Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona ny Fanjakan’​Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’​Andriamanitra?

Inona ny Fanjakan’Andriamanitra?

MISY MINO FA ao am-po ny Fanjakan’Andriamanitra. Ny hafa indray mihevitra hoe tonga izy io rehefa vitan’ny olona ny hampisy fiadanana sy fifankatiavana eran-tany. Ahoana ny hevitrao?

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

“Hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra ... Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo [fanjakan’olombelona] rehetra ireo.” (Daniela 2:44) Fitondram-panjakana tena misy àry ny Fanjakan’Andriamanitra.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Avy any an-danitra ny Fanjakan’Andriamanitra no hitondra.—Matio 10:7; Lioka 10:9.

  • Hampiasa azy io Andriamanitra mba hanatanterahana ny sitrapony any an-danitra sy etỳ an-tany.—Matio 6:10.

Rahoviana no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra?

AHOANA NY HEVITRAO?

  • Tsy misy mahalala

  • Tsy ho ela

  • Tsy ho tonga mihitsy

IZAY LAZAIN’NY BAIBOLY

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Handringana an’ity tontolo ratsy ity àry io Fanjakana io, rehefa vita maneran-tany ny fitoriana ny vaovao tsara.

INONA KOA NO LAZAIN’NY BAIBOLY?

  • Tsy misy olona mahay hoe rahoviana marina no ho tonga ny Fanjakan’Andriamanitra. —Matio 24:36.

  • Ho avy tsy ho ela izy io, araka ny faminanian’ny Baiboly.—Matio 24:3, 7, 12.