Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Nazoto Nikarakara Tokantrano’

‘Nazoto Nikarakara Tokantrano’

Ny Fiainan’ny Kristianina Voalohany

‘Nazoto Nikarakara Tokantrano’

“Ary raha nandeha izy ireo, dia niditra tao amin’ny tanàna kely anankiray i Jesosy. Dia nisy vehivavy atao hoe Marta nampiantrano azy. Ary izy nanana rahavavy atao hoe Maria, izay nipetraka teo an-tongotry ny Tompo ka naharitra nihaino ny teniny. Fa tsy nifantoka kosa ny sain’i Marta, satria nanao raharaha betsaka izy. Ary nanatona izy, ka nanao hoe: ‘Tompo ô, tsy mampaninona anao ve ny hamelan’ny rahavaviko ahy hanao raharaha irery toy izao? Koa mba asaivo manampy ahy izy.’ Fa hoy ny navalin’ny Tompo azy: ‘Marta a! Marta a! Maro ahina sy sahiran-tsaina amin-javatra maro ianao. Zavatra vitsivitsy ihany anefa no ilaina, eny, iray monja aza. Fa i Maria kosa nifidy ny tsara kokoa, ka tsy halaina aminy izany.’ ”—LIOKA 10:38-42.

NAZOTO niasa i Marta, ka azo antoka fa nohajain’ny olona. Noheverina ho tsy nisy nilana azy mantsy izay vehivavy tsy nazoto nanao raharaha na tsy nikarakara tsara ny ankohonany, araka ny lovantsofina jiosy.

Nampirisihina “hazoto hikarakara tokantrano” koa ny vehivavy kristianina. (Titosy 2:5) Tsy vitan’izay fa nila nitory ny zavatra ninoany izy. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 2:18) Inona avy ireo “raharaha” tsy maintsy nataon’ny vehivavy jiosy? Ary inona no ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy tamin’i Maria?

“Nanao raharaha betsaka” Vao mangiran-dratsy dia efa mifoha ny vehivavy jiosy. (Ohabolana 31:15) Mahandro koba izy mba hatao sakafo maraina. Ateriny mianatra any amin’ny synagoga ireo zanany lahy avy eo. Ny ankizivavy kosa mijanona ao an-trano, mba hampianarina hikarakara tokantrano.

Ny raharaha mahazatra aloha no ataon’ilay reny sy ny zanany vavy. Ohatra hoe manisy menaka ao anaty jiro (1), mamafa trano (2), ary mitery rononon’osy (3). Manao mofo izy ireo avy eo. Sivanin’ilay ankizivavy ny voa hanaovana ilay mofo (4), ary totoiny mba hahazoana koba (5). Asian’ilay reny lalivay sy rano ilay koba, ary volavolainy (6). Avelany hitombo ilay izy avy eo, ary manao raharaha hafa izy. Ilay ankizivavy kosa manao fromazy amin’ilay rononon’osy (7).

Mandeha miantsena izy ireo aorian’izay. Mamerovero eran’ny tsena ny zavamanitra fanao amin’ny sakafo. Mankarenin-tsofina ny feon’ireo biby amidy sy ny feon’ny mpiantsena miady varotra. Mividy ny zavatra ilainy amin’iny andro iny izy mianaka, ohatra hoe legioma sy trondro maina (8). Raha Kristianina ilay vehivavy, dia mety hanararaotra hitory eny an-tsena.—Asan’ny Apostoly 17:17.

Tsy hadinony koa ny adidiny amin-janany. Mety hanararaotra hampianatra azy ny fitsipik’Andriamanitra izy eny an-dalana. (Deoteronomia 6:6, 7) Mety hampianariny hitsitsy vola koa ny zanany.—Ohabolana 31:14, 18.

Nantsaka isan’andro ny vehivavy jiosy (9). Angamba izy miresadresaka amin’ny vehivavy hafa sady mameno ny sininy. Rehefa avy any izy vao mahandro mofo. Ataony boribory fisaka ilay izy, ary atsofony ao anaty lafaoro (10), izay mazàna eny an-tokotany. Manomboka ren’izy mianaka ny fofon’ilay mofo. Sady miresadresaka izy ireo no mitazana sao efa masaka ilay izy.

Manasa lamba any amin’ny renirano eo akaiky eo izy ireo avy eo (11). Kosehiny tsara ilay lamba, ary savony vita amin’ny lavenona azo avy amin’ny zavamaniry no ampiasainy. Kobaniny sy aolany ilay lamba, ary ahahiny eo ambony kirihitra na vato.

Rehefa maina ny lamba, dia zairin’izy mianaka izay rovitra, alohan’ny hampirimana azy (12). Mety ho any an-tampon-trano ry zareo no manjaitra. Ampianarina peta-kofehy na tenona ilay ankizivavy aorian’izay (13). Tsy hitahita akory, dia tonga ny fotoana hikarakarana ny sakafo hariva (14). Mofo, legioma, fromazy, ary trondro maina no sakafo. Rano mangatsiaka no sotroina. Tia mandray vahiny ny Jiosy, ka zarainy amin’izay vahiny tonga ny sakafony.

Rehefa handeha hatory ny ankizy, dia jerena aloha ny tongony, ary hosorana menaka raha misy maratra. Mbola mamaky tantara ara-baiboly amin’ny zanany ny ray aman-dreny avy eo, ary miara-mivavaka aminy. Jiro mitsilopilopy no manazava azy ireo. Mangina tanteraka ao an-trano amin’ny farany. Azo inoana fa midera an’ilay vehivavy noho ny asa vitany ny vadiny, ka miteny hoe: “Iza no mahita vady tsara? Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina ny vehivavy toy izany.”—Ohabolana 31:10.

Nifidy ny “tsara kokoa” izy Nanao “raharaha betsaka” tokoa ny vehivavy tamin’ny taonjato voalohany. (Lioka 10:40) Be atao koa ny vehivavy ankehitriny, indrindra fa ny reny. Marina fa efa betsaka izao ny fitaovana arifomba, ka tsy dia manahirana intsony ny raharaha sasany. Tsy hoe mikarakara ankohonana fotsiny anefa ny vehivavy maro, fa tsy maintsy miasa koa.

Manahaka an’i Maria rahavavin’i Marta ny vehivavy kristianina, na dia miaritra zava-tsarotra aza. Marina fa karakarainy tsara ny ankohonany, satria mitaky izany ny Baiboly. (Ohabolana 31:11-31) Ny fanompoana an’Andriamanitra anefa no tena zava-dehibe aminy. (Matio 5:3) Arahiny koa ilay toro lalana nomen’i Jesosy, izay azo inoana fa nankatoavin’i Marta. Tsy ataon’ny vehivavy kristianina an-tsirambina mihitsy àry ny fianarana momba an’Andriamanitra (15) sy ny fitoriana, na dia eo aza ny raharaha ao an-trano. (Matio 24:14; Hebreo 10:24, 25) Mifidy ny “tsara kokoa” izy ireo, ka sarobidy amin’Andriamanitra sy Kristy ary amin’ny ankohonany.—Lioka 10:42; Ohabolana 18:22.