Hijery ny anatiny

Iza no Mankany An-danitra?

Iza no Mankany An-danitra?

Valiny ara-baiboly

 Andriamanitra no mifidy an’ireo Kristianina ho any an-danitra, ary voafetra ny isan’izy ireo. Mankany any an-danitra izy ireo rehefa maty. (1 Petera 1:3, 4) Tokony hanam-pinoana sy ho tsara fitondran-tena foana anefa izy ireo. Tsy hahafeno fepetra ho any an-danitra mantsy izy ireo raha tsy izany.—Efesianina 5:5; Filipianina 3:12-14.

Inona no hataon’izy ireo any an-danitra?

 Ho mpanjaka sy mpisorona hiaraka amin’i Jesosy mandritra ny 1000 taona izy ireo. (Apokalypsy 5:9, 10; 20:6) Io fitondrana vaovao any an-danitra na “lanitra vaovao” io no hifehy ny “tany vaovao” na olo-marina eto an-tany. Hampiany koa ny olombelona ho lasa lavorary amin’ny lafiny rehetra, araka ny nikasan’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany.—Isaia 65:17; 2 Petera 3:13.

Firy no hatsangana ho any an-danitra?

 Milaza ny Baiboly fa hisy 144000 ireo hatsangana ho any an-danitra. (Apokalypsy 7:4) Hitan’ny apostoly Jaona tao amin’ny fahitana “ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy.” (Apokalypsy 14:1-3) I Jesosy efa natsangana tamin’ny maty ilay “Zanak’ondry.” (Jaona 1:29; 1 Petera 1:19) Ilay “Tendrombohitra Ziona” kosa dia ny toerana ambony tanan’i Jesosy sy ny 144000 izay hiara-manjaka aminy any an-danitra.—Salamo 2:6; Hebreo 12:22.

 Antsoina hoe “ondry vitsy” ireo “voantso sy voafidy” mba hiara-manjaka amin’i Kristy ireo. (Apokalypsy 17:14; Lioka 12:32) Midika izany fa vitsy izy ireo raha oharina amin’ny ondrin’i Jesosy rehetra.—Jaona 10:16.

Hevi-diso momba an’ireo ho any an-danitra

 Hevi-diso: Mankany an-danitra daholo ny tsara fanahy rehetra.

 Ny tena marina: Mampanantena Andriamanitra fa hiaina mandrakizay eto an-tany ny ankamaroan’ny tsara fanahy.—Salamo 37:11, 29, 34.

  •   Hoy i Jesosy: “Tsy nisy niakatra tany an-danitra.” (Jaona 3:13) Te hilaza izy hoe tsy nankany an-danitra ny tsara fanahy maty talohany, anisan’izany i Abrahama, Mosesy, Joba ary Davida. (Asan’ny Apostoly 2:29, 34) Nanantena ny hatsangana ho eto an-tany kosa izy ireny.—Joba 14:13-15.

  •   Antsoina hoe “fitsanganana voalohany” ilay fitsanganan’ny olona ho any an-danitra. (Apokalypsy 20:6) Midika izany fa hisy fitsanganana hafa koa, dia ilay ho an’ny olona hiaina eto an-tany.

  •   Milaza ny Baiboly fa “tsy hisy fahafatesana intsony” rehefa mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. (Apokalypsy 21:3, 4) Tsy maintsy ho eto an-tany no ho tanteraka io faminaniana io, satria tsy misy fahafatesana mihitsy any an-danitra.

 Hevi-diso: Ny olona tsirairay no mifidy hoe ho any an-danitra izy sa ho eto an-tany.

 Ny tena marina: Andriamanitra no mifidy hoe iza amin’ny Kristianina tsy mivadika no mahazo “ny lokan’ny fiantsoana avy any ambony”, izany hoe afaka manantena ny ho any an-danitra. (Filipianina 3:14) Tsy miankina amin’ny fanirian’ny olona iray àry ny fifidianana azy.—Matio 20:20-23.

 Hevi-diso: Tsy mendrika ny ho any an-danitra ny olona iray matoa ampanantenaina hoe hiaina mandrakizay eto an-tany.

 Ny tena marina: Antsoin’Andriamanitra hoe “oloko” sy “olom-boafidiko” ary hoe “tahin’i Jehovah” ireo hiaina mandrakizay eto an-tany. (Isaia 65:21-23) Hahazo fitahiana tokoa izy ireo satria ho tanteraka aminy ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny voalohany ho an’ny olombelona, dia ny ho lavorary sy hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany.—Genesisy 1:28; Salamo 115:16; Isaia 45:18.

 Hevi-diso: Tsy ara-bakiteny ilay isa 144000 resahin’ny Apokalypsy.

 Ny tena marina: Marina fa misy isa tsy ara-bakiteny ao amin’ny Apokalypsy. Ara-bakiteny anefa, ohatra, ilay hoe “anarana roa ambin’ny folo, dia ny anaran’ny apostoly roa ambin’ny folon’ny Zanak’ondry.” (Apokalypsy 21:14) Azo atao koa ny milaza fa ara-bakiteny ilay 144000. Diniho izao:

 Resahin’ny Apokalypsy 7:4 fa “ny isan’ireo voaisy tombo-kase [na azo antoka fa ho any an-danitra], dia efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy.” Resahin’ny andininy eo aoriana kely anefa ny momba ny “vahoaka be tsy tambo isaina.” Hovonjen’Andriamanitra koa ireo anisan’io “vahoaka be” io. (Apokalypsy 7:9, 10) Raha tsy ara-bakiteny ilay 144000, fa ilazana olona be dia be fotsiny, dia tsy hita ny maha samy hafa azy amin’ilay hoe “vahoaka be.” a

 Voalaza koa hoe ‘novidina avy teo amin’ny olombelona ho voaloham-bokatra’ ireo 144000. (Apokalypsy 14:4) Santionany kely fotsiny ny hoe “voaloham-bokatra.” Mety tokoa izany mba hilazana an’ireo hiara-manjaka amin’i Kristy, satria vitsy kely izy ireo raha oharina amin’ny vahoaka tsy tambo isaina hoentiny eto an-tany.—Apokalypsy 5:10.

a Nilaza ny heviny momba ilay isa 144000 resahin’ny Apokalypsy 7:4 koa ny Profesora Robert Thomas. Hoy izy: ‘Isa voafaritra tsara izy io, tsy hoatran’ilay isa tsy voafaritra eo amin’ny 7:9. Raha tsy ara-bakiteny izy io, dia tsy hisy isa azo raisina ara-bakiteny ao amin’ilay boky.’—Apokalypsy 1:7: Fanazavana ny Apokalypsy (anglisy), pejy 474.