Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Fa Maninona Aho no Tsy mba Mana-namana?

Fa Maninona Aho no Tsy mba Mana-namana?

Nisy fety vao haingana, ary mijery ny sary tamin’ilay izy ianao. Hitanao ao daholo ny namanao, sady falifaly erỳ. Misy olona tsy hitanao ao anefa. Iza izany? Ianao!

Mieritreritra ianao hoe: ‘Nahoana aho no tsy mba nasain-dry zareo?’

Gaga ianao, ary malahelo be avy eo satria tsapanao fa tsy miraharaha anao akory ny namanao. Mba nihevitra ianao hoe nana-namana ihany, kanjo hoatran’ny rava tao anatin’ny indray mipi-maso izany. Mahatsiaro ho manirery ianao, ka lasa saina hoe: ‘Fa maninona aho no tsy mba mana-namana?’

 Ahoana ny hevitrao?

 Marina sa diso ireto?

  1.   Tsy ho manirery mihitsy ianao, raha betsaka ny namanao.

  2.   Tsy ho manirery mihitsy ianao, raha miditra amin’ny tranonkala fifaneraserana.

  3.   Tsy ho manirery mihitsy ianao, raha afaka mandefa SMS foana.

  4.   Tsy ho manirery mihitsy ianao, raha mazoto manampy olona.

 Valin’izy rehetra: Diso.

 Nahoana?

 Ny tena zava-misy

  •   Mety mbola hahatsapa ho manirery ianao, na betsaka aza ny namanao.

     “Izaho tsy mba manadino ny namako izany mihitsy, nefa ry zareo hoatran’ny tsy mivaky loha amiko. Vao mainka ianao mahatsiaro ho manirery raha ohatra ka tsy miraharaha anao ny olona mba noeritreretinao hoe namana.”—Anne.

  •   Mety mbola hahatsapa ho manirery ianao, na dia miditra amin’ny tranonkala fifaneraserana aza.

     “Toy ny manangona saribakoly fotsiny ny olona manao izay hahazoana namana be dia be ao amin’ny Internet. Tsy afaka mitia anao anefa ny saribakoly, na dia mameno trano aza. Tsy hisy dikany hoatr’izany koa ny namana ao amin’ny Internet, raha tsy samy miezaka ho tena mpinamana ianareo.”—Elaine.

  •   Mety mbola hahatsapa ho manirery ianao, na dia afaka mandefa SMS foana aza.

     “Rehefa manirery ianao, dia mijery telefaonina foana, sao mba nisy nandefa SMS ho anao. Vao mainka anefa ianao kivy, rehefa tsy nisy nandefa na iray aza.”—Serena.

  •   Mety mbola hahatsapa ho manirery ianao, na dia mazoto manampy olona aza.

     “Nanao zavatra ho an’ny namako foana aho, nefa ry zareo tsy mba nanao n’inona n’inona ho an’ahy. Tsy nanenenako aloha ny zavatra nataoko, saingy sosotra kely ihany aho mieritreritra an’izany.”—Richard.

 Tadidio àry hoe: Ny toe-tsainao ihany no mahatonga anao hahatsiaro ho manirery, na tsia. Hoy i Jeanette: “Tsy miankina amin’olona na zavatra hafa ilay izy, fa aminao ihany.”

 Ahoana àry no hataonao, raha manirery sy tsy mana-namana ianao?

 Inona no azonao atao?

Aza mieritreritra hoe tsy misy dikany ianao.

 “Lasa manirery ianao, raha mihevitra fa tsisy dikany. Tsy ho mora aminao ny hifandray amin’olona, raha mieritreritra ianao hoe: ‘Inona koa izay izaho? Iza no mba hinamana amiko?’”—Jeanette.

 Hoy ny Baiboly: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Galatianina 5:14) Raha te hinamana tsara amin’olona ianao, dia ataovy an-tsaina hoe mba misy dikany ihany ianao. Tandremo anefa sao lasa manambony tena.—Galatianina 6:3, 4.

Aza mitsetra tena.

 “Toy ny tafalatsaka ao anaty honahona ianao rehefa manirery. Hilentika ianao raha tsy manao izay ivoahana avy tao. Amboary àry ny sainao. Tsy misy te hiaraka amin’olona mitsetra tena foana tsinona. Raha tsy manao an’izay ianao dia vao mainka ho manirery eo foana.”—Erin.

 Hoy ny Baiboly: ‘Ny fitiavana tsy mitady izay hahasoa ny tenany.’ (1 Korintianina 13:4, 5) Raha ny tenantsika ihany no eritreretintsika dia lasa tsy miraharaha ny hafa isika, ka tsy hisy te hinamana amintsika. (2 Korintianina 12:15) Tsy hahazo namana ianao, raha miandry ny hafa hanao zavatra. Mety hiteny ianao hoe: “Tsy mba misy miantso an’ahy mihitsy!”, na hoe: “Tsy mba misy manasa an’ahy mihitsy!” Hiandry ny hafa ve izany ianao vao mba ho falifaly? Dia ny olona ve no avelanao hibaiko ny fiainanao?

Mahaiza mifidy na dia te hana-namana aza.

 “Faly ny olona manirery rehefa misy miahy an’azy. Tonga dia ataony namana àry izay mba manao an’izany aminy. Misy anefa te hanararaotra fotsiny, dia mody miahy anao. Vao mainka ianao ho manirery raha sendra olona hoatr’izany.”—Brianne.

 Hoy ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” (Ohabolana 13:20) Rehefa noana ny olona iray, dia mety hihinana izay rehetra hitany. Rehefa maniry mafy hahazo namana koa ianao, dia mety hataonao namana daholo izay olona hitanao. Mety hararaotin’ny olona anefa ianao, dia hanaiky fotsiny koa satria mieritreritra hoe izany mihitsy no ataon’ny namana.

 Famintinana: Samy mba manirery isika indraindray. Misy fotsiny mety mora mahatsiaro manirery kokoa. Marina fa mety halahelo be ianao kanefa fihetseham-po fotsiny ilay izy, noho izany azonao amboarina. Ny saina ihany koa no mibaiko ny fihetseham-po. Zavatra tsara àry atao ao an-tsaina, fa tsy zavatra mahakivy.

 Ankoatra izany, dia aza manantena be loatra. Hoy i Jeanette, voaresaka terỳ aloha: “Tsy ny olon-drehetra no hinamana be aminao foana. Tokony ho efa faly ianao rehefa mba misy miahy anao. Izay dia ampy. Tsy ho manirery ianao raha mieritreritra an’izany.”

 Hevitra hafa mety hanampy: Vakio ilay hoe “ Aza Matahotra Hinamana Amin’olona.” Azo alaina koa ity PDF ity: “Inona no Azo Atao Raha Manirery?