Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Ankoatra ny divay, inona no karazan-toaka nisy tamin’ny andron’ny Baiboly?

Matetika no miara-tononina ny “divay” sy “toaka” ao amin’ny Baiboly. (Deoteronomia 14:26; Lioka 1:15) Tsy zava-pisotro avy amin-javatra notanehina no tian’ny Baiboly holazaina amin’ny hoe “toaka”, satria taonjato maro tatỳ aoriana vao nisy nitanika ranon-javatra mba hahazoana toaka. Tsy voaloboka na antrendry na aviavy na paoma na ampongabendanitra ihany no nahazoana toaka, fa tantely koa.

Azo iantsoana ny labiera koa ilay teny hoe “toaka.” Ilay teny hebreo nadika hoe “toaka” dia mifandray amin’ny teny akadianina izay mety hanondro labiera vita amin’ny orza ary fahita tany Mezopotamia. Tsy dia mahery izy io, nefa mahamamo raha be loatra. (Ohabolana 20:1) Nahitana sarin’olona manao labiera sy vongan-tanimanga mampiseho toerana fanamboarana labiera, tany amin’ireo fasana fahiny tany Ejipta. Fisotron’ny olona tany Babylona koa ny labiera, na ireo tany an-dapa na ireo mahantra. Tia labiera koa ny Filistinina. Nisy jaogy misy fanatantavanana hitan’ny arkeology, tany Palestina. Notantavanina tamin’ireny jaogy ireny ny labiera, mba tsy hitelina akofa ny mpisotro azy.

Tamin’ny andron’ny apostoly Paoly, nahoana no nampidi-doza indraindray ny nandeha sambo?

Ela be teny an-dranomasina ilay sambo nandehanan’ny apostoly Paoly niankandrefana nanaraka ny morontsirak’i Azia Minora, satria nisy rivo-mahery. Rehefa teo amin’ny toerana iray izy ireo, dia lazain’ny Baiboly fa “nampidi-doza ny nandeha sambo, satria na ny fifadian-kanina amin’ny andro fandrakofam-pahotana aza efa lasa.” Nilaza tamin’ireo niray dia taminy i Paoly fa mety hamoy ny “entana sy ny sambo” ary ‘ny ainy’ izy ireo, raha mbola mitady hanohy ny diany.—Asan’ny Apostoly 27:4-10.

Tamin’ny faramparan’ny Septambra na ny fiandohan’ny Oktobra ny fifadian-kanina amin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Fantatr’ireo tantsambo romanina fa tsy dia mampidi-doza ny dia, eo anelanelan’ny 27 Mey sy ny 14 Septambra. Tsy azo antoka kosa izany eo anelanelan’ny 14 Septambra sy ny 11 Novambra. Tsy nahazo nivezivezy intsony ny sambo ny 11 Novambra ka hatramin’ny 10 Martsa. Anisan’ny nahatonga izany ny fiovaovan’ny toetrandro, araka ny asehon’izay nitranga tamin’i Paoly. (Asan’ny Apostoly 27:13-44) Sahy nisetra ny rivo-doza nety ho avy sy ny olana nety ho nitranga ireo tantsambo. Nisy rahona foana ka tsy tazana mihitsy ny masoandro sy ny kintana, na andro na alina. Tsy hita koa ny lalana noho ny zavona sy ny orana, ka tsy tazana intsony izay nety ho nampidi-doza.

[Sary, pejy 23]

Fitoeran-dabiera ejipsianina vita amin’ny hazo

[Sary nahazoan-dalana]

Erich Lessing/Art Resource, NY

[Sary, pejy 23]

Sambo romanina tamin’ny taona 100-200 tany ho any

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.