Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Hevitra fa Tsy Mahita Hatao Aho?

Inona no Hevitra fa Tsy Mahita Hatao Aho?

 Efa tratran’izao ve ianao: Avy ny orana, dia tavela ao an-trano ianao sady tsy mahita hatao? Betsaka no tsy mahazaka an’izany. Hoy ny tanora iray atao hoe Robert: “Eo ianao dia mipetra-potsiny eo rehefa tratran’izany. Tsy hitanao izay hatao.”

 Tsy mahita hatao koa ve ianao indraindray? Afaka manampy anao ity lahatsoratra ity raha izany.

 Tsara ho fantatrao

  •   Tsy tena manampy ny fitaovana elektronika.

     Tsy misy atao ny olona sasany dia aleony mijery Internet. Tsy tena mampiasa saina anefa ianao rehefa mijery Internet, ka vao mainka ho leo. Hoy i Jeremy, 21 taona: “Variana mijery an’izay zavatra mipoitra eo fotsiny ianao, fa tsy mampiasa saina akory.”

     Izany koa no tsapan’i Elena, 23 taona. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe mba varimbariana kely ianao rehefa mijery Internet. Tsy maintsy miatrika ny zava-misy ihany anefa ianao rehefa miala eo, dia vao mainka sorena.”

  •   Miankina amin’ny toe-tsaina ilay izy.

     Mety ho leo ihany ianao na be atao aza, raha tsy tianao ilay zavatra ataonao. Izao no nolazain’i Karen: “Nankaleo be an’ahy ny tany am-pianarana, na dia nisy zavatra natao foana aza izahay maraina mandra-paharivan’ny andro. Hitako hoe mila tianao mihitsy aloha ny zavatra iray, izay ianao vao tsy ho leo manao an’ilay izy.”

 Fantatrao ve? Tsy voatery ho ratsy foana ny hoe “tsy misy hatao.” Amin’izay mihitsy mantsy ianao no afaka mikaroka zavatra hatao.

Amin’ilay “tsy misy hatao” iny mihitsy no afaka mitsiry ny hevitra. Mila tia karokaroka fotsiny ianao

 Inona no azonao atao?

 Manandrama zavatra vaovao. Miezaha, ohatra, hianatra zavatra mbola tsy hainao. Mitadiava koa namana vaovao, na manandrama fialam-boly mbola tsy nataonao mihitsy. Raha tia zavatra isan-karazany ny olona iray, dia hahita zavatra hatao foana izy na dia rehefa irery aza. Tsy hankaleo ny hafa koa ny miaraka aminy.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao manontolo.”—Mpitoriteny 9:10.

 “Nanomboka nianatra teny sinoa aho vao haingana, dia miezaka mampiasa an’ilay fiteny foana isan’andro. Hitako hoe zavatra hoatran’izany mihitsy no tsy ampy amiko. Tiako rehefa misy zavatra atao foana aho fa tsy mipetra-potsiny. Mba mampiasa saina aho amin’izay sady tsy lanilany fotsiny ny fotoanako.”—Melinda.

 Manàna tanjona rehefa manao zavatra. Vao mainka ho tianao ny manao an’ilay izy amin’izay. Na ny manao devoara aza tsy hankaleo be, raha mazava tsara ao an-tsainao ny antony anaovanao an’ilay izy.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny ... mifaly noho ny asa mafy ataony.”—Mpitoriteny 2:24.

 “Nianatra adiny valo isan’andro aho rehefa hifarana ny taom-pianarana, satria tsy maintsy nanenjika. Tsy nankaleo an’ahy aloha ilay izy e! Notadidiko foana mantsy hoe tsy hahazo diplaoma aho raha tsy miezaka.”—Hannah.

 Tadidio hoe misy zavatra tsy azonao ovana. Na tianao be aza ny zavatra iray, dia mety hisy zavatra hankaleo ihany amin’ilay izy. Na ny namanao akaiky koa aza mety tsy ho afaka tampoka amin’ny fotoananareo, dia lasa tsy misy atao indray ianao. Aza kivy raha sendra zavatra tsy azonao ovana hoatr’izany. Miezaha hijery lafy tsaran-javatra foana.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Ny olona manana fo falifaly ... toa manao fety foana.”—Ohabolana 15:15.

 “Nisy namako iray niteny tamiko hoe tsy voatery ho leo be ianao rehefa irery, fa azo atao tsara ny mifalifaly. Tena ilaina, hozy izy, ny mahay mandanjalanja hoe rahoviana no hiaraka amin’ny hafa, dia rahoviana no hijanona ho irery. Niteny izy hoe tokony hahay an’izany daholo n’iza n’iza.”—Ivy.