Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

3 | Esory ao An-tsaina ny Fankahalana

3 | Esory ao An-tsaina ny Fankahalana

Fampianaran’ny Baiboly:

“Miovà ... ka havaozy ny sainareo mba hamantaranareo tsara ny sitrapon’Andriamanitra, izay tsara sy tena mety ary tonga lafatra.”​ROMANINA 12:2.

Inona no dikan’izany?

Zava-dehibe amin’Andriamanitra izay eritreretintsika. (Jeremia 17:10) Marina hoe tsy tokony ho hita amin’izay lazaintsika na ataontsika hoe mankahala olona isika. Tsy ampy anefa izany. Manomboka ao an-tsaina sy ao am-po mantsy ny fankahalana. Tsy maintsy esorintsika ao an-tsaintsika àry izay rehetra mety hahatonga antsika hankahala olona. Amin’izay ihany isika vao ‘hiova’ sy tsy hankahala olona intsony.

Inona no azonao atao?

Jereo amin’ny saina tsy miangatra ny fahitanao ny olona sasany sy izay tsapanao momba an-dry zareo, indrindra fa ny olona hafa firazanana na vahiny. Saintsaino izao: ‘Ahoana no fiheverako an’ireny olona ireny? Inona no mahatonga ahy hieritreritra hoatr’izany? Ny zavatra fantatro momba an-dry zareo ve, sa mitsaratsara fotsiny aho?’ Aza mijery tambazotran-tserasera na filma na fialam-boly mampiseho fankahalana sy herisetra.

Afaka manampy antsika hanala ny fankahalana ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny Baiboly

Afaka manampy antsika ‘hamantatra ny eritreritry ny fo sy ny fikasany’ ny Tenin’Andriamanitra. (Hebreo 4:12) Tsy mora foana mantsy izany. Mazotoa àry mandinika ny Baiboly. Jereo raha mitovy amin’izay ampianarin’izy io ny fomba fisainanao, ary miezaha mafy mba hanana fomba fisainana mampifaly an’Andriamanitra. Na dia hoatran’ny hoe “efa mafy orina” ao an-tsainao sy ao am-ponao aza ny fankahalana, dia afaka manampy anao hanala an’izany ny Tenin’Andriamanitra.​—2 Korintianina 10:4, 5.