Asan’ny Apostoly 8:1-40

  • Saoly mpanenjika (1-3)

  • Nisy vokany be ny fitorian’i Filipo tany Samaria (4-13)

  • Petera sy Jaona nirahina ho any Samaria (14-17)

  • Nitady hividy fanahy masina i Simona (18-25)

  • Ilay tandapa etiopianina (26-40)

8  Ary nankasitraka ny namonoana an’i Stefana i Saoly.+ Tamin’izany andro izany, dia nenjehina mafy ny fiangonana tany Jerosalema, ka niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria izy rehetra,+ afa-tsy ny apostoly.  Nisy lehilahy natahotra an’Andriamanitra anefa nitondra an’i Stefana ka nandevina azy. Ary nitomany be izy ireo fa nalahelo azy.  I Saoly kosa nandravarava ny fiangonana. Nasesiny ny tranon’ireo mpino ka nidirany an-keriny, dia notaritaritiny hivoaka izy ireo na lahy na vavy, ary nataony am-ponja.+  Fa izay niparitaka kosa dia namakivaky an’ilay faritra, ka nitory ny vaovao tsaran’ny tenin’Andriamanitra.+  Dia nidina tany amin’ny tanànan’i* Samaria+ i Filipo, ka nitory momba an’i Kristy tany.  Nihaino tsara an’izay nolazain’i Filipo daholo ny vahoaka, ka sady nihaino azy izy ireo no nijery ny famantarana nataony.  Maro tamin’izy ireo mantsy no nisy fanahy maloto, ary niantsoantso mafy ireny fanahy ireny rehefa nivoaka tamin’izy ireo.+ Betsaka koa ny malemy sy ny kilemaina sitrana.  Faly be àry ny olona tao amin’io tanàna io.  Ary nisy lehilahy atao hoe Simona tao amin’ilay tanàna. Mpampiasa herin’ny maizina* izy, ka nampiaiky ny mponina tao Samaria sady nidera tena hoe tsy misy hoatr’azy. 10  Nihaino tsara azy izy rehetra, hatramin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Nilaza àry izy ireo hoe: “Io lehilahy io no Herin’Andriamanitra, dia ilay antsoina hoe Hery Lehibe.” 11  Koa nihaino tsara azy izy ireo, satria efa ela no nampiaiky azy ireo ny fahaizany nampiasa herin’ny maizina.* 12  Nino an’i Filipo anefa izy ireo, tamin’izy nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra+ sy momba ny anaran’i Jesosy Kristy. Dia natao batisa+ izy ireo, na lahy na vavy. 13  I Simona koa aza nino ka natao batisa, ary niaraka tamin’i Filipo+ foana izy taorian’izay. Dia gaga izy nahita ny famantarana sy ny fahagagana lehibe nitranga. 14  Henon’ny apostoly tany Jerosalema fa nanaiky ny tenin’Andriamanitra ny tany Samaria,+ ka nirahiny hankany i Petera sy Jaona. 15  Dia nidina tany izy roa lahy ka nivavaka ho azy ireo mba hahazoany ny fanahy masina.+ 16  Mbola tsy nisy nilatsahan’ny fanahy mantsy izy ireo, fa natao batisa tamin’ny anaran’i Jesosy Tompo+ fotsiny. 17  Dia nametra-tanana+ tamin’ireo izy roa lahy, ka nahazo ny fanahy masina izy ireo. 18  Rehefa hitan’i Simona fa nahazo fanahy masina izay nametrahan’ny apostoly tanana, dia notolorany vola izy roa lahy, 19  sady hoy izy: “Mba omeo an’izany fahefana izany koa aho. Amin’izay dia hahazo fanahy masina izay hametrahako tanana.” 20  Hoy anefa i Petera: “Ho ripaka miaraka aminao anie ny volafotsinao! Heverinao fa azo vidim-bola angaha ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra?+ 21  Tsy manana anjara amin’izany mihitsy ianao, satria tsy tsotra eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao. 22  Koa mibebaha ka mialà amin’izao faharatsianao izao, dia mitalahoa amin’i Jehovah* sao mba hamela ny helokao izy noho ny fikasan-dratsy tao am-ponao. 23  Hitako mantsy fa hoatran’ny poizina mangidy* ianao ary andevon’ny tsy fahamarinana.” 24  Dia namaly azy ireo i Simona hoe: “Mba mitalahoa amin’i Jehovah,* mba tsy hisy hanjo ahy izany voalazanareo izany.” 25  Rehefa avy namita tsara ny fitoriany i Petera sy Jaona, sady nilaza ny tenin’i Jehovah,* dia niverina nankany Jerosalema. Nitory ny vaovao tsara izy roa lahy rehefa nandalo teny amin’ny tanàna kely maro nisy Samaritanina.+ 26  Ary nisy anjelin’i Jehovah*+ niteny tamin’i Filipo hoe: “Mitsangàna, dia mandehana mianatsimo any amin’ilay lalana midina avy any Jerosalema mankany Gaza.”—Lalana any an-tany efitra izany.— 27  Dia nitsangana i Filipo ka lasa ary nahita tandapa* etiopianina. Manam-pahefana teo ambany fifehezan’i Kandasy mpanjakavavin’ny Etiopianina izy io, ary niandraikitra ny harenany rehetra. Nankany Jerosalema izy mba hivavaka,+ 28  ary teny an-dalana hody izy tamin’izay. Nipetraka tao amin’ny kalesiny izy sady namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany. 29  Niteny tamin’i Filipo àry ny fanahy hoe: “Mandehana manatona an’iny kalesy iny!” 30  Dia nihazakazaka teo akaikin’ilay kalesy i Filipo ka naheno azy namaky mafy ny bokin’i Isaia mpaminany. Ary hoy izy: “Azonao* tsara ve izay vakinao?” 31  Dia hoy izy: “Ahoana moa no hahazoako azy raha tsy misy manoro ahy?” Koa nangataka an’i Filipo izy mba hiakatra dia hipetraka teo akaikiny. 32  Ary izao ilay andinin-tenin’ny Soratra Masina novakiny: “Hoatran’ny ondry nentina hovonoina izy, ary hoatran’ny zanak’ondry mangina eo anatrehan’ny mpanety azy, ka tsy miteny mihitsy.+ 33  Tsy mba nomena rariny izy+ nandritra ny fotoana nanalana baraka azy. Ary iza no hilaza ny tsipiriany momba ny taranaka nipoirany? Fa ny ainy aza nesorina tsy ho amin’ny tany.”+ 34  Dia hoy ilay tandapa tamin’i Filipo: “Hono ho’aho, iza no tian’ilay mpaminany horesahina amin’izany? Izy ihany ve sa olon-kafa?” 35  Ary niteny indray i Filipo, ka nitory taminy ny vaovao tsara momba an’i Jesosy, ary izany andinin-teny izany no nanombohany azy. 36  Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga teo amin’ny toerana nisy rano, ka hoy ilay tandapa: “Io misy rano, ka inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” 37  *—— 38  Dia nasainy najanona ilay kalesy. Ary nidina tao anaty rano i Filipo sy ilay tandapa, ka nataon’i Filipo batisa izy. 39  Rehefa niakatra avy tao anaty rano izy roa lahy, dia nentin’ny fanahin’i Jehovah* niala teo haingana i Filipo, ka tsy hitan’ilay tandapa intsony. Dia nanohy ny diany ilay tandapa sady faly. 40  I Filipo kosa tonga tany Asdoda, ary namakivaky an’ilay faritra. Tsy nitsahatra nitory ny vaovao tsara tany amin’ny tanàna rehetra izy, mandra-pahatongany tany Kaisaria.+

Fanamarihana

Na mety hoe “tanàna iray tany.”
Na: “Mpilalao ody.”
Na: “nilalao ody.”
Jereo F.F. A5.
Abt: “ranonafero.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Abt: “ionòka (eonòka).” Jereo F.T.
Na: “Hainao.”
Jereo F.F. A3.
Jereo F.F. A5.