Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Mpamaky

Tsy Kristianina ve Ianao Raha Tsy Mino ny Andriamanitra Telo Izay Iray?

Tsy Kristianina ve Ianao Raha Tsy Mino ny Andriamanitra Telo Izay Iray?

Nisy boky hoe Fivavahana eto Danemark (anglisy) navoaka tamin’ny 2007, ho an’ny mpianatry ny lise. Nilaza io boky io fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia Kristianina vitsy an’isa manaraka akaiky izay lazain’ny Baiboly. Izy ireo, raha ny marina, no fahatelo amin’ireo Fivavahana Kristianina lehibe indrindra any Danemark.

Nokianin’ny evekan’ny Fivavaham-panjakana any Danemark anefa ilay mpanoratra, noho izy nanonona ny Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana? Hoy ilay eveka: “Tsy hanaiky aho hoe Kristianina [ny Vavolombelon’i Jehovah] raha tsy mahita teolojianina milaza an’izany. ... Lavin’izy ireo ny hoe telo izay iray Andriamanitra, nefa izany no fototry ny finoana kristianina.”

I Annika Hvithamar, manam-pahaizana momba ny fiaraha-monina sy fivavahana, no nanoratra an’ilay boky. Nilaza izy fa tsy hisy hiteny mihitsy hoe ny finoany ny Andriamanitra telo izay iray no mahatonga azy hihevi-tena ho Kristianina. Hoy koa ilay boky, eo amin’ilay fizarana hoe “Kristianina ve Ianao?”: “Anisan’ny sarotra ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, rehefa mianatra momba ny Fivavahana Kristianina. Raha tsy nianatra momba ny fivavahana ny Kristianina, dia ho sarotra foana ny hanazava aminy hoe nahoana Andriamanitra no mbola iray nefa efa telo.”

“Anisan’ny sarotra ny fampianarana momba ny Andriamanitra telo izay iray, rehefa mianatra momba ny Fivavahana Kristianina”

Tsotra sy mazava ny fampianaran’ny Baiboly momba an’Andriamanitra sy Jesosy, ary tsy saro-takarina. Tsy mampianatra momba ny “Andriamanitra telo izay iray” ny Baiboly, ary tsy hita ao io teny io. Lazainy mazava fa Zanak’Andriamanitra lahimatoa i Jesosy Kristy. (Kolosianina 1:15) Lazainy koa fa “mpanelanelana amin’Andriamanitra sy ny olona” izy. (1 Timoty 2:5) Hoy ny Baiboly momba ny Ray: “Ianao irery ihany, izay manana anarana hoe Jehovah, no Avo Indrindra ambonin’ny tany manontolo!”—Salamo 83:18.

Mino ny Vavolombelon’i Jehovah fa iankinan’ny aina ny finoana an’i Jesosy. (Jaona 3:16) Izany no mahatonga azy ireo handray am-po an’ilay didin’i Jesosy hoe: “I Jehovah Andriamanitrao no tsy maintsy iankohofanao, ary ho azy irery ihany no tsy maintsy anaovanao fanompoana masina.” (Matio 4:10) Izay miezaka mankatò ny didin’i Jesosy tokoa no azo atao hoe Kristianina.