Ho An’ny Romanina 10:1-21

  • Ny tokony hatao mba ho lasa olo-marina eo imason’Andriamanitra (1-15)

    • Miresaka amin’ny olona ny zavatra inoany (10)

    • Izay miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena (13)

    • Tsara tarehy ny tongotry ny mpitory (15)

  • Tsy ny rehetra no nanaiky ny vaovao tsara (16-21)

10  Ry rahalahy, ny tena irin’ny foko sady italahoako amin’Andriamanitra dia ny mba hahavoavonjy azy ireo.+  Fa mijoro ho vavolombelona aho hoe mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo,+ saingy tsy tena mahalala azy tsara.  Tsy nahalala an’izay marina eo imason’Andriamanitra izy,+ fa nanao ny tenany ho olo-marina, araka izay heveriny fa mety fotsiny.+ Tsy nanaiky an’izay marina eo imason’Andriamanitra àry izy.+  Fa i Kristy no faran’ny Lalàna,+ mba hambara hoe olo-marina izay rehetra maneho finoana.+  Izao mantsy no nosoratan’i Mosesy momba ny atao hoe olo-marina raha araka ny Lalàna: “Izay olona mankatò an’ireny no ho velona amin’ny alalan’ireny.”+  Izao kosa no voalaza momba ny olo-marina noho ny finoana: “Aza miteny anakampo+ hoe: ‘Iza no hiakatra any an-danitra?’,+ izany hoe mba hampidina an’i Kristy,  na hoe: ‘Iza no hidina any amin’ny lavaka mangitsokitsoka?’,*+ izany hoe mba hampiakatra an’i Kristy avy any amin’ny maty.”  Inona anefa no lazain’ny Soratra Masina? “Eo akaikinao, izany hoe eo am-bavanao sy ao am-ponao ny teny”,+ dia ny “tenin’ny” finoana izay torinay.  Fa raha milaza eo imason’olona ianao hoe i Jesosy no Tompo,+ ary mino ao am-ponao fa Andriamanitra efa nanangana azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao. 10  Izay maneho finoana vokatry ny fo mantsy no ho lasa olo-marina, ary izay miresaka amin’ny olona ny zavatra inoany+ no ho voavonjy. 11  Hoy mantsy ny Soratra Masina: “Tsy hisy ho diso fanantenana izay mino azy.”+ 12  Fa tsy misy maha samy hafa ny Jiosy sy ny Grika.+ Iray ihany ilay Tompo ambonin’izy rehetra, sady manome be dia be ho an’izay* rehetra miantso azy. 13  Fa “izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah* no hovonjena.”+ 14  Hataon’izy ireo ahoana anefa ny hiantso ny anarany raha izy aza tsy inoany? Ary hataony ahoana ny hino an’izay olona mbola tsy henony? Ary hataony ahoana ny haheno, raha tsy misy mitory aminy? 15  Ary hataony ahoana ny hitory raha tsy nirahina?+ Araka ny voasoratra hoe: “Tsara tarehy erỳ ny tongotr’izay mitory ny vaovao tsara!”+ 16  Na izany aza, dia tsy izy rehetra no nanaiky ny vaovao tsara. Hoy mantsy i Isaia: “Jehovah* ô, iza no mba nino ny zavatra henony taminay?”*+ 17  Ny finoana àry dia avy amin’ny zavatra re,+ ary izay re kosa dia avy amin’ny teny momba an’i Kristy. 18  Hoy anefa aho: Sao dia tsy naheno izy ireo? Raha ny marina, dia “efa nivoaka eran-tany ny tenin’izy ireo, ary tonga hatrany amin’ny faran’ny tany misy mponina ny hafatra nentiny.”+ 19  Hoy anefa aho: Sao dia tsy nahafantatra ny Israely?+ Voalohany, dia hoy i Mosesy: “Hataoko izay hahatonga anareo hialona an’izay tsy firenena akory, ary hataoko izay hampahatezitra be anareo amin’ny firenena adaladala.”+ 20  Ary tena sahy i Isaia nilaza hoe: “Hitan’izay tsy nitady ahy aho,+ ary lasa fantatr’izay tsy niantso ahy.”+ 21  Hoy kosa izy momba ny Israely: “Tontolo andro no namelarako ny tanako tamin’ny vahoaka tsy mankatò sady mafy loha.”+

Fanamarihana

Jereo F.T.
Na: “malala-tanana amin’izay.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “zavatra nolazainay?”