Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TAHAFO NY FINOAN’IZY IREO | TIMOTY

“Zanako Malalako sy Mendri-pitokisana ao Amin’ny Tompo”

“Zanako Malalako sy Mendri-pitokisana ao Amin’ny Tompo”

MAMIKIVIKY i Timoty mandeha eny an-dalana. Mihamanalavitra tsikelikely an’i Lystra, tanàna niaviany, izy. Mieritreritra an’izay miandry azy izy. Ireo naman’i Timoty no mitari-dalana. Manavatsava an’ireo saha efa fantatr’i Timoty tsara ry zareo. Miha tsy tazana tsikelikely ny tanànan’i Lystra. Eo amin’ny lohasaha no misy azy io. Mitsiky i Timoty rehefa mieritreritra ny reniny sy ny bebeny. Faly mantsy izy ireo rehefa nahita azy nandeha, nefa koa te hitomany. Hitodika ve izy ka hikopakopa-tanana farany azy ireo?

Nijery an’i Timoty foana i Paoly sady nitsiky mba hampaherezana azy. Fantany fa mbola menamenatra i Timoty. Faly anefa izy nahita ny hafanam-pony. Mbola tanora i Timoty. Vao 20 taona teo ho eo angamba izy. Tena tia an’i Paoly anefa izy sady nanaja azy. I Paoly kosa navitribitrika sady tsy nivadika tamin’i Jehovah. Hanaraka an’i Paoly i Timoty izao, ka hanao dia lavitra an-jatony kilaometatra miala ny tanànany. Handeha an-tongotra izy ireo amin’izany, na koa handeha sambo ary mety hahita loza eny an-dalana. Tsy fantatr’i Timoty koa raha mbola hahita ny any amin-dry zareo indray izy na tsia.

Inona no nahatonga an’io tovolahy io handao ny fianakaviany dia hiaraka amin’i Paoly? Inona avy ny valisoa mety ho azony amin’izany? Inona no azontsika ianarana avy amin’i Timoty?

“MBOLA ZAZAKELY”

Andao hojerentsika izay nitranga roa na telo taona talohan’izay. Tany Lystra i Timoty no nipetraka. Tanàna kely tany ambanivohitra izy io, ary azon-drano tsara. Mety ho nahazo tsara ny teny grika ny mponina tao. Ny teny lykaonianina anefa no fampiasan’izy ireo. Nikotaba ny tao amin’io tanàna nangingina io, indray mandeha. Tonga tao mantsy i Paoly sy Barnabasy. Misionera izy ireo ary avy nandalo tao Ikonioma, tanàna tsy lavitra teo. Rehefa nitory teny an-kalamanjana i Paoly dia nahita lehilahy malemy. Tena nanam-pinoana io lehilahy io. Nanao fahagagana àry i Paoly ka nanasitrana azy!—Asan’ny Apostoly 14:5-10.

Nisy angano ninoan’ny olona tao Lystra, hoe nisy andriamanitra mody niseho ho olona, hono, ka nandehandeha teny akaiky teny taloha. Noheverin’izy ireo ho ilay andriamanitra atao hoe Hermesy àry i Paoly, fa i Barnabasy kosa Zeosy! Efa saika hanao sorona ho azy roa lahy mihitsy ny vahoaka fa nosakanan’izy ireo.—Asan’ny Apostoly 14:11-18.

Tsy nieritreritra azy roa lahy ho andriamanitry ny mpanompo sampy kosa ny olona vitsivitsy tao Lystra. Olona nitondra hafatra nahafinaritra no fahitan’izy ireo azy roa lahy. Liana be mihitsy, ohatra, i Eonika sy i Loisa reniny sady faly be, rehefa nihaino an’i Paoly sy Barnabasy. Jiosy i Eonika ary nanambady lehilahy grika. * Izay vao henon-dry zareo ny vaovao efa nandrasan’ny Jiosy hatry ny ela: Efa tonga ny Mesia ary nanatanteraka an’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra Masina!

Nisy vokany be teo amin’i Timoty ny nahatongavan’i Paoly. “Mbola zazakely” mantsy izy dia efa nampianarina ho tia ny Soratra Masina. (2 Timoty 3:15) Nanaiky àry izy fa nilaza ny marina momba ny Mesia i Paoly sy Barnabasy. Nitovy hevitra taminy koa ny reniny sy ny bebeny. Ary ahoana ilay lehilahy nalemy nositranin’i Paoly? Mety ho efa zatra nahita azy io teny an-dalana tao Lystra angamba i Timoty, hatramin’ny mbola kely. Lasa afaka nandeha anefa ilay lehilahy izao! Tsy mahagaga àry raha lasa Kristianina i Eonika sy Loisa ary i Timoty. Misy zavatra azon’ny dadabe sy bebe ary ny ray aman-dreny ianarana avy amin’izany. Mampirisika ny tanora hanao ny tsara ve ianareo?

“MANDIA FAHORIANA MARO”

Azo antoka hoe faly ireo Kristianina tany Lystra rehefa nahafantatra ny zavatra ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny mpanara-dia an’i Kristy. Nianaran’izy ireo koa anefa fa tsy maintsy hiatrika zava-tsarotra izy ireo amin’izany. Tonga tao Lystra ny Jiosy avy ny Ikonioma sy Antiokia, ka nampirisika ny vahoaka hanohitra an’i Paoly sy Barnabasy. Notafihin’ilay vahoaka nahery setra i Paoly sady notorahan’izy ireo. Voa mafy izy ka nianjera tamin’ny tany. Notaritaritin’izy ireo tany ivelan’ny tanàna izy ary navelany ho faty tany.—Asan’ny Apostoly 14:19.

Nankeny amin’i Paoly ireo mpianatra tao Lystra. Faly izy ireo rehefa nahita fa mbola velona izy, ary nitsangana ka niverina tao Lystra! Nankany Derbe izy sy Barnabasy ny ampitso mba hanohy ny asa fitoriana. Nahazo mpianatra vaovao tao ry zareo, ary avy eo sahy niverina tany Lystra indray. Fa nahoana? “Nanatanjaka an’ireo mpianatra” izy roa lahy, ary “nampahery azy mba tsy hialany amin’ny finoana.” Alao sary an-tsaina i Timoty, nihaino tsara an’i Paoly sy Barnabasy. Nampianatra an’ireo Kristianina izy ireo fa ilaina ny miaritra, satria tsy misy dikany ny zava-tsarotra iaretan’izy ireo raha oharina amin’ny zavatra ho azony. Hoy izy roa lahy: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Asan’ny Apostoly 14:20-22.

Nandray tsara ny fampianaran’ny apostoly Paoly i Timoty

Hitan’i Timoty hoe nihatra tamin’i Paoly ireo teny ireo. Nahavita niatrika fahoriana maro mantsy i Paoly mba hitoriana ny vaovao tsara. Fantatr’i Timoty àry fa raha manahaka an’i Paoly izy dia hanohitra azy koa ny olona ao Lystra, anisan’izany ny dadany. Tsy navelany hanakana azy tsy hanompo an’Andriamanitra anefa izany. Be dia be koa ny tanora toa an’i Timoty ankehitriny. Olona manam-pinoana sy hanampy ary hampahery azy ireo no ataony namana. Manompo an’Andriamanitra foana ireny tanora ireny, na dia misy manohitra aza.

‘TSARA LAZA TEO AMIN’IREO RAHALAHY IZY’

Efa hitantsika teo aloha fa niverina tany Lystra i Paoly, roa na telo taona taorian’izay. Tsy maintsy ho faly be ny tao amin-dry Timoty rehefa tonga i Paoly. I Silasy indray no niaraka taminy. Azo antoka hoe faly be koa i Paoly. Hitany mantsy fa namokatra ny voan’ny fahamarinana nafafiny tao Lystra. Lasa Kristianina i Loisa, ary toy izany koa i Eonika zanany vavy. Tena tian’i Paoly ny “finoana tsy mihatsaravelatsihy” nananan’izy ireo. (2 Timoty 1:5) Ary ahoana ny amin’i Timoty?

Fantatr’i Paoly fa lasa nihamatotra ilay tovolahy taorian’ilay fitsidihany voalohany. “Tsara laza teo amin’ireo rahalahy” i Timoty. Tsy tao Lystra ihany fa tany Ikonioma koa, tanàna 32 kilaometatra teo ho eo any avaratratsinanana. (Asan’ny Apostoly 16:2) Ahoana no nahatonga azy hanana laza tsara?

Misy torohevitra mahasoa ny tanora ao amin’ny Soratra Masina. “Mbola zazakely” i Timoty dia efa nampianarin’ny reniny sy ny bebeny an’ireny. (2 Timoty 3:15) Anisan’izany ny Mpitoriteny 12:1, hoe: “Tsarovy ilay Mpamorona Be Voninahitra nanao anao. Eny, tsarovy izy amin’ny andro fahatanoranao.” Vao mainka tena azon’i Timoty tsara ny dikan’izany rehefa lasa Kristianina izy. Hitany hoe mahatsiaro an’ilay Mpamorona Be Voninahitra izy raha mitory ny vaovao tsara momba ny Zanak’Andriamanitra, dia i Kristy. Niezaka tsikelikely i Timoty mba tsy ho saro-kenatra sy ho sahy hitory ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Kristy.

Hitan’ny mpiandraikitra tao amin’ny fiangonana ny fandrosoan’i Timoty. Gaga izy ireo rehefa nahita azy nanampy sy nampahery ny hafa. Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe hitan’i Jehovah ny zavatra nataon’i Timoty. Nisy faminaniana nasainy nosoratana àry momba ny asa hataon’i Timoty ho an’ny fiangonana. Rehefa niverina tao Lystra i Paoly, dia hitany fa azo atao namana tsara i Timoty, rehefa hanao dia misionera izy. Nanaiky koa ireo rahalahy tao Lystra. Nametra-tanana tamin’i Timoty àry izy ireo, izany hoe nanendry azy hanao asa manokana eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—1 Timoty 1:18; 4:14.

Gaga sady menamenatra angamba i Timoty noho izany andraikitra lehibe nankinina taminy izany. Tena vonona ny handeha anefa izy. * Ahoana àry no fahitan’ny dadany an’ilay hoe hanao misionera ny zanany lahy? Tsy Kristianina mantsy izy, ka mety hoe zavatra hafa mihitsy no noeritreretiny hataon’i Timoty. Ahoana indray ny hevitry ny reniny sy ny bebeny? Faly erỳ angamba izy ireo sady nanahy kely ihany hoe hanao ahoana ny fiainan’i Timoty any. Ara-dalàna anefa izany.

Azo antoka hoe nandeha i Timoty. Nanaiky ho lasa misionera niaraka tamin’i Paoly izy, araka ny noresahintsika tany aloha. Nihananalavitra an’i Lystra izy isaky ny namindra, ary nankany amin’ny toerana tsy fantany. Nandeha an-tongotra teny amin’ny lalana feno vatokely sy bozaka izy tamin’izany. Tonga tany Ikonioma izy telo lahy rehefa avy nandeha an-tongotra iray andro. Nodinihin’i Timoty tsara izay nataon’i Paoly sy Silasy tamin’ny fiangonana. Nanome toromarika avy amin’ny filan-kevi-pitantanana tany Jerosalema ho azy ireo izy roa lahy, sady nanatanjaka ny finoan’izy ireo. (Asan’ny Apostoly 16:4, 5) Vao fanombohany fotsiny anefa izany.

Rehefa avy nitsidika ny fiangonana tany Galatia izy ireo, dia tsy nandeha tamin’ny lalana romanina vita rarivato sady malalaka be intsony. Nandeha an-tongotra an-jatony kilaometatra izy ireo ary namakivaky ny faritra midadasika tany Frijia. Nianavaratra izy ireo ary avy eo niankandrefana. Nanaraka ny fitarihan’ny fanahy masina izy ireo ka nandeha nankany Troasy. Nandray sambo izy ireo avy eo ary nankany Makedonia. (Asan’ny Apostoly 16:6-12) Hitan’i Paoly fa tena nilainy i Timoty. Navelany tao Beria niaraka tamin’i Silasy izy. (Asan’ny Apostoly 17:14) Nalefany nandeha irery tany Tesalonika mihitsy aza izy. Nanaraka ny modelin’i Paoly izy ka nanatanjaka ny finoan’ireo Kristianina tany.—1 Tesalonianina 3:1-3.

Hoy i Paoly momba an’i Timoty: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo.” (Filipianina 2:20) Nanana laza tsara i Timoty. Tsy tongatonga ho azy anefa izany. Niezaka be mantsy izy, nanetry tena, ary tsy nivadika fa niaritra zava-tsarotra. Ohatra tsara ho an’ny tanora ankehitriny tokoa izy! Tadidio fa miankina aminao ihany ny lazanao. Afaka ny hanana laza tsara ianao, raha tsara fanahy sy manaja ny hafa, ary ny sitrapon’i Jehovah no ataonao loha laharana eo amin’ny fiainana.

“ATAOVY IZAY REHETRA AZONAO ATAO MBA HAHATONGAVANA ATỲ AMIKO”

Mbola tanora i Timoty dia efa nanokana ny fiainany hanompoana an’Andriamanitra

Niara-niasa akaiky tamin’ny apostoly Paoly, nandritra ny 14 taona i Timoty. Niaraka foana izy ireo na tamin’ny mora na tamin’ny sarotra. (2 Korintianina 11:24-27) Nisy fotoana aza i Timoty nigadra noho ny finoany. (Hebreo 13:23) Tena tia sy nitady izay hahasoa an’ireo Kristianina namany koa izy, toy ny nataon’i Paoly. Nanoratra taminy i Paoly hoe: “Mahatsiaro ny ranomasonao aho.” (2 Timoty 1:4) Nanahaka an’i Paoly i Timoty ka ‘niara-nitomany tamin’izay nitomany.’ (Romanina 12:15) Afaka nampahery azy ireo izy tamin’izany. Enga anie isika mba hanao toy izany koa!

Tsy nahagaga raha lasa mpiandraikitra tena nahay i Timoty. Nanome andraikitra bebe kokoa azy àry i Paoly. Tsy nitsidika sy nampahery fiangonana fotsiny i Timoty, fa nanendry an’ireo nahafeno fepetra mba ho anti-panahy sy ho mpanampy amin’ny fanompoana koa.—1 Timoty 5:22.

Tena tia an’i Timoty i Paoly ka nanome torohevitra tsara azy. Noraisin’i Paoly ho toy ny zanany mihitsy izy. Nampirisika an’i Timoty izy mba hanao tsara ny andraikitra manokana nomena azy, ka hiezaka handroso ara-panahy foana. (1 Timoty 4:15, 16) Mbola tanora i Timoty sady mbola saro-kenatra. Nilaza taminy anefa i Paoly mba ho hentitra sy ho sahy hiaro ny fahamarinana, amin’ny fotoana ilana izany. (1 Timoty 1:3; 4:6, 7, 11, 12) Nanoro hevitra an’i Timoty momba ny fahasalamana mihitsy aza i Paoly. Narary vavony matetika mantsy i Timoty.—1 Timoty 5:23.

Fantatr’i Paoly fa kely sisa ny fotoana iainany. Voaheloka ho faty mantsy izy. Nanoratra farany tany amin’i Timoty àry izy. Nanohina ny fo ny zavatra nolazainy. Hoy izy: “Ataovy izay rehetra azonao atao mba hahatongavana haingana atỳ amiko.” (2 Timoty 4:9) Tena tia an’i Timoty i Paoly ka niantso azy hoe “zanako malalako sy mendri-pitokisana ao amin’ny Tompo.” (1 Korintianina 4:17) Tsy mahagaga raha tiany ho eo anilany io namana tsy foiny io, rehefa nihananakaiky ny fotoana hahafatesany! Mila mieritreritra àry isika tsirairay hoe: ‘Mahay mampahery ve aho, ka manatona ahy ny hafa rehefa manana olana?’

Tsy fantatsika na tonga tany i Timoty talohan’ny nahafatesan’i Paoly na tsia. Fantatsika kosa fa nanao izay fara heriny foana izy mba hampaherezana an’i Paoly sy ny olon-kafa. Tena nety ny niantsoana azy hoe Timoty. Midika hoe “Ilay Manome Voninahitra An’Andriamanitra” mantsy ny hoe Timoty. Nanana finoana matanjaka izy ka ohatra tsara ho antsika rehetra, na antitra isika na tanora. Tena tokony hanahaka azy isika.

^ feh. 9 Jereo ilay hoe “Fantatrao Ve?” ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 20 Nanaiky hoforana mihitsy aza i Timoty noho ny fangatahan’ny apostoly Paoly, na dia tsy notakiana tamin’ny Kristianina aza izany. Tsy tian’i Paoly ho tezitra mantsy ireo Jiosy raha mahita azy miaraka amin’i Timoty, satria hafa firenena ny rainy.—Asan’ny Apostoly 16:3.