaran’​i Davida?

Davida sy Jonatana: “Niraiki-po Be Tamin’i Davida” i Jonatana

Tsy nitovy taona ry zareo sady tsy nitovy fari-piainana nefa lasa mpinamana be. Ahoana no nahatonga an’izany? Tianao koa ve raha lasa mpinamana be ianao sy ny namanao? Sa ianao vao mitady namana? Mety aminao ity lahatsoratra ity.

Vehivavy Malina i Abigaila

Inona no azon’izay mijaly am-panambadiana ianarana avy amin’i Abigaila?

Niaro ny Fivavahana Marina i Elia

Ahoana no hanahafantsika an’i Elia rehefa misy olona tsy manaiky an’izay ampianarin’ny Baiboly?

Niandry i Elia Sady Niambina Hatrany

Tamin’i Elia niandry an’i Jehovah, inona no nataony sy noresahiny rehefa nivavaka izy?

Nampahery An’i Elia Andriamanitra

Fa inona loatra no nahazo an’i Elia no dia nangataka ho faty mihitsy izy?

Niaritra Izy na teo aza ny Tsy Rariny

Efa niharan’ny tsy rariny ve ianao? Tsy andrinao ve ny hanitsian’Andriamanitra an’izany? Diniho ato ny fomba azonao anahafana an’i Elia.

Elia: Niaritra Hatramin’ny Farany Izy

Nanana finoana matanjaka i Elia, ka nahavita niaritra. Hampahery antsika ny tantarany satria miaritra ny mafy hoatr’azy koa isika.

Nanaiky Hahitsin’i Jehovah i Jona

Matahotra ve ianao rehefa tendrena hanao zavatra? Natahotra koa i Jona, nefa nanam-paharetana sy namindra fo taminy i Jehovah.

Lasa Nahay Namindra Fo i Jona

Hanampy antsika handini-tena amin’ny saina tsy miangatra ny tantaran’i Jona.

Sahy Niaro ny Vahoakan’Andriamanitra i Estera

Ilaina ny finoana sy ny herim-po raha te haneho fitiavana toy ilay nasehon’i Estera.

Nisaina Tsara sy Be Herim-po ary Tsy Tia Tena i Estera

Tsy tia tena i Estera fa nanao zavatra ho an’i Jehovah sy ny vahoakany. Vakio ato izany tantara izany.

Nahaterahan’i Jesosy ka Hatramin’ny Nahafatesan’ny Apostoly

Maria—“Intỳ Aho Mpanompovavin’i Jehovah!”

Inona tamin’ny valin-tenin’i Maria tamin’ny anjely Gabriela no ahitana fa manam-pinoana izy? Inona koa ny toetra tsarany hafa?

‘Nandinika Lalina tao Am-pony i Maria’

Vao mainka natanjaka ny finoan’i Maria, noho ny zavatra niainany tany Betlehema.

Tafavoaka Ihany i Maria na Mafy Aza ny Nanjo Azy

Tahafo i Maria, renin’i Jesosy, dia ho tafavoaka koa ianao rehefa toy ny “voatrobaky ny sabatra” noho ny alahelo.

Nikarakara ny Fianakaviany Foana i Josefa

Ahoana no niarovan’i Josefa ny vady aman-janany? Nahoana i Maria sy Jesosy no nentiny nankany Ejipta?

Marta—“Mino Aho”

Ahoana no ahalalantsika hoe niavaka ny finoan’i Marta, na dia mafy aza ny nanjo azy?

Maria Magdalena—“Nahita ny Tompo Aho!”

Nanam-pinoana be i Maria dia nirahina hanao asa miavaka. Nasaina nilaza vaovao tsara tamin’olon-kafa izy.

Niezaka i Petera mba Tsy Hatahotra na Hisalasala

Mety hanimba olona ny fisalasalana. Natahotra sy nisalasala i Petera, nefa vitany ihany avy eo ny nandresy izany.

Tsy Nivadika Mihitsy i Petera

Nanampy an’i Petera hanaiky ny fanitsian’i Jesosy ny finoany sy ny tsy fivadihany. Ahoana izany?

Nampianarin’i Jesosy Hamela Heloka i Petera

Ahoana no nampianaran’i Jesosy an’i Petera hamela heloka? Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe namela ny helok’i Petera izy?

“Zanako Malalako sy Mendri-pitokisana ao Amin’ny Tompo”

Inona no nanampy an’i Timoty ho lasa mpiandraikitra mahay na dia saro-kenatra aza izy?