Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 MANONTANY NY MPAMAKY

Iza no Namorona An’Andriamanitra?

Iza no Namorona An’Andriamanitra?

Eritrereto hoe miresaka amin’ny zanany lahy fito taona ny lehilahy iray. Hoy izy: “Tany aloha be tany Andriamanitra namorona ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy, dia izy koa no nanao ny masoandro sy ny volana ary ny kintana.” Nieritreritra kely teo ilay zaza ary avy eo nanontany hoe: “Dia iza, ry Dada, no namorona an’Andriamanitra?”

Dia mamaly ny rainy hoe: “Efa nisy foana Andriamanitra hatramin’izay fa tsy nisy namorona.” Hatreo aloha mbola manaiky an’izany ilay zaza, fa rehefa mihalehibe izy dia mbola hanitikitika ny sainy indray izany. Toa tsy eken’ny sainy ilay hoe efa nisy foana Andriamanitra, satria na izao rehetra izao aza nisy namorona. Lasa saina izy hoe: ‘Ahoana àry no nampisy an’Andriamanitra?’

Ahoana hoy ny Baiboly? Mitovitovy amin’izay nolazain’ilay raim-pianakaviana ihany. Hoy i Mosesy: “Jehovah ô, ... talohan’ny nahaterahan’ny tendrombohitra, sy ny niterahanao ny tany mbamin’ny tany lonaka, dia efa Andriamanitra ianao hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay.” (Salamo 90:1, 2) Hoy koa i Isaia mpaminany: “Tsy fantatrao angaha sa tsy renao? Andriamanitra mandritra ny fotoana tsy voafetra i Jehovah, ilay Mpamorona ny faran’ny tany.” (Isaia 40:28) Resahin’ny taratasin’i Joda koa fa efa nisy “hatrizay hatrizay” Andriamanitra.—Joda 25.

Asehon’ireo andininy ireo fa “Mpanjakan’ny mandrakizay” Andriamanitra, araka ny ilazan’ny apostoly Paoly azy. (1 Timoty 1:17) Efa nisy foana izy hatramin’izay fotoana farany takatry ny saintsika, ary hisy foana koa amin’ny hoavy. (Apokalypsy 1:8) Izany no tena mampiavaka an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra.

Nahoana no sarotra amintsika ny mahatakatra an’izany? Satria voafetra ny fotoana iainantsika, ka hafa mihitsy ny fahitantsika ny fotoana fa tsy hoatran’ny an’i Jehovah. Andriamanitra mandrakizay izy, ka aminy dia toy ny iray andro ny arivo taona. (2 Petera 3:8) Intỳ misy ohatra: Maharitra roa volana eo ho eo ny androm-piainan’ny valala efa lehibe. Mety ho takatry ny sainy ve ny halavan’ny androm-piainantsika hoe 70 na 80 taona? Tsy azo inoana izany. Milaza anefa ny Baiboly fa hoatran’ny valala isika raha mitaha amin’ilay Mpamorona Be Voninahitra. Mbola manan-tsaina lavitra noho isika i Jehovah. (Isaia 40:22; 55:8, 9) Tsy mahagaga raha tsy takatry ny sain’ny olombelona ny zavatra sasany momba azy.

Mety ho saro-takarina aloha ilay hoe efa nisy hatrizay Andriamanitra ary hisy mandrakizay. Mitombina tsara anefa izany. Raha nisy namorona mantsy Andriamanitra, dia izay namorona azy izany no atao hoe Mpamorona. Milaza anefa ny Baiboly fa i Jehovah no “namorona ny zava-drehetra.” (Apokalypsy 4:11) Fantatsika koa hoe nisy fotoana mbola tsy nisy izao rehetra izao. (Genesisy 1:1, 2) Ahoana no nampisy azy io? Tsy maintsy hoe efa nisy taloha ilay Mpamorona azy. Efa nisy koa izy talohan’ny nisian’ny zavaboary manan-tsaina hafa rehetra, anisan’izany ilay Zanany lahitokana sy ireo anjely. (Joba 38:4, 7; Kolosianina 1:15) Izy irery àry no nisy, tany aloha tany. Tsy nisy namorona izy, ary tsy nisy afaka namorona azy.

Isika sy izao rehetra izao dia porofo mivaingana fa misy ny Andriamanitra iray, izay maharitra mandrakizay. Tsy maintsy ho efa nisy foana Ilay mampihetsika an’izao rehetra izao midadasika, sy Ilay nanao ny lalàna mifehy azy io. Izy ihany no nahavita namorona ny zavamananaina.—Joba 33:4.