Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

FIZARANA 6

Manova ny Tokantrano ny Zazakely

Manova ny Tokantrano ny Zazakely

“Lova avy amin’i Jehovah ny zanaka.”—Salamo 127:3

Sambany vao niteraka ve ianareo mivady? Faly sahirana ny mpivady rehefa tera-bao. Mety ho gaga ianareo fa ho lany hikarakarana an’ilay zaza ny ankamaroan’ny fotoana sy ny herinareo. Eo koa ny tsy fahampian-torimaso sy ny fiovan’ny fihetseham-po, izay mety hanimba ny fifandraisanareo. Samy mila manao fanitsiana àry ianareo mba ho afaka hikarakara an’ilay zaza sady hifandray tsara foana. Afaka manampy anareo hiatrika an’ireo olana ireo ny torohevitry ny Baiboly.

1 NAHOANA NO MIOVA NY FIAINANA REHEFA MISY ZAZAKELY?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Ny fitiavana mahari-po, tsara fanahy, tsy mitady izay hahasoa ny tenany, ary tsy mora tezitra.’ (1 Korintianina 13:4, 5) Raha vehivavy sambany vao niteraka ianao, dia ara-dalàna raha variana amin’ny zanakao. Mety hihevitra àry ny vadinao hoe tsy miraharaha azy ianao. Tadidio fa mila ny fiahianao koa izy. Ampio izy hahatsapa hoe ilaina sady manana anjara amin’ny fikarakarana ny zanakareo. Miezaha hahari-po sy ho tsara fanahy rehefa manao izany.

“Ianareo lehilahy, aoka ianareo hiara-mitoetra foana amin’ny vadinareo araka ny fahalalana.” (1 Petera 3:7) Tokony ho tsapanao fa ny fikarakarana ny zanakareo izao no tena handany ny herin’ny vadinao. Lasa manana andraikitra vaovao izy, ka mety hiady saina sy ho vizana be ary ho ketraka mihitsy. Mety ho tezitra aminao aza izy. Miezaha anefa mba ho tony foana, satria “aleo olona tsy mora tezitra toy izay lehilahy matanjaka.” (Ohabolana 16:32) Miezaha hahatsapa izay mahazo ny vadinao, ka omeo azy ny fanampiana ilainy.—Ohabolana 14:29.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Ho an’ny lehilahy: Ampio hikarakara an’ilay zaza ny vadinao, na dia amin’ny alina aza. Fero ny fotoana ampiasainao amin-javatra hafa, mba hanananao fotoana betsaka kokoa iarahana amin’ny vadinao sy ny zanakao

  • Ho an’ny vehivavy: Ekeo ny fanampian’ny vadinao, raha te hanampy anao hikarakara an’ilay zaza izy. Aza kianina izy raha tsy mety tsara ny zavatra ataony. Atoroy amin-katsaram-panahy kosa izy

2 HAMAFISO NY FIFANDRAISANAREO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Ho nofo iray ihany izy ireo.” (Genesisy 2:24) Tadidio fa mbola “nofo iray” ihany ianareo mivady, na dia miampy iray aza ny mpianakavy. Ataovy izay rehetra azo atao mba hahatonga anareo roa hifandray tsara foana.

Ry vehivavy, ankasitraho ny fanampian’ny vadinao. Mety ‘hanasitrana’ ny teny fankasitrahana lazainao. (Ohabolana 12:18) Ry lehilahy, lazao amin’ny vadinao fa tena tianao sy sarobidy aminao izy. Derao izy noho ny fikarakarany ny fianakaviana.—Ohabolana 31:10, 28.

“Aoka ny tsirairay hitady mandrakariva, tsy izay hahasoa ny tenany, fa izay hahasoa ny hafa.” (1 Korintianina 10:24) Izay tena hahasoa ny vadinao foana atao. Manokàna fotoana mba hahafahanareo hifampiresaka sy hifampihaino, ary hifanao teny fiderana. Aza tia tena eo amin’ny resaka firaisana. Hevero izay ilain’ny vadinao. Hoy ny Baiboly: “Aoka tsy hisy aminareo tsy hanaiky hanao ny adidy amim-bady, raha tsy efa ifanarahanareo angaha.” (1 Korintianina 7:3-5) Mifampiresaha amim-pahatsorana momba ny firaisana àry. Hihamafy ny fifandraisanareo raha manam-paharetana ianareo ary samy miezaka hahatsapa an’izay mahazo ny iray.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Aza hadinoina ny manokana fotoana iarahanareo roa irery

  • Manaova zavatra tsotsotra mba hahatsapan’ny vadinao fa tianao izy, ohatra hoe mandefa SMS na manome zavatra kely

3 AMPIOFANO DIENY MBOLA KELY NY ZANAKAREO

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? “Mbola zazakely ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena.” (2 Timoty 3:15) Eritrereto mialoha izay hataonao mba hampianarana ny zanakao. Tena mora miana-javatra mantsy izy, na dia mbola any am-bohoka aza. Mahafantatra ny feonao izy ary misy vokany eo aminy ny fihetseham-ponao, na dia mbola tsy teraka aza izy. Amakio teny izy, na dia mbola zazakely aza. Marina fa mety tsy ho azony izay vakinao, nefa hanampy azy izany mba ho tia mamaky teny rehefa lehibe.

Aza mieritreritra hoe mbola kely loatra ilay zanakao ka tsy afaka mandre anao miresaka momba an’Andriamanitra. Ataovy henony ianao rehefa mivavaka. (Deoteronomia 11:19) Miresaha momba ny zavatra nataon’Andriamanitra, na dia rehefa miara-milalao aminy aza. (Salamo 78:3, 4) Ho tsapan’ny zanakao rehefa mihalehibe izy fa tia an’i Jehovah ianao, ka ho lasa tia azy koa izy.

INONA NO AZONAO ATAO?

  • Mangataha fahendrena amin’i Jehovah mba hahaizanao mitaiza ny zanakao

  • Mieritrereta teny tianao ho hain’ilay zaza, ary averimbereno aminy izany. Aloha be izy amin’izay dia efa miana-javatra