Hijery ny anatiny

Sekta Amerikanina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

Sekta Amerikanina ve ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Any Etazonia ny foibenay. Tsy sekta amerikanina anefa izahay noho ireto antony ireto:

  •   Misy milaza fa antokom-pivavahana niala tamin’ny fivavahana lehibe iray no atao hoe sekta. Ny Vavolombelon’i Jehovah anefa tsy hoe niala tamin’ny fivavahana iray. Hitanay kosa hoe namerina an’ilay Fivavahana Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izahay.

  •   Mazoto mitory any amin’ny tany 230 mahery ny Vavolombelon’i Jehovah. Na aiza na aiza misy anay, dia i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy no tsy ivadihanay fa tsy ny fanjakana amerikanina na ny fanjakan’olombelona hafa.—Jaona 15:19; 17:15, 16.

  •   Avy ao amin’ny Baiboly daholo ny fampianaranay fa tsy avy amin’ny asa soratry ny mpitondra fivavahana any Etazonia.—1 Tesalonianina 2:13.

  •   I Jesosy Kristy no arahinay fa tsy mpitondra olombelona.—Matio 23:8-10.