Hijery ny anatiny

Nahoana no Misy Fety Tsy Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Nahoana no Misy Fety Tsy Ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Ahoana no ahafantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe azo atao sa tsia ny fety iray?

 Mandinika an’izay lazain’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah, vao manapa-kevitra hoe hanao an’ilay fety sa tsia. Misy fety sy fankalazana tonga dia hita hoe ratsy, rehefa jerena ny toro lalan’ny Baiboly. Tsy manao karazana fety hoatr’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Raha tsy hita kosa izay maharatsy an’ilay fety, dia anjaran’ny Vavolombelona tsirairay no mifidy hoe hanao an’ilay izy sa tsia, raha tsy manenjika azy ny eritreriny. Miezaka foana mantsy ny Vavolombelon’i Jehovah mba ‘hanana feon’ny fieritreretana madio eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona.’—Asan’ny Apostoly 24:16.

 Ireto misy fanontaniana eritreretin’ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa hanapa-kevitra izy hoe hanao fety iray sa tsia: a

  •   Tsy mety ve ny manao an’ilay fety rehefa jerena izay lazain’ny Baiboly?

     Toro lalan’ny Baiboly: “‘Mivoaha eo aminy ianareo, ary misaraha aminy’, hoy i Jehovah, ‘ary aza mikasika intsony izay maloto.’”—2 Korintianina 6:15-17.

     Maloto, izany hoe mifanohitra amin’izay lazain’ny Baiboly, ny zavatra sasany ampianarin’ny olona, nefa avy amin’ireny no namoronany fety. Tsy manao fety hoatr’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto misy karazana fety tsy ataon’izy ireo:

     Fety avy tamin’ny olona nino andriamani-diso na nivavaka tamin’ny andriamani-diso. Nilaza i Jesosy hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Matio 4:10) Mankatò an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy manao Krismasy, na Paka, na Fetin’ny Asa. Natao hivavahana tamin’ny andriamani-diso, fa tsy tamin’i Jehovah, mantsy ireo fety ireo tamin’ny voalohany. Ireto koa misy fety hafa tsy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah:

    •  Kwanzaa. “Avy amin’ny teny swahili hoe matunda ya kwanza io, izay midika hoe ‘voaloham-bokatra.’ Manao fety ny Afrikanina rehefa miakatra ny vokatra, ka fantatra fa anisan’ny fety voalohandohany noforonin’izy ireo izy io.” (Encyclopedia of Black Studies) Misy mieritreritra hoe tsy fety ara-pivavahana ny Kwanzaa. Milaza anefa ny Encyclopedia of African Religion hoe misy fety afrikanina mitovy aminy. “Manolotra” voaloham-bokatra “ho an’ireo andriamanitra sy ho an’ny razana ny olona amin’ilay izy mba hisaorana azy ireo.” Hoy ihany io rakipahalalana io: “Izany koa no mampiavaka an’ilay fety fanaon’ny Afrikanina Amerikanina, atao hoe Kwanzaa. Misaotra sy mankasitraka ny razana ny olona mandritra an’ilay izy satria notahin’izy ireo.”

      Kwanzaa

    •  Taom-baovao. Izao no resahin’ny The World Book Encyclopedia momba ny niandohan’io fety io: “Nataon’i Jules César, mpitondra romanina, ho Taom-baovao ny 1 Janoary nanomboka tamin’ny taona 46 T.K. Natokan’ny Romanina ho an’ilay andriamanitra atao hoe Janus io andro io.”

    •  Nauruz (Nowruz). “Ilay fivavahana atao hoe Zoroastrianisma no namorona an’io fety io. Anisan’ny fety masina indrindra tao amin’ny kalandrien’izy ireo izy io. . . . Nino io fivavahana io fa rehefa ririnina, dia roahin’ny Fanahin’ny Ririnina mankany ambanin’ny tany ny Fanahin’ny Antoandro, izay antsoina koa hoe [Rapithwin]. Tonga indray anefa ny Fanahin’ny Antoandro amin’ilay andro antsoina hoe Nowruz, ka nanao fety ny olona tao amin’ilay fivavahana ny antoandron’io mba hiarahabana azy.”—Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina.

    •  Shab-e Yalda. Fety fanaon’ny olona any amin’ny Ila Bolantany Avaratra izy io, rehefa Desambra. “Tonga dia hita hoe mifandray amin’ny fivavahana amin’i Mithra,” andriamanitry ny hazavana io fety io, arak’ilay boky hoe Sufism in the Secret History of Persia. Voalaza koa hoe toa misy ifandraisany amin’ny fivavahana amin’ireo andriamanitra masoandro notompoin’ny Romanina sy ny Grika izy io. b

    •  Thanksgiving. Mitovy amin’ny Kwanzaa ihany izy io, satria avy tamin’ny fety fanaon’ny olona fahiny rehefa miakatra ny vokatra. Natao hanomezam-boninahitra andriamanitra maromaro io fety io. “Lasa nanao an’ireny fety fanaon’ny olona taloha ireny ny fivavahana kristianina”, rehefa nandeha ny fotoana.—A Great and Godly Adventure—The Pilgrims and the Myth of the First Thanksgiving.

     Fety avy tamin’ny olona ninonino foana na olona nino hoe misy ny vintana. Resahin’ny Baiboly hoe “mahafoy an’i Jehovah” izay olona “manomana latabatra ho an’ny andriamanitry ny Vintana.” (Isaia 65:11) Tsy manao an’ireto fety ireto àry ny Vavolombelon’i Jehovah:

    •  Ivan Kupala. Milaza ilay boky hoe The A to Z of Belarus fa “mino ny ankamaroan’ny olona” mpanao an’io fety io hoe “mamoaka hery mahagaga ny natiora mandritra ny [Ivan Kupala], ka afaka mahazo amin’io hery io ianao raha sahy sy tsara vintana.” Fety fanaon’ny mpanompo sampy izy io tamin’ny voalohany, ary nataon’izy ireo hiarahabana ny andro lava indrindra any amin’ny Ila Bolantany Avaratra. Resahin’ny Encyclopedia of Contemporary Russian Culture anefa hoe ‘lasa nampiarahina tamin’ilay fety kristianina natao hahatsiarovana [an’i Jaona Mpanao Batisa,] izy io, rehefa nanaiky hanaraka ny Fivavahana Kristianina ny mpanompo sampy.”

    •  Taom-baovao Sinoa na Taom-baovao Koreanina. “Amin’io ny fianakaviana sy ny havana aman-tsakaiza no tena manao izay hahatonga azy rehetra ho tsara vintana. Manome voninahitra an’ireo andriamanitra sy ireo fanahy koa ry zareo, sady samy mirary hoe enga anie ho tsara vintana daholo mandritra an’ilay taona vaovao.” (Mooncakes and Hungry Ghosts—Festivals of China) Mitovy amin’izany koa ny zavatra atao amin’ny Taom-baovao Koreanina. “Mivavaka amin’ny razana ny olona, dia manao fombafomba handroahana fanahy ratsy sy fombafomba hahatsara vintana azy mandritra an’ilay Taona Vaovao. Manao sikidy koa izy ireo mba hahalalana hoe inona no hitranga mandritra an’ilay Taona Vaovao.”—Encyclopedia of New Year’s Holidays Worldwide.

      Taom-baovao Sinoa

     Fety fanaon’ny olona mino hoe tsy mety maty ny fanahy. Resahin’ny Baiboly mazava tsara hoe rehefa maty ny olona, dia lasa tsy misy intsony. Tsy afaka manao na inona na inona ny maty sady tsy mahalala na inona na inona. (Mpitoriteny 9:5, 6, 10; Salamo 146:4; Genesisy 3:19) Tsy manao an’ireto fety ireto àry ny Vavolombelon’i Jehovah, satria natao hampinoana ny olona ireo hoe tsy mety maty ny fanahy:

    •  Fetin’ny Maty. Milaza ny New Catholic Encyclopedia hoe natao izy io mba “hahatsiarovana an’izay mpino rehetra efa lasa nialoha lalana antsika.” Voalaza ao koa hoe “nino ny olona tany anelanelan’ny taona 500 A.K. sy 1500 A.K. tany ho any fa mety hiseho amin’izay olona nanao ratsy taminy tamin’izy mbola olombelona ny fanahy lasa any amin’ny afo fandiovana, amin’io andro io. Manao paozina matotoa na mpamosavy na sahona na zavatra hafa izy rehefa miseho.”

    •  Fetin’i Qingming (Ch’ing Ming) sy Fetin’ny Matotoa Noana. Natao hanomezam-boninahitra ny razana ireo fety ireo. Tantarain’ilay boky hoe Celebrating Life Customs Around the World—From Baby Showers to Funerals fa “mandoro sakafo sy zava-pisotro ary vola taratasy ho an’ny maty ny olona” amin’ilay fety hoe Ch’ing Ming, “satria sao dia noana na mangetaheta na tsy ampy vola ilay olona maty.” Resahin’ilay boky koa hoe “[mino ny olona mankalaza] ny Fetin’ny Matotoa Noana fa mifandray ny maty sy ny velona amin’ny alina, indrindra rehefa fenomanana ny volana, ka tsy maintsy atao izay tsy hampahatezitra azy. Tsy maintsy omena voninahitra koa ny razana amin’io.”

    •  Chuseok. “Manolotra sakafo sy divay ho an’ny fanahin’ny maty” ny olona amin’io fety io, hoy ilay boky hoe The Korean Tradition of Religion, Society, and Ethics. Manao an’izany izy ireo satria “mino hoe mbola velona ny fanahy rehefa maty ny vatana.”

     Fety misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina. ilaza ny Baiboly hoe “maharikoriko an’i Jehovah” ny olona “manao sikidy, na mampiasa herin’ny maizina, na mitady fambara, na mpilalao ody, na mpilaza ozona famosaviana, na olona mankany amin’ny mpamoha angatra na mankany amin’ny mpilaza ny hoavy, na olona manontany amin’ny maty.” (Deoteronomia 18:10-12) Tsy manao zavatra misy ifandraisany amin’ny herin’ny maizina ny Vavolombelon’i Jehovah, anisan’izany ny astrolojia (karazana sikidy). Izany no mahatonga ny Vavolombelona tsy hanao Halloween. Ireto koa misy fety hafa mitovy amin’izany:

    •  Taom-baovao Cinghalais sy Taom-baovao Tamoul. “Be dia be ny fomba amam-panao arahin’ny olona” amin’ireo fety ireo, dia “ny mpanandro no manoro hoe rahoviana ny sasany amin’izany no atao raha te ho tsara vintana.”—Encyclopedia of Sri Lanka.

    •  Songkran. Fety fanaon’ny olona any Azia izy io, ary “avy amin’ny teny sanskrit ... midika hoe ‘fihetsika’ na ‘fiovana.’ Manao an’io fety io izy ireo rehefa mikisaka mankeo amin’ny toeran’ny tononandro Ondrilahy [Bélier] ny masoandro.”—Food, Feasts, and Faith—An Encyclopedia of Food Culture in World Religions.

     Fety nifandray tamin’ny fivavahana teo ambany Lalàn’i Mosesy. Tsy voatery narahina intsony anefa io lalàna io rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy. Resahin’ny Baiboly hoe “Kristy no faran’ny Lalàna.” (Romanina 10:4) Mbola mahasoa ny Kristianina ny toro lalana ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, izany hoe ilay Lalàna nomena ny Israelita fahiny. Tsy mankalaza an’ireo fety ao amin’io Lalàna io anefa izy ireo, indrindra ireo fety natao hiomanana ho amin’ny fahatongavan’ny Mesia. Mino mantsy ny Kristianina fa efa tonga tetỳ an-tany ny Mesia. Hazavain’ny Baiboly hoe “aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tena izy dia an’i Kristy.” (Kolosianina 2:17) Efa vita àry ny nilana an’ireny fety ao amin’ny Lalàn’i Mosesy ireny. Lasa misy fanao raran’ny Baiboly koa izao amin’ny fety sasany, ka tsy manao an’ireny ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto misy ohatra vitsivitsy:

    •  Hanoukka. Natao hahatsiarovana ny nanokanana indray an’ilay tempoly jiosy tao Jerosalema io fety io. Lazain’ny Baiboly anefa hoe efa lasa Mpisoronabe ao amin’ny “tranolay [na tempoly] lehibe kokoa sy lavorary kokoa ary tsy nataon-tanana” i Jesosy. “Tsy anisan’izao zavatra ary izao” io tempoly io. (Hebreo 9:11) Mino ny Kristianina fa efa io tempoly ara-panahy io izao no solon’ilay tempoly tao Jerosalema.

    •  Rosh Hashanah. Io no andro voalohany amin’ny taona jiosy. Nanolotra sorona manokana ho an’Andriamanitra ny Jiosy, isaky ny tonga io fety io. (Nomery 29:1-6) Natsahatry ny Mesia na i Jesosy Kristy anefa tatỳ aoriana ny “sorona sy ny fanatitra atao fanomezana”, ka lasa tsy manan-kery intsony amin’Andriamanitra.—Daniela 9:26, 27.

  •   Sao dia natao hampirisihana ny olona hanao firaisam-pinoana ilay fety?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Inona no zavatra iombonan’ny mino amin’ny tsy mpino? Ary inona no ifanarahan’ny tempolin’Andriamanitra amin’ny sampy?”—2 Korintianina 6:15-17.

     Miezaka mihavana tsara amin’ny mpiara-monina aminy ny Vavolombelon’i Jehovah. Eken’izy ireo koa hoe manana zo hanaraka an’izay fivavahana tiany harahina ny olona tsirairay. Tsy manao fety natao hampirisihana ny olona hanao firaisam-pinoana anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Anisan’izany ireto fety ireto:

     Fety natao hahatsiarovana olo-malaza teo amin’ny sehatry ny fivavahana, na fety natao hampirisihana ny olona avy amin’ny fivavahana samihafa mba hiara-mivavaka. Nitondra ny vahoakany nankany an-tany hafa Andriamanitra taloha, nefa hafa ny fivavahan’ny olona tao amin’ilay tany nitondrany azy ireo. Nampitandrina azy ireo àry izy hoe: “Aza manao fifanekena amin’izy ireo na amin’ny andriamaniny. ... Raha sanatria manompo an’ireo andriamaniny ianao, dia ho fandrika ho anao izany.” (Eksodosy 23:32, 33) Izany no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah tsy hanao an’ireto karazana fety ireto:

    •  Loy Krathong. Fety tailandey izy io. “Manamboatra vilia baolina amin’ny ravinkazo ny olona” mandritra an’ilay izy, dia “asiany labozia na tapa-kazo manitra ao anatiny, ary alefany eny ambony rano ilay vilia avy eo. Entin’iny vilia iny manaraka azy, hono, ny vintana ratsy. Natao hahatsiarovana ny dian-tongotra masina navelan’i Bouddha anefa ilay fety, raha ny marina.”—Encyclopedia of Buddhism.

    •  Andro Fibebahan’ny Firenena. Nohazavain’ny manam-pahefana iray tao amin’ny The National, gazety iray any Papouasie-Nouvelle-Guinée, hoe “izay olona manaiky ny fampianarana kristianina” no manao an’io fety io. Noresahiny koa hoe “manampy ny olona” any amin’ilay firenena “hanaraka ny toro lalana natao ho an’ny Kristianina” izy io.

    •  Vesak. “Io no andro masina indrindra amin’ny Bodista satria amin’io no ankalazaina ny nahaterahan’i Bouddha, ny nahazoany fahalalana sy fahendrena, ary ny nahafatesany, izany hoe ny nahatratrarany an’ilay atao hoe Nirvana.”—Holidays, Festivals, and Celebrations of the World Dictionary.

      Vesak

     Fety efa fanaon’ny fivavahana hatramin’ny taloha nefa tsy hita ao amin’ny Baiboly. Niteny tamin’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy hoe: “Ataonareo tsy manan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny fomban-drazanareo.” Nilaza tamin’izy ireo koa izy hoe very maina ny fivavahan’izy ireo satria “didin’olombelona” no ampianarin’izy ireo. (Matio 15:6, 9) Tsy tian’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe ho very maina fotsiny ny fivavahany, ka be dia be ny fety ara-pivavahana tsy ataon’izy ireo.

    •  Epifania. Natao hahatsiarovana ny nitsidihan’ireo magy an’i Jesosy io fety io, sady natao hahatsiarovana ny batisany. “Fety fanaon’ny mpanompo sampy tamin’ny lohataona izy io taloha, ary nataon’izy ireo hanomezam-boninahitra an’ireo andriamanitry ny rano mandeha sy ny renirano ary ny loharano. Navadika ho fety kristianina ilay fety, tatỳ aoriana.” —The Christmas Encyclopedia

    •  Fankalazana ny Nampiakarana an’i Maria Virjiny any An-danitra. Manao an’io fety io ny olona satria mino hoe niakatra tany an-danitra i Maria renin’i Jesosy, ary iny vatany nofo aman-dra iny no niakatra tany. “Tsy nahafantatra an’izany fampianarana izany ny Kristianina voalohany, sady tsy misy an’izany ao amin’ny Soratra Masina’, hoy ny Religion and Society—Encyclopedia of Fundamentalism.

    •  Fetin’ny Immaculée Conception (fety natao hahatsiarovana hoe tsy nandova ota i Maria). “Tsy mampianatra ny Soratra Masina hoe tsy nandova ota mihitsy [i Maria]. ... Ny Eglizy no nampianatra [an’izany].”—New Catholic Encyclopedia.

    •  Karemy. Mibebaka sy mifady hanina ny olona amin’izy io, araka ny New Catholic Encyclopedia. “Tamin’ny taonjato fahefatra,” izy io no nisy voalohany, izany hoe 200 taona mahery taorian’ny nanoratana ny Baiboly. Hoy ihany ilay rakipahalalana, momba ny andro voalohany amin’ny Karemy: “Asiana lavenona ny handrin’ny mpino ny Alarobian’ny Lavenona. Nanomboka tamin’ilay Sinodan’i Benevento tamin’ny 1091 izany no lasa fanao.”

    •  Meskel (na Maskal). Fety any Etiopia izy io, ary natao hahatsiarovana ny “nahitana an’ilay Tena Lakroa (ilay lakroa namantsihana an’i Kristy)”, araka ny Encyclopedia of Society and Culture in the Medieval World. (Ilay rakipahalalana no nanao an’io fononteny io) “Manao afon-dasy ny olona mandritra an’io fety io, dia mandihindihy manodidina an’ilay afo.” Tsy mampiasa lakroa anefa ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mivavaka.

  •   Natao hanomezam-boninahitra olona na fikambanana na marika mampiavaka ny firenena iray ve ilay fety?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izao no nolazain’i Jehovah: ‘Voaozona izay olona matoky olona sy miantehitra amin’ny sandry nofo, ka miala amin’i Jehovah ny fony.’”—Jeremia 17:5.

     Mankasitraka ny zavatra tsara ataon’ny olon-kafa ny Vavolombelon’i Jehovah sady mivavaka ho azy ireny mihitsy aza. Tsy manao an’ireto karazana fety na fankalazana ireto anefa izy ireo:

     Fety natao hanomezam-boninahitra mpitondra na olo-malaza hafa. Hoy ny Baiboly: “Koa mitandrema amin’ny olombelona, raha tsy te hahita loza ianareo. Fa fofonaina ihany no eo am-bavorony, ka misy dikany inona moa izy?” (Isaia 2:22) Tsy mankalaza aniverseran’ny mpanjaka na fety mitovitovy amin’izany àry ny Vavolombelon’i Jehovah.

     Fety natao hanomezam-boninahitra sainam-pirenena. Tsy mankalaza an’ilay antsoina hoe Andron’ny Sainam-pirenena ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Satria resahin’ny Baiboly hoe: “Mitandrema ianareo amin’ny sampy.” (1 Jaona 5:21) Misy mieritreritra hoe tsy sampy ny sainam-pirenena, ka tsy natao hivavahana. Izao anefa no nosoratan’ilay mpahay tantara atao hoe Carlton Hayes: ‘Ivavahana ny sainam-pirenena.’

     Fety na fankalazana natao hanomezam-boninahitra olo-masina. Nisy lehilahy matahotra an’Andriamanitra niankohoka tamin’ny apostoly Petera, indray mandeha. Ahoana no nataon’i Petera? Tantarain’ny Baiboly hoe nampitsanganin’i Petera izy, sady noteneniny hoe: “Mitsangàna, fa izaho koa ange olona ihany e!” (Asan’ny Apostoly 10:25, 26) Tsy nanaiky homena voninahitra na hivavahana i Petera sy ny apostoly hafa rehetra. Tsy manao fety natao hanomezam-boninahitra olona lazaina hoe olo-masina àry ny Vavolombelon’i Jehovah, ohatra hoe ireto fety ireto:

    •  Fetin’ny Olo-masina Rehetra. “Fety natao hanomezam-boninahitra ny olo-masina rehetra izy io. ... Tsy fantatra ny niandohan’io fety io.”—New Catholic Encyclopedia.

    •  Fetin’i Notre-Dame de Guadalupe. Misy mino hoe i Maria renin’i Jesosy no “olo-masina mpiaro an’i Meksika”, dia natao hanomezam-boninahitra azy io fety io. Niseho tamin’ny tantsaha mahantra iray, hono, izy tamin’ny taona 1531.—The Greenwood Encyclopedia of Latino Literature.

      Fetin’i Notre-Dame de Guadalupe

    •  Andron’ny Anarana. “Andro natao ahatsiarovana olo-masina izy io. Omena anaran’olo-masina ny ankizy atao batemy na atao konfirmasiona, ka rehefa tonga ilay andro natao ahatsiarovana an’ilay olo-masina, dia anaovana fety ilay ankizy,” hoy ilay boky hoe Celebrating Life Customs Around the World—From Baby Showers to Funerals. Voalaza ao koa hoe “zavatra mifandray amin’ny fivavahana no atao amin’io andro io.”

     Fety natao hahatsiarovana tolona ara-politika na tolom-bahoaka. Milaza ny Baiboly hoe “aleo mialoka amin’i Jehovah toy izay matoky olombelona.” (Salamo 118:8, 9) Andriamanitra fa tsy olombelona no atokisan’ny Vavolombelon’i Jehovah hoe mahavaha ny olana eto an-tany. Izany no mahatonga azy ireo tsy handray anjara amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Tanora na ny Andro Iraisam-pirenena ho An’ny Vehivavy. Natao hanohanana tolona ara-politika na tolom-bahoaka mantsy ireny. Tsy mandray anjara amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho Fanafoanana ny Fanandevozana koa izy ireo, na fankalazana mitovitovy amin’izany. Ny Fanjakan’Andriamanitra irery mantsy no inoan’izy ireo hoe hanafoana ny fanavakavahana sy ny tsy fitovian’ny fari-piainan’ny olona.—Romanina 2:11; 8:21.

  •   Natao hanindrahindrana firenena na foko ve ilay fety?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”—Asan’ny Apostoly 10:34, 35.

     Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah tia ny tany niaviany. Tsy manao fety natao hanindrahindrana firenena na foko anefa izy ireo. Anisan’izany ireto:

     Fety natao hanomezam-boninahitra ny tafika ao amin’ny firenena iray. Tsy nanohana ady mihitsy i Jesosy. Niteny tamin’ny mpanara-dia azy izy hoe: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Tsy manao fety natao hanomezam-boninahitra miaramila àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Ireto misy vitsivitsy amin’izany:

    •  Fetin’ny 29 Martsa. Andro ahatsiarovan’ny Malagasy an’izay rehetra nandray anjara tamin’ilay tolom-panafahana tamin’ny 29 Martsa 1947 izy io. Be dia be ny maty tamin’io tolona io, dia natao hanomezam-boninahitra azy ireo ilay fankalazana.

    •  Andron’ny Manamboninahitra Malagasy. Natao hanomezam-boninahitra an’izay miaramila efa ela tao amin’ny tafika malagasy izy io.

     Fety natao hahatsiarovana ny tantaran’ny firenena iray na ny nahazoany fahaleovan-tena. Hoy i Jesosy momba ny mpanara-dia azy: “Tsy anisan’izao tontolo izao izy, tahaka ahy tsy anisan’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Tia mamantatra ny tantaran’ny fireneny na ny firenena hafa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manao an’ireto karazana fankalazana ireto anefa izy ireo:

    •  Andron’i Aostralia. Resahin’ny Worldmark Encyclopedia of Cultures and Daily Life hoe natao hahatsiarovana “an’ilay andro nananganan’ny miaramila anglisy ny sainam-pireneny tany Aostralia izy io. Nanambara ny Anglisy tamin’izay hoe lasa zanataniny i Aostralia. Tamin’ny 1788 no nitrangan’izany.”

    •  Andron’i Guy Fawkes. Fety any Angletera izy io, ary “natao hahatsiarovan’ilay firenena manontolo hoe nanao tetika hamonoana ny Mpanjaka Jacques I sy ny mpikambana tao amin’ny governemanta [anglisy] i Guy Fawkes sy ny Katolika namany, tamin’ny 1605, saingy tsy nahomby.”—A Dictionary of English Folklore.

    •  Andron’ny Fahaleovan-tena. “Andro natokana hanaovan’ny vahoaka fety izy io”, any amin’ny firenena maro, “mba hahatsiarovana ny daty nahazoan’ilay firenena fahaleovan-tena.”—Merriam-Webster’s Unabridged Dictionary.

  •   Tsy mahafehy tena ve ny olona mandritra an’ilay fety sady manao zavatra mamoafady?

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ampy izay ny fotoana lasa nanaovanareo ny sitrapon’izao tontolo izao, fony ianareo niaina tao anatin’ny fitondran-tena baranahiny, sy ny filan-dratsin’ny nofo, sy ny fibobohana divay, sy ny lanonana feno filibana, sy ny fifaninanana misotro, ary ny fanompoan-tsampy izay tsy araka ny lalàna.”—1 Petera 4:3.

     Manaraka an’io toro lalana io ny Vavolombelon’i Jehovah, ka tsy manao fety misy fisotroana toaka be sady feno filibana. Tia miara-manao fety amin’ny namany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary misotro zava-pisotro misy alkaola izy ireo indraindray amin’ireny fotoana ireny, nefa ataony amin’ny antonony ilay izy. Misy koa tsy misotro mihitsy. Miezaka foana izy ireo manaraka an’ity torohevitry ny Baiboly ity: “Na mihinana na misotro ianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamanitra ny zava-drehetra.”—1 Korintianina 10:31.

     Tsy manao karnavaly na fety mitovitovy amin’izany àry ny Vavolombelon’i Jehovah. Matetika mantsy amin’ireny no ahitana fitondran-tena tsy mendrika sady raran’ny Baiboly. Misy an’izany, ohatra, amin’ilay fety jiosy atao hoe Porima. Natao hahatsiarovana ny nanafahana ny Jiosy tamin’ny taonjato fahadimy T.K. izy io. Lasa ‘mitovitovy amin’ny ataon’ny olona rehefa fetin’ny Mardi Gras na Karnavaly” anefa izao no “ataon’ny Jiosy amin’ilay izy”, araka ilay boky Essential Judaism. Be dia be, ohatra, ny ‘lehilahy manao akanjom-behivavy. Be dia be koa ny manao fihetsika tafahoatra, misotro toaka be, ary mitabataba be.’

 Mbola tian’ny Vavolombelon’i Jehovah foana ve ny fianakaviany, na dia tsy miara-manao fety sasany aza izy ireo?

 Eny. Ampianarin’ny Baiboly hoe tokony ho tiantsika daholo ny fianakaviantsika sady hohajaintsika, na inona na inona fivavahany. (1 Petera 3:1, 2, 7) Misy olona tezitra na malahelo indraindray, rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah ny havany ka tsy miara-manao fety sasany aminy intsony. Mety hieritreritra mihitsy aza izy hoe nivadika taminy ilay Vavolombelona. Be dia be àry ny Vavolombelon’i Jehovah miezaka manome toky ny havany hoe mbola tiany foana ry zareo. Hazavainy amim-panajana koa hoe nahoana izy no tsy miara-manao fety amin’izy ireo intsony. Mandeha mamangy ny havany matetika izy ireo, fa tsy amin’ny fotoanan’ny fety.

 Manery olona tsy hanao fety sasany ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Tsia. Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa anjaran’ny tsirairay ny mifidy an’izay tiany hatao (Josoa 24:15) Hajain’izy ireo ny “karazan’olona rehetra”, na inona na inona fivavahany.—1 Petera 2:17.

a Tsy voalaza ato daholo ny fety tsy ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah fa ny sasany ihany. Toro lalana vitsivitsy koa no hita ato fa tsy izy rehetra.

b Mithra, Mithraism, Christmas Day & Yalda, nosoratan’i K. Eduljee, pejy 31-33.

Raha te hahafantatra kokoa ny dikan’ny hoe “fanahy” ao amin’ny Baiboly, dia jereo ny boky Inona no Azonao Ianarana ao Amin’ny Baiboly?, pejy 215-216.