Ohabolana 5:1-23

  • Mitandrema amin’ny vehivavy ratsy fitondran-tena (1-14)

  • Mifalia amin’ny vadinao (15-23)

5  Henoy, anaka, ny tenim-pahendrena lazaiko. Henoy tsara* fa ampianariko anao ny atao hoe mahay mandinika,+   Amin’izay ianao hahay hisaina tsara foana,Ka hifanaraka amin’ny fahalalana foana ny zavatra lazainao.+   Fa mamy hoatran’ny tantely ny tenin’ny* vehivavy maditra,*+Ary malefaka noho ny menaka ny vavany.+   Mangidy be toy ny vahona* anefa ilay vehivavy amin’ny farany,+Ary maranitra hoatran’ny sabatra roa lela.+   Midina mankany amin’ny fahafatesana ny tongony, Ary mamantana any amin’ny Fasana* ny diany.   Tsy mba miraharaha ny lalan’ny fiainana izy. Mirenireny eny izy, nefa tsy fantany hoe ho aiza.   Henoy àry aho, anaka,Ary aza hadinoina izay teneniko.   Ialao lavitra be ny vehivavy toy izany,Ary aza manakaiky ny fidirana mankao an-tranony,+   Sao homenao olona ny hajanao,+Ary hijinja ny vokany ianao, ka hijaly* mandritra ny taona maro.+ 10  Sao koa ny vahiny no handany ny harenanao,*+Ary ho lasan’olon-kafa ny zavatra nisasaranao. 11  Sao hitaraindraina ianao rehefa ho faty,Sy rehefa ho levona ny nofonao sy ny vatanao.+ 12  Dia hilaza ianao amin’izay hoe: “Fa naninona re aho no nankahala anatra e? Naninona re ny foko no tsy niraharaha fananarana e? 13  Tsy mba nohenoiko ny tenin’ny mpanoro hevitra ahy,Ary tsy noraharahiako izay nolazain’ny mpampianatra ahy. 14  Fa efa ho potika tanteraka izao ny fiainako,Eo anivon’ny fiangonana manontolo.”*+ 15  Misotroa rano avy ao amin’ny lavaka fanangonanao rano,Ary misotroa rano velona* avy ao amin’ny lavadranonao.+ 16  Ny loharanonao ve dia avelanao hiparitaka eny ivelany,Ary ny ranonao avelanao hikoriana eny amin’ny tany malalaky ny tanàna?+ 17  Aleo ho anao irery izany,Fa tsy ho an’ny vahiny eo aminao.+ 18  Enga anie hotahina ny loharanonao!Ary enga anie ianao hifaly amin’ny vadin’ny fahatanoranao!+ 19  Fa serfavavy mahatehotia sy osy kely* mahafatifaty izy.+ Enga anie ianao hahazo fahafinaretana* foana amin’ny nonony, Ary ho babon’ny fitiavany foana anie ianao!+ 20  Fa nahoana ianao, anaka, no ho babon’ny vehivavy maditra,*Na hamihina ny tratran’ny vehivavy ratsy fitondran-tena?*+ 21  Fa hitan’i Jehovah izay ataon’ny olona,Ary dinihiny tsara daholo ny lalany rehetra.+ 22  Voafandriky ny ratsy nataony ihany ny ratsy fanahy,Ary ho voafatotry ny fahotany ihany izy.+ 23  Ho faty izy satria tsy nihaino anatra,Ary ho diso lalana satria be loatra ny hadalana vitany.

Fanamarihana

Abt: “Atongilano ny sofinao.”
Abt: “molotry ny.”
Abt: “vahiny.” Jereo Oh 2:16.
Zavamaniry mangidy tany Palestina ny teny hebreo nampiasaina teto.
Jereo F.T.
Abt: “hijinja zava-doza.”
Na: “herinao.”
Abt: “Eo anivon’ny vahoaka sy ny fiangonana.”
Na: “mikoriana.”
Na: “ho afa-po.”
Na: “sy osidia.”
Abt: “vahiny.” Jereo Oh 2:16.
Abt: “vahiny.” Jereo Oh 2:16.