Nosoratan’i Jaona 17:1-26

  • Vavaka farany nataon’i Jesosy niaraka tamin’ny apostoliny (1-26)

    • Hiaina mandrakizay izay mianatra momba an’Andriamanitra (3)

    • Tsy anisan’izao tontolo izao ny Kristianina (14-16)

    • “Ny teninao no fahamarinana” (17)

    • “Efa nampahafantariko azy ny anaranao” (26)

17  Nitraka nijery ny lanitra i Jesosy rehefa avy nilaza an’izany, dia hoy izy: “Ray ô, tonga ny fotoana. Omeo voninahitra ny zanakao mba hanomezany voninahitra anao.+  Fa efa nomenao fahefana amin’ny olona* rehetra izy,+ mba ho afaka hanome fiainana mandrakizay+ ho an’izay rehetra nomenao azy.+  Raha te hahazo fiainana mandrakizay+ izy ireo, dia mila mianatra mba hahafantatra anao,* ilay hany* tena Andriamanitra,+ sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.+  Efa nanome voninahitra anao aho teto an-tany,+ satria vitako ny asa nasainao nataoko.+  Ray ô, mba omeo voninahitra eo akaikinao àry aho izao, dia ilay voninahitra nananako teo akaikinao, tamin’ny mbola tsy nisy izao tontolo izao.+  “Efa nampahafantariko an’ireo olona nomenao ahy teo amin’izao tontolo izao ny anaranao.+ Anao izy ireo, dia nomenao ahy, ary efa narahiny* ny teninao.  Efa fantany izao fa avy taminao ny zava-drehetra nomenao ahy.  Efa noteneniko azy mantsy izay nolazainao tamiko.+ Dia nekeny izany, ka lasa fantany tsara fa solontenanao aho.+ Nino koa izy ireo hoe ianao no naniraka ahy.+  Mangataka aminao ho azy ireo aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao aho fa ho an’ireo nomenao ahy, satria anao izy ireo. 10  Anao daholo koa izay ananako ary ahy izay anananao,+ ary efa nomem-boninahitra teo amin’izy ireo aho. 11  “Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony aho, satria ho any aminao, fa izy ireo no eto.+ Ray Masina ô, arovy izy ireo+ noho ilay anaranao nomenao ahy, mba ho iray* koa izy ireo, hoatr’antsika ihany.+ 12  Tamin’izaho mbola teo amin’izy ireo, dia niaro azy aho+ noho ilay anaranao nomenao ahy. Narovako izy ireo, ka tsy nisy ringana na iray aza,+ afa-tsy ilay zanaky ny fandringanana,+ mba ho tanteraka ny Soratra Masina.+ 13  Ho any aminao anefa aho izao, ary lazaiko eto amin’izao tontolo izao ireny zavatra ireny, mba ho tena tsapan’izy ireo ao am-pony ny fifaliako.+ 14  Efa nomeko azy ny teninao. Halan’izao tontolo izao anefa izy, satria tsy anisan’izao tontolo izao,+ hoatr’ahy tsy anisan’izao tontolo izao. 15  “Tsy mangataka aminao mba hanala azy ireo eo amin’izao tontolo izao aho, fa mba hiaro azy amin’ilay ratsy.+ 16  Tsy anisan’izao tontolo izao izy,+ hoatr’ahy tsy anisan’izao tontolo izao.+ 17  Mba hamasino* amin’ny alalan’ny fahamarinana+ izy ireo, fa ny teninao no fahamarinana.+ 18  Nirahinao ho amin’izao tontolo izao aho, dia hoatr’izany koa fa nirahiko ho amin’izao tontolo izao izy ireo.+ 19  Ary ho azy ireo no anamasinako ny tenako, amin’izay koa izy ireo hohamasinina amin’ny alalan’ny fahamarinana. 20  “Tsy mangataka ho an’ireto ihany anefa aho, fa ho an’izay mino ahy koa noho ny tenin’izy ireo, 21  mba ho iray izy rehetra,+ hoatr’anao Ray tafaray amiko ary izaho tafaray aminao,+ dia ho tafaray amintsika koa izy ireo, amin’izay dia hino izao tontolo izao hoe ianao no naniraka ahy. 22  Nomeko azy ireo ilay voninahitra nomenao ahy, mba ho iray hoatr’antsika koa izy ireo.+ 23  Izaho tafaray aminy ary ianao tafaray amiko, mba ho iray* tanteraka izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa ianao no naniraka ahy sady efa tia azy tahaka ny nitiavanao ahy. 24  Ray ô, tiako raha mba miaraka amiko any amin’izay misy ahy ireo nomenao ahy ireo,+ mba ho hitany ilay voninahitro nomenao ahy, satria ianao efa tia ahy talohan’ny nanorenana an’izao tontolo izao.+ 25  Ray ô, manao ny rariny* ianao. Tena tsy mahafantatra anao izao tontolo izao,+ fa izaho efa mahafantatra anao,+ ary ireto koa efa mahalala fa ianao no naniraka ahy. 26  Efa nampahafantariko azy ny anaranao ary mbola hampahafantariko ihany,+ mba ho hoatran’ny nitiavanao ahy no hitiavan’izy ireo ny hafa, ary mba ho tafaray amin’izy ireo koa aho.”+

Fanamarihana

Abt: “nofo.”
Na: “mila mahalala anao.”
Izany hoe tokana.
Na: “nankatoaviny.”
Na: “tafaray.”
Na: “atokano.”
Na: “tafaray.”
Na: “marina.”