Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

Manova Olona ny Baiboly

INONA no nahatonga ny rasta iray hanapaka ny volony, sy tsy hanavakavaka fotsy hoditra intsony? Inona koa no nampiova ny tovolahy iray mahery setra, izay mpitaky volan’ny mpivarotra zava-mahadomelina? Diniho izay nolazain’izy ireo.

“Vitako mihitsy aza ny tsy nanavakavaka.”​—HAFENI NGHAMA

TAONA: 34

FIRENENA: ZAMBIA

FIAINANY TALOHA: RASTA

NY FIAINAKO TALOHA: Teraka tany amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana teto Zambia aho. Nitsoaka avy tany Namibia mantsy ny reniko nandritra ny ady, ary niditra tao amin’ny Fikambanan’ny Mponin’i Afrika Atsimoandrefana (SWAPO). Niady tamin’ny fitondran’i Afrika Atsimo, izay nitondra an’i Namibia tamin’izany, io fikambanana io.

Nifindrafindra toby aho, hatreo amin’ny faha-15 taonako. Nampiofanina hampirisika ny olona hitaky fahafahana ny tanora tany amin’ny tobin’ny SWAPO. Izany no nalentika tao an-tsainay, ary nampianarina hankahala ny fotsy hoditra izahay.

Te hivavaka tao amin’ilay fiangonana tao an-toby aho, tamin’izaho 11 taona. Nifangaro tao ny finoana katolika, loteranina, anglikanina, sy ny hafa. Nanakivy ahy anefa ilay pasitera niresahako an’izany faniriako izany, ka lasa tsy nino an’Andriamanitra intsony aho. Tia hira reggae aho sady te hanafoana ny tsy rariny nihatra tamin’ny Afrikanina mainty, ka lasa niaraka tamin’ny antokona Rasta, tamin’izaho 15 taona. Nohalavaiko sy norandraniko ny voloko, nifoka rongony aho, nifady hena, ary nitaky fahafahana ho an’ny mainty hoditra. Mbola niteny ratsy sy naloto fitondran-tena ary nijery filma nisy herisetra koa aho.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Nanomboka nieritreritra lalina an’izay tokony hataoko eo amin’ny fiainana aho, tamin’ny 1995, tamin’izaho 20 taona teo ho eo. Nianarako daholo rehefa bokin’ny Rasta. Naka teny tao amin’ny Baiboly ny boky sasany, saingy hafahafa tamiko ny fanazavany. Naleoko àry namaky Baiboly samirery.

Nisy Rasta namako nanome ahy boky fianarana Baiboly navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nianarako ilay izy, ary nampiasa Baiboly aho. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, tatỳ aoriana, ary nianatra Baiboly niaraka tamin’izy ireo.

Tsy niboboka toaka na nifoka intsony aho, na dia tsy mora aza izany. (2 Korintianina 7:1) Novako ny fiakanjoko, notapahiko ny voloko, ary tsy niteny ratsy na nijery sary vetaveta sy filma misy herisetra intsony aho. (Efesianina 5:3, 4) Vitako mihitsy aza ny tsy nanavakavaka, tatỳ aoriana. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Ahoana no nahavitako an’ireo? Tsy nihaino mozika manindrahindra ny fanavakavahana intsony aho, ary nisaraka tanteraka tamin’ireo namako, izay nitarika ahy hiverina tamin’ny fomba fiainako teo aloha.

Nitady Efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho rehefa nahavita an’ireo fiovana ireo, ary nangataka mba ho anisan’izy ireo. Tsy faly ny fianakaviako rehefa nanapa-kevitra ny hatao batisa sy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah aho. Nilaza ny reniko fa tsy mampaninona azy izay fivavahana “kristianina” nofidiko, rehefa tsy Vavolombelon’i Jehovah. Olona ambony teo amin’ny fitondrana ny havanay iray, ary nokianiny foana aho satria miaraka amin’ny Vavolombelona.

Nianarako anefa ny fomba nifandraisan’i Jesosy tamin’ny olona ary nampihariko izany. Nahazaka fanoherana sy fanesoana àry aho. Niaiky aho fa marina ny fivavahan’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa nampitahaiko tamin’izay nolazain’ny Baiboly ny fampianarany. Mankatò ny didin’ny Baiboly mba hitory, ohatra, izy ireo. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 15:14) Tsy manao politika koa izy ireo.—Salamo 146:3, 4; Jaona 15:17, 18.

NY SOA NORAISIKO: Maro ny soa noraisiko noho ny fanarahako izay voalazan’ny Baiboly. Niala tamin’ny rongony aho, ohatra, ka tsy lany vola an-jatony dolara isam-bolana intsony, tsy mahita zavatra hafahafa intsony, ary mihasalama ny vatako sy ny saiko.

Haiko izao ny fomba hitondrako ny fiainako. Efa hatramin’izaho mbola kely no naniry hahafantatra an’izany. Ambonin’izany rehetra izany, dia tsapako fa afaka manatona an’Andriamanitra aho.—Jakoba 4:8.

“Lasa nahafehy ny hatezerako aho.”​—MARTINO PEDRETTI

TAONA: 43

FIRENENA: AOSTRALIA

FIAINANY TALOHA: MPIVAROTRA ZAVA-MAHADOMELINA

NY FIAINAKO TALOHA: Nifindrafindra monina izahay, tamin’izaho mbola kely. Efa nipetraka tany amin’ny tanàna kely izahay, tany an-tanàn-dehibe, ary nisy fotoana tany ambanivohitra niaraka tamin’ny misionera mpivavaka. Nahafinaritra ahy ireny fotoana rehetra ireny. Niaraka tamin’ny havanay izahay, ary nanjono sy nihaza, sady nanao asa sokitra samihafa.

Mpanao ady totohondry ny raiko, ary mbola kely aho dia efa nampianariny hiady. Lasa tia herisetra aho. Tsy ampy 20 taona akory aho, dia efa nandany andro nisotro toaka tany amin’ny bara. Nila ady aman’olona izahay sy ny namako. Antsy sy hazo filalaovana base-ball no nentinay niady tamin’ny olona 20 na mahery.

Mpivarotra zava-mahadomelina sy entana nangalarin’ny mpiasan’ny seranan-tsambo aho. Mpitaky ny volan’ireo mpivarotra zava-mahadomelina koa aho, ary nampiasa basy mba handrahonana an’ireo olona nitakiana trosa. Te ho lasa mpamono olona aho. Izao no teny filamatro: Na maty na mahafaty.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO: Efa nandre momba ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nanontany an’i Neny aho, tamin’izaho 20 taona mahery kely, sao dia mba hitany ny misy azy ireny. Tsaroako fa nandondòna tao aminay ny Vavolombelona atao hoe Dixon, roa andro taorian’izay. Niresaka elaela izahay, ary nasainy hanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Nandeha aho, ary efa 20 taona mahery izay no nanatrehako azy ireny. Voavalin’ny Vavolombelona avy tao amin’ny Baiboly daholo ny fanontaniako.

Faly aho nahafantatra fa miahy ny olona tsirairay i Jehovah, eny fa na dia ireo ratsy fanahy aza. (2 Petera 3:9) Hitako fa Ray be fitiavana izy, ary mikarakara ahy na dia rehefa tsy misy miraharaha aza aho. Azoko koa ny aiko rehefa fantatro fa hamela ny heloko izy raha miova aho. Nisy vokany lalina teo amiko ny Efesianina 4:22-24. Nampirisika ahy ‘hanaisotra ny toetrako taloha’ sy “hitafy ny toetra vaovao izay noforonina araka ny sitrapon’Andriamanitra” ireo andininy ireo.

Ela be aho vao nahavita niova. Mahavita tsy mikasika zava-mahadomelina aho, ohatra, mandritra ny herinandro, nefa resy indray rehefa faran’ny herinandro ka miaraka amin’ny namako. Hitako fa nila niala lavitra an’ireo namako aho raha te hanana fomba fiaina madio. Nanapa-kevitra ny hifindra toerana àry aho. Te hiaraka tamiko ny namako sasany, ary navelako. Nifoka rongony ry zareo teny an-dalana ary nanome ahy. Nilazako izy ireo fa efa nialako ny fanaoko taloha, ka nisaraka izahay rehefa tonga teo amin’ny sisin-tany. Fantatro tatỳ aoriana fa namaky banky ireo namako ireo, taorian’izay, ary nampiasa basy.

NY SOA NORAISIKO: Mora kokoa tamiko ny niova, raha vao nisaraka tamin’ny namako aho. Lasa Vavolombelona vita batisa aho tamin’ny 1989. Nanompo an’i Jehovah koa ny anabaviko sy ny ray aman-dreniko, tatỳ aoriana.

Efa 17 taona nanambadiana aho izao, ary manan-janaka telo mahafatifaty. Voafehiko ny hatezerako, na dia misy mampahatezitra ahy aza. Nianatra nitia ny olona avy amin’ny firazanana sy ‘foko ary fiteny’ rehetra koa aho. (Apokalypsy 7:9) Tsapako fa marina ity tenin’i Jesosy ity: “Raha tsy miala amin’ny teniko ianareo dia tena mpianatro tokoa, ary ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hanafaka anareo.”—Jaona 8:31, 32.

[Teny notsongaina, pejy 19]

Mba hahafahako hiova dia tsy nihaino mozika manindrahindra ny fanavakavahana intsony aho

[Teny notsongaina, pejy 20]

Nila ady aman’olona izahay sy ny namako. Antsy sy hazo filalaovana base-ball no nentinay niady tamin’ny olona 20 na mahery