Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Didim-pitsaran’Andriamanitra—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Izy?

Didim-pitsaran’Andriamanitra—Porofo ve Ireny fa Ratsy Fanahy Izy?

MBA hamaliana izany, dia handinika didim-pitsaran’Andriamanitra resahin’ny Baiboly isika. Hodinihintsika ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa sy ny fandringanana ny Kananita.

SAFODRANO TAMIN’NY ANDRON’I NOA

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? “Ratsy fanahy be Andriamanitra satria nandefa tondra-drano izy handringanana ny olombelona rehetra, afa-tsy ry Noa mianakavy.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? Hoy Andriamanitra: “Tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy, fa ny hialany amin’ny lalan-dratsiny mba ho velona izy.” (Ezekiela 33:11) Tsy nahafaly azy mihitsy àry ny nandringana an’ireo mpanao ratsy tamin’ny andron’i Noa. Nahoana anefa izy no nanao izany?

Nampihatra didim-pitsarana tamin’ny ratsy fanahy Andriamanitra, mba “ho ohatra ho an’ny olona tsy matahotra an’Andriamanitra, raha ny amin’izay hitranga amin’ny hoavy.” (2 Petera 2:5, 6) Inona no dikan’izany?

Marina fa malahelo Andriamanitra rehefa mandringana olona. Hitany koa anefa ny ratsy fanahy mampijaly olona, ka tsy maintsy hampamoahiny izy ireny. Hofoanany ny tsy rariny sy ny fijaliana atsy ho atsy.

Hita amin’izay nataon’Andriamanitra taloha koa fa be fitiavana izy, ka mampitandrina foana alohan’ny hampiharana didim-pitsarana. Naniraka an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, ohatra, izy. “Tsy niraharaha” azy anefa ny ankamaroan’ny olona “mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:39.

Izany foana no nataon’Andriamanitra hatramin’izay. Nampitandrina ny vahoakan’Israely, ohatra, izy mba tsy hanao ratsy toa an’ireo firenena manodidina azy. Raha tsy izany mantsy, dia havelany hanafika azy ireo ny fahavalo ka handrava an’i Jerosalema renivohitra sy hitondra azy ireo an-tsesitany. Mbola nanao ratsy ihany anefa ny Israelita ary nanao sorona zaza mihitsy aza. Tsy tonga dia nandringana azy ireo Andriamanitra. Nandefa mpaminany foana aloha izy mba hampitandrina hoe tokony hiova izy ireo, dieny mbola tsy tara loatra. Hoy mihitsy aza izy: ‘Tsy hanao na inona na inona i Jehovah Tompo Fara Tampony, raha tsy efa nampahafantatra ny tsiambaratelony tamin’ny mpaminany mpanompony.’—Amosa 3:7.

NAHOANA IANAO NO MILA MAMANTATRA NY MARINA? Lasa be fanantenana isika rehefa mandinika  ny didim-pitsaran’Andriamanitra taloha. Afaka matoky isika fa hotanterahiny ny didim-pitsarany amin’ny ratsy fanahy. Hoy ny Baiboly: ‘Ny mpanao ratsy horinganina. Fa ny mpandefitra kosa no handova ny tany, ka tena ho finaritra amin’ny fiadanam-be.’ (Salamo 37:9-11) Koa raha hampihatra didim-pitsarana mba hanafoanana ny fijaliana Andriamanitra, ratsy fanahy ve izy amin’izany sa miantra antsika?

FANDRINGANANA NY KANANITA

INONA NO LAZAIN’NY OLONA? “Hoatran’ny ady mahatsiravina misy famonoana olona tambabe mitranga ankehitriny ny nandringanana ny Kananita tamin’izany.”

INONA NO LAZAIN’NY BAIBOLY? ‘Ara-drariny daholo ny lalan’Andriamanitra. Mendri-pitokisana izy, ary tsy mba manao ny tsy rariny.’ (Deoteronomia 32:4) Tsy mitovy amin’ny ady ataon’ny olombelona ny zavatra ataon’Andriamanitra mba hampiharana ny rariny. Tsy hoatran’ny olona mantsy izy fa mahalala ny ao am-po, izany hoe ny tena maha izy ny olona.

Hita, ohatra, izany rehefa nitsara ny olona tao Sodoma sy Gomora Andriamanitra. Nanapa-kevitra izy fa haringany ny mponina tao. Te hahafantatra anefa i Abrahama mpanompony hoe rariny tokoa ve izany. Tsy nino mantsy izy hoe Andriamanitra ve dia ‘handripaka ny olo-marina miaraka amin’ny ratsy fanahy.’ Nanam-paharetana Andriamanitra rehefa nanontany azy i Abrahama. Nomeny toky izy fa na folo monja aza ny olo-marina ao Sodoma, dia hamindrany fo io tanàna io. (Genesisy 18:20-33) Hita amin’izany fa tena nandinika ny tany am-pon’izy ireo Andriamanitra, ka hitany hoe ratsy fanahy be izy ireo.—1 Tantara 28:9.

Hoatr’izany koa no nataon’Andriamanitra rehefa nitsara ny Kananita. Hitany hoe ratsy fanahy be izy ireo ka nasainy naringana. Nalaza ho mpampijaly olona mantsy izy ireo. Nandoro zaza mbola velona, ohatra, izy ireo mba hatao sorona. * (2 Mpanjaka 16:3) Fantatry ny Kananita fa nisy tany efa natokan’i Jehovah ho an’ny Israelita. Mbola nifidy ny hijanona tao ihany anefa ry zareo ka niady tamin’ny Israelita. Tsy ny Israelita ihany àry no notoherin’izy ireo, fa i Jehovah mihitsy koa. Efa hita niharihary be izao anefa hoe nanampy an’ireo vahoakany ireo i Jehovah.

Namindra fo tamin’izay Kananita niova sy nanaraka ny fitsipiny koa i Jehovah. Kananita, ohatra, i Rahaba ary mpivaro-tena. Novonjen’i Jehovah anefa izy sy ny fianakaviany rehefa nanaraka ny fitsipiny. Tsy naringana koa ny Kananita tao Gibeona, na lehibe na kely, satria nangataka famindram-po tamin’ny Israelita.—Josoa 6:25; 9:3, 24-26.

NAHOANA IANAO NO MILA MAMANTATRA NY MARINA? Misy lesona lehibe azontsika ianarana avy amin’ny didim-pitsaran’Andriamanitra tamin’ny Kananita. Efa kely sisa mantsy dia ho tonga ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (2 Petera 3:7) Raha tia an’i Jehovah isika, dia hahita ny handringanany an’izay tsy manaiky azy ho Mpitondra. Tsy hisy intsony ny fijaliana aorian’izay.

Nalaza ho mpampijaly olona ny Kananita ary nanao fanahy iniana nanohitra an’Andriamanitra sy ny vahoakany

Be fitiavana i Jehovah ka mampahatsiahy ny ray aman-dreny hoe misy vokany amin’ny zanany ny safidy ataon’izy ireo. Hoy ny Deoteronomia 30:19, 20: “Mifidiana ny fiainana mba ho velona ianao sy ny taranakao, ka tiavo i Jehovah Andriamanitrao, henoy ny feony, ary mifikira aminy.” Raha ratsy fanahy ve Andriamanitra dia hiteny hoatr’izany? Tsy hita amin’ireo teniny ireo ve hoe tia ny vahoakany izy ka te hanampy azy ireo hanao safidy tsara?

^ feh. 15 Nahita porofo ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa nanao sorona zazakely tokoa ny Kananita rehefa nivavaka tamin’ny andriamaniny.