Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 83

“Isan-trano”

“Isan-trano”

(Asan’ny Apostoly 20:20)

  1. 1. Tetezo foana aloha ’reo trano,

    Ny marina torio.

    Tetezo indray ’reo tokantrano,

    ’Zay mihaino dia ampio.

    Nanendry antsika anie Kristy,

    Hanao ’zany asa izany.

    ’Lay Fanjakana mantsy izao,

    Torina eran-tany.

  2. 2. Ny fitoriantsika isan-trano,

    Mitondra famonjena,

    Ka hiantso an’i Jehovah ireo

    Tso-po manetry tena.

    Hataony ahoana ’nefa moa

    No hino izay tsy reny?

    Koa mandehana àry isan-trano,

    Tadiavo izy ireny.

  3. 3. Koa isan-trano no andehano,

    Torio ’lay Fanjakana.

    Na dia misy aza tsy mandray,

    Anehoy fanajana.

    Ny anaran’i Jehovah no

    Ampahafantaro hatrany.

    Raha toa mazoto foana ianao,

    Hahita ondry ihany.

(Jereo koa ny Asa. 2:21; Rom. 10:14.)