Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA HOE

Ahoana Raha Resaka Firaisana no Anontanian’ny Ankizy An’ahy?

Ahoana Raha Resaka Firaisana no Anontanian’ny Ankizy An’ahy?

“Inona a? Ianao ve mbola virjiny?”

Tianao ve ny hatoky tena tsara rehefa misy manontany anao an’izany? Natao ho anao ity lahatsoratra ity!

 Inona no atao hoe virjiny?

 Olona mbola tsy nanao firaisana mihitsy no atao hoe virjiny.

 Tsy izay ihany anefa. Misy mantsy milaza hoe mbola virjiny, nefa raha ny marina ny vatany fotsiny no virjiny fa ny fitondran-tenany tsy izany, satria efa be dia be ny zavatra vitany.

 Misy, ohatra, manao firaisana amin’ny vava, amin’ny lava-pitombenana, na koa mikasikasika na milalao taovam-pananahan’olon-kafa.

 Tadidio àry hoe: Tsy virjiny intsony ny olona iray raha efa nanao firaisana, anisan’izany ny firaisana amin’ny vava, na lava-pitombenana, na nikasikasika sy nilalao taovam-pananahan’olon-kafa.

 Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisana?

 Milaza ny Baiboly fa ny lehilahy sy vehivavy efa mpivady ihany no tokony hanao firaisana. (Ohabolana 5:18) Raha te hampifaly an’Andriamanitra àry ny tanora, dia tsy tokony hanao firaisana, na inona izany na inona, ary tsy tokony hikasikasika na hilalao taovam-pananahan’olon-kafa.—1 Tesalonianina 4:3-5.

 Misy milaza fa efa lany andro ny Baiboly, ka tsy azo ampiharina amin’izao intsony satria efa mandroso be ny tontolo misy antsika. Tadidio anefa fa be dia be izao no misara-panambadiana, bevohoka tsy manambady, ary voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana. Tsy ity tontolo ity mihitsy àry no tokony hanoro hevitra antsika momba ny fitondran-tena.—1 Jaona 2:15-17.

 Mitombina tsara mihitsy ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. Eritrereto, ohatra, hoe nisy olona nanome anao vola 1 000 000 ariary. Ianao ve dia hanaparitaka an’ilay vola avy eny am-baravarankely, mba hotsimponin’izay rehetra mandalo?

 Hoatr’izany koa ny resaka firaisana, ka mahaiza manapa-kevitra. Hoy i Sierra, 14 taona: “Ny vatako indray dia tsy havelako hosimban’ny ankizilahy manadaladala ahy fotsiny. Na ny anarany aza mety tsy ho tadidiko akory any aoriana any.” Hoy koa i Tammy, 17 taona: “Tsy izao olona rehetra izao akory dia hanaovana firaisana daholo. Sarobidy ny vatanao ka tsy tokony homena olona fotsiny.”

 Tadidio àry hoe: Milaza ny Baiboly fa tokony ho virjiny sy tsara fitondran-tena foana ny tanora mbola tsy manambady.—1 Korintianina 6:18; 7:8, 9.

 Ahoana ny hevitrao?

  •   Aminao ve mitombina ihany ny fitsipiky ny Baiboly, sa hentitra loatra?

  •   Aminao ve tsy maninona raha manao firaisana ny olona roa tsy mpivady, raha tena mifankatia?

 Tanora maro no nandinika tsara ka nahita hoe aleo tsara fitondran-tena fa tsy manao firaisana raha tsy efa manambady. Tsy nanenina anefa izy ireo sady tsy nahatsiaro hoe matiantoka. Izao ny tenin’ny sasany amin’izy ireo:

  •  “Izaho aloha faly hoe mbola virjiny e! Sady tsy mijaly aho, no tsy miasa saina be, no tsy marary fo hoatran’ny ankizy manao firaisana alohan’ny fanambadiana.”—Emily.

  •  “Misy ankizy manao firaisana amin’ny sipany, nefa avy eo misaraka, dia hoatr’izany foana. Soa ihany aho fa tsy manao an’izany. Sady izao aho tsy matahotra ho voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana.”—Elaine.

  •  “Be dia be ny ankizivavy mitovy taona amiko, na mbola zokiko, miteny hoe tahaka izay izy tsy maika hanao firaisana fa niandry aloha. Izaho tsy te hanenina hoatran’izany.”—Vera.

  •  “Betsaka ny olona nanenina satria tsy virjiny intsony, na koa niaraka tamin’olona be dia be. Ary na ela be atỳ aoriana aza mbola tsy sitrana ny ratram-pony. Tsy tiako raha izany no iainako.”—Deanne.

 Tadidio àry hoe: Tokony hazava tsara ao an-tsainao aloha izay hevitrao momba ny firaisana, dieny mbola tsy misy fakam-panahy na misy ankizy manery anao hanao an’izany.—Jakoba 1:14, 15.

 Ahoana no havalinao rehefa misy manontany?

 Inona no holazainao raha misy miteny hoe nahoana ianao no mbola virjiny? Miankina amin’izay zava-misy eo izany.

 “Izaho tsy mijanona miaritra eo fotsiny rehefa misy mananihany, fa lasa aho sady miteny hoe ‘tsisy idiranao izany.’”—Corinne.

 “Misy ankizy faly ny hampijaly anao fotsiny, dia mananihany foana. Ny ahy tsy valiako rehefa hoatr’izany.”—David.

 Fantatrao ve? Indraindray tsy namaly fotsiny i Jesosy rehefa nisy naneso.—Matio 26:62, 63.

 Ahoana anefa raha mba tena te hahafantatra ny marina ilay ankizy, fa tsy hoe mananihany anao? Raha mino ny Baiboly izy, dia azonao resahina ny 1 Korintianina 6:18. Voalaza ao fa ny olona manao firaisana nefa mbola tsy mpivady, dia manota amin’ny vatany, izany hoe manimba tena.

 Na hanokatra Baiboly anefa ianao na tsia, dia mila matoky tena tsara rehefa miresaka. Safidy tsara mantsy ny nataonao hoe hadio fitondran-tena, ka tsy misy tokony hahamenatra anao mihitsy amin’izany.—1 Petera 3:16.

 “Tokony hatoky tena ianao rehefa manazava ny hevitrao, amin’izay hita hoe tsy misalasala. Ianao tsinona tsy hoe ampirisihin’ny olona fotsiny, fa tena resy lahatra mihitsy hoe izay no tsara.”​—Jill.

 Tadidio àry hoe: Hahay hanazava ny hevitrao ianao raha matoky fa tsy misy tsara hoatran’ny hoe madio fitondran-tena. Angamba aza hanaiky ny hevitrao ny olona. Hoy i Melinda, 21 taona: “Tsy nihevitra an’ahy hoe olona hafahafa ny mpiara-miasa tamiko. Nidera ahy aza ry zareo satria mbola virjiny aho. Tsara fitondran-tena sy mahafehy tena, hono, aho.”

 Mba andramo ity! Raha mbola tsy tena resy lahatra ianao hoe tsara ho an’ny tanora ny mijanona ho virjiny, dia adikao ilay fampiasana hoe “Hainao ve ny Manazava ny Hevitrao Momba ny Firaisana?” Jereo koa ilay boky hoe Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa.

 “Tiako ny boky ‘Manontany ny Tanora’ satria tena mampisaintsaina. Ao amin’ny Boky 1, pejy 187, ohatra, misy hoe: Lasa toy ny hoe firavaka lafo vidy nefa omena fotsiny ianao, raha manaiky hasain’ny ankizy hanao firaisana aminy. Ao amin’ny pejy 177 koa misy hoe: Tsy asianao vidiny ny vatanao raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao. Toy ny sary hoso-doko lafo vidy ilay izy, nefa amafanao tongotra. Fa ilay sary ao amin’ny Boky 2, pejy 54, no tena tiako. Izao no voasoratra ao: ‘Raha manao firaisana alohan’ny fanambadiana ianao, dia toy ny hoe manokatra fanomezana mbola tsy nomena anao akory.’ Hoatran’ny hoe nangalarinao ny zavatra tokony ho an’ilay ho vadinao.”​—Victoria.