Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 4

Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?

Ahoana no Hahaizana Mitantam-bola?

“Ho tanteraka izay kasaina raha misy mpanolo-tsaina.”—Ohabolana 20:18

Mila vola isika rehetra mba hamelomana ny fianakaviantsika. (Ohabolana 30:8) ‘Fiarovana ny vola.’ (Mpitoriteny 7:12) Mety hanahirana ny mpivady ny miresaka momba azy io, nefa aza avela hampisy olana eo aminareo ny resa-bola. (Efesianina 4:32) Tokony hifampatoky ny mpivady ary hifampiresaka rehefa hanapa-kevitra hoe ahoana no hampiasana ny vola.

1 MANDINIHA TSARA MIALOHA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Iza aminareo no te hanorina tilikambo nefa tsy mipetraka aloha manao kajy ny amin’izay ho lany, mba hahitana raha manana ny ampy hamitana azy izy, na tsia?’ (Lioka 14:28) Ilaina ny miara-mandinika ny fomba ampiasana ny vola. (Amosa 3:3) Fantaro hoe inona no tokony hovidina ary ohatrinona no vola azo ampiasaina amin’izany. (Ohabolana 31:16) Tsy hoe rehefa ampy hividianana zavatra iray ny vola, dia tsy maintsy hividy. Miezaha tsy hitrosa, ary aza mandany vola mihoatra noho izay ananana.—Ohabolana 21:5; 22:7.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Raha misy ambiny ny volanareo rehefa faran’ny volana, dia miaraha manapa-kevitra hoe ahoana no hampiasana azy

  • Raha tsy tody faran’ny volana ny volanareo, dia diniho izay azo atao mba hampihenana ny fandaniana. Aza mividy sakafo masaka, ohatra, fa mandrahoa

2 AZA MANAFINAFINA ARY MIERITRERETA TSARA

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Manaova zavatra “amim-pahamarinana, tsy eo imason’i Jehovah ihany, fa eo imason’ny olona koa.” (2 Korintianina 8:21) Tsory amin’ny vadinao hoe ohatrinona ny karamanao. Aza afenina azy koa ny vola nolaninao.

Miresaha amin’ny vadinao foana rehefa misy fanapahan-kevitra lehibe horaisina momba ny vola. (Ohabolana 13:10) Hanampy anareo mba hifandray tsara foana ny miresaka momba ny vola. Eritrereto hoe anareo mianakavy ny karamanao, fa tsy anao irery.—1 Timoty 5:8.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mifanaraha hoe ohatrinona ny vola azon’ny tsirairay lanina nefa tsy voatery hifampierana

  • Aza miandry hoe efa misy olana ara-bola, izay vao hifampiresaka momba ny vola