Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MATOAN-DAHATSORATRA: RATSY FANAHY VE ANDRIAMANITRA?

Nahoana ny Olona no Milaza fa Ratsy Fanahy Andriamanitra?

Nahoana ny Olona no Milaza fa Ratsy Fanahy Andriamanitra?

MARO no mieritreritra an’izao rehefa mahita an’ilay fanontaniana eo amin’ny fonon’ity gazety ity: ‘Izany ve dia hanontaniana?’ Be dia be anefa no tsy mahazo antoka hoe tsara fanahy Andriamanitra. Misy milaza mihitsy aza hoe ratsy fanahy izy.

Mieritreritra koa angamba ny olona tafavoaka velona tamin’ny loza voajanahary hoe: “Nahoana no avelan’Andriamanitra hitranga izao? Tsy miraharaha antsika ve izy sa izy mihitsy no ratsy fanahy?”

Misy indray mieritreritra an’izany rehefa mamaky Baiboly. Ohatra hoe mamaky ny tantaran’i Noa sy ny Safodrano. Andriamanitra be fitiavana ve, hono, dia hamono olona be dia be hoatr’ireny? Ratsy fanahy be angaha, hono, izy?

Mieritreritra an’izany koa ve ianao indraindray? Sa raha misy olona manontany anao an’izany dia tsy ho hainao ny hamaly azy? Diniho ity fanontaniana ity fa mety hanampy anao.

NAHOANA ISIKA NO MANKAHALA ZAVA-DRATSY?

Tsy tia ny fanaovan-dratsy isika satria mahay manavaka ny mety sy tsy mety. Izany no tena tsy itovizantsika amin’ny biby. Rehefa namorona antsika Andriamanitra, dia nataony “araka ny endriny” isika. (Genesisy 1:27) Midika izany fa noforoniny mba ho afaka hanahaka ny toetrany sy hanaraka ny fitsipiny isika ary hahalala ny mety sy tsy mety. Raha Andriamanitra àry no nahatonga antsika hahalala ny mety sy tsy mety ka tsy ho tia zava-dratsy, tsy midika ve izany fa mankahala ny ratsy koa izy?

Manamarina izany ny Baiboly. Hoy mantsy Andriamanitra ao amin’ny Isaia 55:9: ‘Avo ny lalako raha oharina amin’ny lalanareo, sy ny hevitro raha oharina amin’ny hevitrareo.’ Manohitra an’izany isika raha milaza fa ratsy fanahy Andriamanitra. Toy ny milaza mantsy isika fa avo noho ny lalany ny lalantsika. Aleo àry mitady porofo aloha izay vao miteny an’izany. Aza mifantoka amin’ny hoe ratsy fanahy ve izy sa tsia, fa aleo kosa mandinika hoe: ‘Nahoana no hoatran’ny feno haratsiam-panahy ny zavatra ataony indraindray?’ Hodinihintsika aloha ny dikan’ny hoe “ratsy fanahy.”

Ratsy fanahy ny olona iray raha antony ratsy no mahatonga azy hanao zavatra. Tsy mampihontsina azy ny fahorian’ny hafa, na faly izy rehefa mahita olona mijaly. Ratsy fanahy àry ny raim-pianakaviana iray raha manafay ny zanany satria fotsiny hoe faly izy mahita ny zanany malahelo. Tsara fanahy kosa izy raha manafay ny zanany satria te hampianatra sy hiaro azy. Mety tsy ho araka ny ieritreretantsika azy anefa indraindray ny antony mahatonga ny olona iray hanao zavatra, ary fantatrao tsara izany raha efa nisy olona nitsaratsara anao.

Ny loza voajanahary fahita ankehitriny sy ny didim-pitsaran’Andriamanitra fahiny no anisan’ny mahatonga ny olona hilaza fa ratsy fanahy izy. Handinika an’izany isika mba hahalalana ny marina.