Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FANONTANIANA 2

Ahoana no Atao Raha Te Hahafantatra An’Andriamanitra?

“Tsy tokony ho afaka am-bavanao ny teny ato amin’ity boky misy ny Lalàna ity, ary vakio sy saintsaino andro aman’alina izany. Amin’izay ianao dia hanaraka tsara an’izay rehetra voasoratra ato, ka hahomby izay hataonao ary hanao zavatra amim-pahendrena ianao.”

Josoa 1:8

“Nanohy namaky mafy an’ilay boky misy ny Lalàn’Andriamanitra ny Levita, ka nohazavain’izy ireo mazava tsara ny dikany. Nampiany hahazo ny dikan’izay novakiny àry ny olona.”

Nehemia 8:8

“Sambatra ny olona tsy manaraka ny torohevitry ny ratsy fanahy, ... fa ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, ary ny lalàny no vakiny sy saintsaininy andro aman’alina. ... Hety tsara daholo izay ataony.”

Salamo 1:1-3

“Nihazakazaka teo akaikin’ilay kalesy i Filipo ka naheno azy namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany. Ary hoy izy: ‘Azonao tsara ve izay vakinao?’ Dia hoy izy: ‘Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?’”

Asan’ny Apostoly 8:30, 31

“Ny toetrany tsy hita maso, izany hoe ny heriny mandrakizay sy ny maha Andriamanitra azy, dia hita mazava tsara hatramin’ny namoronana an’izao tontolo izao. Hita amin’ny zavatra nataony mantsy izany toetrany izany, ka tsy manana fialan-tsiny izy ireny.”

Romanina 1:20

“Eritrereto tsara ireo zavatra ireo, ary mifantoha tanteraka amin’izany, mba ho hitan’ny olona rehetra ny fandrosoanao.”

1 Timoty 4:15

‘Andao isika hifampiahy mba hifandrisika hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara, ka tsy hahafoy ny fiarahantsika mivory.’

Hebreo 10:24, 25

“Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an’izany foana amin’Andriamanitra, satria malala-tanana amin’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.”

Jakoba 1:5