Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Bokin’ny Mpanjaka Faharoa

Toko

Topy Maso

  • 1

    • Naminany i Elia hoe ho faty i Ahazia (1-18)

  • 2

    • Nentina tao anaty tafio-drivotra i Elia (1-18)

      • Nalain’i Elisa ny akanjona mpaminany nanaovan’i Elia (13, 14)

    • Nodiovin’i Elisa ny ranon’i Jeriko (19-22)

    • Novonoin’ny orsa ireo ankizilahy avy any Betela (23-25)

  • 3

    • Jorama, mpanjakan’ny Israely (1-3)

    • Nikomy tamin’ny Israely i Moaba (4-25)

    • Resy i Moaba (26, 27)

  • 4

    • Nampitomboin’i Elisa ny menaky ny vehivavy iray mpitondratena (1-7)

    • Vehivavy sonemita tia nandray vahiny (8-16)

    • Nahazo zanaka lahy ilay vehivavy ho valisoany; maty ilay zaza (17-31)

    • Natsangan’i Elisa tamin’ny maty ilay zazalahy (32-37)

    • Nataon’i Elisa azo nohanina ilay lasopy (38-41)

    • Nampitomboin’i Elisa ireo mofo (42-44)

  • 5

    • Nositranin’i Elisa i Namàna boka (1-19)

    • Lasa boka i Gehazy satria matimatin-karena (20-27)

  • 6

    • Natsinkafon’i Elisa ny lelam-pamaky (1-7)

    • Elisa sy ny Syrianina (8-23)

      • Nosokafana ny mason’ny mpanompon’i Elisa (16, 17)

      • Natao jamba ny Syrianina (18, 19)

    • Natao fahirano i Samaria dia nisy mosary tany (24-33)

  • 7

    • Naminany i Elisa hoe ho tapitra ny mosary (1, 2)

    • Nisy sakafo tao amin’ny toby nilaozan’ny Syrianina (3-15)

    • Tanteraka ny faminanian’i Elisa (16-20)

  • 8

    • Naverina tamin’ilay vehivavy sonemita ny taniny (1-6)

    • Elisa, Beni-hadada, ary Hazaela (7-15)

    • Jorama, mpanjakan’ny Joda (16-24)

    • Ahazia, mpanjakan’ny Joda (25-29)

  • 9

    • Nohosorana ho mpanjakan’ny Israely i Jeho (1-13)

    • Novonoin’i Jeho i Jorama sy Ahazia (14-29)

    • Novonoina i Jezebela; nohanin’ny alika ny nofony (30-37)

  • 10

    • Novonoin’i Jeho ny ankohonan’i Ahaba (1-17)

      • Nanohana an’i Jeho i Jonadaba (15-17)

    • Novonoin’i Jeho ny mpivavaka tamin’i Bala (18-27)

    • Famintinana an’izay nataon’i Jeho tamin’izy mpanjaka (28-36)

  • 11

    • Nanao ny tenany ho mpanjaka i Atalia (1-3)

    • Natao mpanjaka an-tsokosoko i Joasy (4-12)

    • Novonoina i Atalia (13-16)

    • Fanovana nataon’i Joiada (17-21)

  • 12

    • Joasy, mpanjakan’ny Joda (1-3)

    • Namboarin’i Joasy ny simba tamin’ny tempoly (4-16)

    • Nanafika ny Syrianina (17, 18)

    • Nisy namono i Joasy (19-21)

  • 13

    • Joahaza, mpanjakan’ny Israely (1-9)

    • Joasy, mpanjakan’ny Israely (10-13)

    • Notsapain’i Elisa ny hafanam-pon’i Joasy (14-19)

    • Maty i Elisa; nitsangana tamin’ny maty ilay lehilahy nahakasika ny taolany (20, 21)

    • Tanteraka ny faminaniana farany nolazain’i Elisa (22-25)

  • 14

    • Amazia, mpanjakan’ny Joda (1-6)

    • Ady tamin’i Edoma sy Israely (7-14)

    • Maty i Joasy, mpanjakan’ny Israely (15, 16)

    • Maty i Amazia (17-22)

    • Jeroboama II, mpanjakan’ny Israely (23-29)

  • 15

    • Azaria, mpanjakan’ny Joda (1-7)

    • Ireo mpanjaka faramparany teo amin’ny Israely: Zakaria (8-12), Saloma (13-16), Menahema (17-22), Pekahia (23-26), Peka (27-31)

    • Jotama, mpanjakan’ny Joda (32-38)

  • 16

    • Ahaza, mpanjakan’ny Joda (1-6)

    • Nanao kolikoly tamin’ny Asyrianina i Ahaza (7-9)

    • Naka tahaka alitaran’ny mpanompo sampy i Ahaza (10-18)

    • Maty i Ahaza (19, 20)

  • 17

    • Hosea, mpanjakan’ny Israely (1-4)

    • Resy ny Israely (5, 6)

    • Natao sesitany ny Israely satria nivadi-pinoana (7-23)

    • Nisy hafa firenena nasaina nipetraka tao amin’ireo tanànan’i Samaria (24-26)

    • Nampifangaro fivavahana samihafa ny Samaritanina (27-41)

  • 18

    • Hezekia, mpanjakan’ny Joda (1-8)

    • Firesahana ny faharesen’ny Israely (9-12)

    • Nanafika ny Joda i Sankeriba (13-18)

    • Nanao tsinontsinona an’i Jehovah ilay Rabsake (19-37)

  • 19

    • Niangavy an’i Isaia i Hezekia mba hangataka fanampiana amin’i Jehovah (1-7)

    • Nandrahona an’i Jerosalema i Sankeriba (8-13)

    • Vavak’i Hezekia (14-19)

    • Nampitain’i Isaia ny tenin’i Jehovah (20-34)

    • Anjely iray namono Asyrianina 185 000 (35-37)

  • 20

    • Narary i Hezekia, dia sitrana (1-11)

    • Iraka avy any Babylona (12-19)

    • Maty i Hezekia (20, 21)

  • 21

    • Manase, mpanjakan’ny Joda; ny ra nalatsany (1-18)

      • Ho rava i Jerosalema (12-15)

    • Amona, mpanjakan’ny Joda (19-26)

  • 22

    • Josia, mpanjakan’ny Joda (1, 2)

    • Toromarika hanamboarana ny simba tamin’ny tempoly (3-7)

    • Hita ny boky misy ny Lalàna (8-13)

    • Naminany i Holda hoe hisy loza (14-20)

  • 23

    • Fanovana nataon’i Josia (1-20)

    • Nankalaza Paska (21-23)

    • Fanovana fanampiny nataon’i Josia (24-27)

    • Maty i Josia (28-30)

    • Joahaza, mpanjakan’ny Joda (31-33)

    • Joiakima, mpanjakan’ny Joda (34-37)

  • 24

    • Nikomy i Joiakima ary maty (1-7)

    • Joiakina, mpanjakan’ny Joda (8, 9)

    • Ireo voalohany natao sesitany tany Babylona (10-17)

    • Zedekia, mpanjakan’ny Joda; nikomy izy (18-20)

  • 25

    • Nataon’i Nebokadnezara fahirano i Jerosalema (1-7)

    • Rava i Jerosalema sy ny tempoliny; ireo faharoa natao sesitany (8-21)

    • Natao governora i Gedalia (22-24)

    • Nisy namono i Gedalia; nandositra nankany Ejipta ny olona (25, 26)

    • Nafahana i Joiakina tany Babylona (27-30)