Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HO AN’NY FIANAKAVIANA | FITAIZANA

Ahoana no Iresahanao Momba ny Firaisana Amin’ny Zanakao?

Ahoana no Iresahanao Momba ny Firaisana Amin’ny Zanakao?

OLANA

Taona maro lasa izay, dia azo inoana fa ny ray aman-dreny no voalohany niresaka momba ny firaisana tamin’ny zanany lahy na vavy. Afaka nanazava izany tsikelikely izy ireo, arakaraka ny taonan’ny zanany sy ny zavatra nilainy.

Niova anefa izany. Milaza ny boky iray fa “mbola kely izao ny ankizy dia efa mahare resaka momba ny firaisana. Mihamaro koa ny resaka momba izany ao amin’ny fandaharana natao ho azy ireo.” Mahasoa ny ankizy ve izany, sa manimba azy?

TSARA HO FANTATRAO

Miely be ny resaka firaisana. Hoy i Deborah Roffman ao amin’ilay boky hoe Izaho Aloha Iresahana (anglisy): ‘Be dia be ny sary sy ny resaka momba ny firaisana, na mivantana izany na an-kolaka. Ahitana an’izany, ohatra, ny resadresaky ny olona, dokam-barotra, filma, boky, tononkira, tele, soratsoratra, lalao, takela-by lehibe, finday, ary ordinatera. Maro àry [ny tanora sy ny ankizy] mihevitra fa ny firaisana no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana.’

Manao ny ataony koa ny mpanao dokam-barotra. Ampirisihin’ny mpanao dokam-barotra sy ny mpivarotra ny ankizy mba hividy akanjo mampihanjahanja vatana. Mbola kely izy ireo dia efa alentika ao an-tsainy hoe ny bika aman’endrika no tena zava-dehibe. Hoy ny boky iray: “Fantatry ny mpanao dokam-barotra fa te hitovy amin’ny namany ny ankizy, ka izany no hararaotin’izy ireo. ... Te hampirisika ny ankizy hividy zava-baovao izy ireo fa tsy hoe te hampirisika azy hanao firaisana, matoa mampiseho an’ireny sarin’olona mampihanjahanja vatana ireny.”

Tsy ampy raha fahalalana fotsiny. Tsy mitovy ny hoe mahay momba ny fiara, sy ny hoe mitandrina tsara rehefa mitondra fiara. Toy izany koa fa tsy mitovy ny hoe mahay momba ny firaisana, sy ny hoe mampiasa an’izany fahalalana izany mba handraisana fanapahan-kevitra tsara.

Fehiny: Amin’izao indrindra ianao no tokony hampianatra ny zanakao ‘hahay hisaina’, mba hahaizany “hanavaka ny tsara sy ny ratsy.”—Hebreo 5:14.

INONA NO AZONAO ATAO?

Raiso ny andraikitrao. Adidinao ny miresaka momba ny firaisana amin’ny zanakao, na dia mety hahasanganehana anao aza izany.—Toro lalana: Ohabolana 22:6.

Manaova resaka fohy matetitetika. Aza manao kabary lava be indray mandeha tsy miverina. Miresaha aminy rehefa tafaraka iny ianareo, ohatra hoe rehefa ao anaty fiara, na miara-manao raharaha. Anontanio ny heviny. Tsy mety, ohatra, ny manao hoe: “Ianao ve tia dokam-barotra misy sarin’olona manao akanjo mampihanjahanja vatana?” Aleo manontany hoe: “Araka ny hevitrao, nahoana ny mpanao dokam-barotra no mampiseho sary hoatr’ireny?” Rehefa avy mamaly izy, dia anontanio hoe: “Ahoana ny hevitrao momba an’ireny?”—Toro lalana: Deoteronomia 6:6, 7.

Ampifanaraho amin’ny taonany ilay izy. Efa azo ampianarina ny ankizikely ny tena anaran’ny taovam-pananahana, na dia mbola tsy mankany an-tsekoly aza izy. Ampianaro hiaro tena amin’ny mpametaveta koa izy. Ary raha efa lehibebe izy? Resaho amin’ny ankapobeny hoe ahoana no iforonan’ny zaza ao an-kibo. Raha efa zatovo indray izy, dia tokony ho efa fantany hoe inona no ataon’ny olona rehefa manao firaisana ary iza ihany no tokony hanao an’izany.

Ampianaro hahay hitondra tena tsara izy. Ampianaro hanao ny marina sy tsy hivadika ary hanaja ny hafa ny ankizy, dieny mbola kely. Rehefa hiresaka momba ny firaisana ianao any aoriana any, dia ho afaka hanazava hoe ilaina koa ny maneho an’ireo toetra ireo. Ampahafantaro azy ny atao hoe fitondran-tena tsara. Raha hitanao, ohatra, hoe ratsy ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana, dia lazao aminy izany ary hazavao ny antony. Hoy ny boky Tsy Resa-be Fotsiny (anglisy): “Azo inoana kokoa hoe tsy hanao firaisana aloha be ny tanora, raha fantany fa tsy tian’ny ray aman-dreniny izany.”

Aoka ianao ho modely. Aza manao mpitari-bato vilam-bava. Mampihomehy anao ve, ohatra, ny vazivazy vetaveta? Tsy maotina ve ny akanjonao? Tia milalao fitia ve ianao? Raha izany no izy, dia mety hohamaivanin’ny zanakao izay zavatra tsara ampianarinao azy.—Toro lalana: Romanina 2:21.

Resaho ny lafy tsarany. Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny firaisana. Ahazoana fahafinaretana be izy io, saingy natao ho an’ny mpivady ihany. (Ohabolana 5:18, 19) Ilazao ny zanakao fa ho afaka hankafy an’izany izy rehefa manambady, ary tsy ho tratran’ny adin-tsaina sy ratram-po mpahazo ny tanora manao firaisana alohan’ny fanambadiana.—1 Timoty 1:18, 19.