Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

HIRA 84

Vonona Aho!

Vonona Aho!

(Matio 9:37, 38)

  1. 1. Tian’i Jehovah ho faly ianao,

    Ka nomeny asa, nomeny hatao.

    Safidy maro, ’zay samy tsara.

    Mba tianao ve ny handray anjara?

    (FIVERENANA)

    Vonona aho! ’Ndeha hanao

    asa an-tsitrapo.

    Ka ’zay mba kely haiko, hampiasaiko,

    hataoko am’ny fo.

  2. 2. Raha mbola be ny faritany,

    Hanitatra aho, hanampy ny any.

    Raha mila ampiana ireo tra-boina,

    Handeha foana aho raha vao antsoina!

    (FIVERENANA)

    Vonona aho! ’Ndeha hanao

    asa an-tsitrapo.

    Ka ’zay mba kely haiko, hampiasaiko,

    hataoko am’ny fo.

  3. 3. Raha Efitrano no ilaina izao,

    Na koa fiteny iray vaovao,

    Hianaranay raha azo atao.

    Ka ny toe-tsaina dia: “Intỳ aho!”

    (FIVERENANA)

    Vonona aho! ’Ndeha hanao

    asa an-tsitrapo.

    Ka ’zay mba kely haiko, hampiasaiko,

    hataoko am’ny fo.