Hijery ny anatiny

Inona no Hanampy Anao ho Lasa Naman’Andriamanitra?

Inona no Hanampy Anao ho Lasa Naman’Andriamanitra?

Valiny ara-baiboly

 Ho lasa naman’Andriamanitra ianao, raha miezaka hahafantatra azy sy manao zavatra mba hampifaliana azy. Andriamanitra mihitsy no ‘hanatona anao’ amin’izay (Jakoba 4:8) Manome toky antsika ny Baiboly hoe “tsy lavitra antsika tsirairay izy.”—Asan’ny Apostoly 17:27.

 Ny tokony hatao raha te hahafantatra an’Andriamanitra

 Mamakia Baiboly

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra.”—2 Timoty 3:16.

  •  Ny tiany holazaina: Avy amin’Andriamanitra ny Baiboly. Nataon’Andriamanitra tao an-tsain’ireo mpanoratra ny Baiboly ny heviny, dia izy ireo no nanoratra an’izany avy eo. Mampiasa an’io boky tena miavaka io Andriamanitra mba hampahafantarana antsika hoe fiainana hoatran’ny ahoana no eritreretiny ho antsika. Nampahafantariny antsika ao koa ny toetrany, anisan’izany ny hoe be fitiavana izy, manao ny rariny, ary mamindra fo.—Eksodosy 34:6; Deoteronomia 32:4.

  •  Ny azonao atao: Vakio isan’andro ny Baiboly. (Josoa 1:8) Saintsaino izay vakinao ary eritrereto hoe: ‘Inona no toetran’Andriamanitra ianarako avy amin’izany?’—Salamo 77:12.

     Rehefa mamaky ny Jeremia 29:11, ohatra, ianao, dia eritrereto hoe: ‘Inona no tian’Andriamanitra homena ahy? Fiadanana sa loza? Andriamanitra tia manasazy ve izy, sa tiany hiadana aho amin’ny hoavy?’

 Diniho ny zavatra noforoniny

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Ny [toetran’Andriamanitra] tsy hita maso, dia hita mazava hatramin’ny namoronana izao tontolo izao, satria hita amin’ny zavatra nataony”—Romanina 1:20.

  •  Ny tiany holazaina: Hita amin’ny zavatra noforoniny ny toetran’Andriamanitra. Rehefa mandinika sary hoso-doko anankiray, ohatra, isika dia lasa fantatsika hoe hoatran’ny ahoana ny toetran’ilay mpanao hoso-doko. Na rehefa mahita milina be pitsiny anankiray isika, dia lasa haintsika hoe inona no mampiavaka an’ilay olona namorona an’ilay izy. Dia hoatr’izay koa Andriamanitra. Rehefa mandinika ny zavatra vitan’ny atidohan’ny olombelona sy ny pitsipitsin’izy io izao isika, dia lasa hitantsika hoe mpamorona tena hendry Andriamanitra. Na rehefa mandinika ny hery ao anatin’ny masoandro sy ny kintana hafa koa isika, dia lasa fantatsika hoe Andriamanitra tena mahery izy.—Salamo 104:24; Isaia 40:26.

  •  Ny azonao atao: Makà fotoana mba handinihana ny zavaboary dia jereo hoe inona no azonao ianarana avy amin’izy ireny. Eritrereto izao rehefa mandinika azy ireny ianao: ‘Inona no ianarako momba an’Andriamanitra avy amin’ireny zavatra mahavariana noforoniny ireny?’ a Betsaka anefa ny toetran’Andriamanitra sy ny mombamomba azy tsy voatery ho fantatsika amin’ny alalan’ny zavaboary, dia izay no nahatonga azy hanome antsika ny Baiboly.

 Ampiasao ny anaran’Andriamanitra

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Harovako izy, satria nanjary nahalala ny anarako. Hiantso ahy izy, dia hamaly azy aho.”—Salamo 91:14, 15.

  •  Ny tiany holazaina: Jehovah no anaran’Andriamanitra, ary tia sy mihaino ny vavaky ny olona mahalala sy mampiasa ary manaja an’io anarana io izy. b (Salamo 83:18; Malakia 3:16) Rehefa nilaza ny anarany tamintsika Andriamanitra, dia nampahafantatra antsika izy hoe: “Izaho no Jehovah! Izany no anarako.”—Isaia 42:8.

  •  Ny azonao atao: Ampiasao ny anaran’i Jehovah rehefa miresaka momba azy ianao.

 Mivavaha amin’i Jehovah

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Akaikin’izay rehetra miantso azy i Jehovah.”—Salamo 145:18.

  •  Ny tiany holazaina: Raha mino ny olona anankiray hoe mamaly vavaka i Jehovah, dia vonona ny hinamana aminy i Jehovah. Anisan’ny fanompoantsika an’i Jehovah ny vavaka. Tokony hasehontsika àry hoe manaja lalina azy isika rehefa mivavaka.

  •  Ny azonao atao: Mivavaha matetika amin’Andriamanitra. (1 Tesalonianina 5:17) Resaho aminy izay tsapanao sy izay mampanahy anao.—Salamo 62:8. c

 Miezaha hanatanjaka ny finoanao

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.”—Hebreo 11:6.

  •  Ny tiany holazaina: Tsy maintsy mino an’Andriamanitra isika, raha te hinamana aminy. Ny hoe manam-pinoana ao amin’ny Baiboly, dia tsy mino fotsiny hoe misy Andriamanitra. Midika koa izy io hoe matoky tanteraka azy, anisan’izany ny hoe matoky fa tena ho tanteraka ny fampanantenany ary mahasoa ny fitsipiny. Raha te hinamana tsara amin’ny olona anankiray ianao, dia mila matoky tanteraka azy.

  •  Ny azonao atao: Tsy maintsy manana fahalalana ny olona iray raha te hanana finoana matanjaka. (Romanina 10:17) Mianara àry Baiboly dia asehoy hoe matoky an’Andriamanitra sy ny torohevitra omeny ianao. Ho faly hiara-hianatra Baiboly aminao ny Vavolombelon’i Jehovah. d

 Miezaha hampifaly an’Andriamanitra

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Izao no fitiavana an’Andriamanitra, dia ny hitandremantsika ny didiny.”—1 Jaona 5:3.

  •  Ny tiany holazaina: Akaiky an’izay tia azy sy miezaka mafy mitandrina ny didiny i Jehovah.

  •  Ny azonao atao: Rehefa mianatra Baiboly ianao dia fantaro hoe inona no zavatra tian’Andriamanitra sy tsy tiany. Eritrereto izao: ‘Inona no mila ahitsiko amin’izay aho afaka mampifaly ny Mpamorona?’—1 Tesalonianina 4:1.

 Araho ny torohevitr’Andriamanitra dia ho tsapanao hoe tena tia anao izy

  •  Izay lazain’ny Baiboly: “Andramo ka jereo fa tsara i Jehovah.”—Salamo 34:8.

  •  Ny tiany holazaina: Andriamanitra mihitsy no manasa anao handinika hoe tena tsara izy. Raha tsapanao hoe tia sy manampy anao izy, dia tsy hisalasala hinamana aminy ianao.

  •  Ny azonao atao: Rehefa mamaky Baiboly ianao dia ampiharo ny torohevitra ao. Jereo koa hoe inona avy ny soa horaisinao rehefa manao an’izany ianao. (Isaia 48:17, 18) Misy olona sasany koa nampian’Andriamanitra, dia nahavita niatrika olana, lasa nihatsara ny fiainany sy ny an’ny fianakaviany, ary lasa nahatsiaro ho sambatra izy ireo. Raha mandinika ny tantaran’ireny olona ireny ianao, dia vao mainka te ho naman’Andriamanitra. e

 Hevi-diso momba ny hoe minamana amin’Andriamanitra

 Hevi-diso: Mahery indrindra sady avo indrindra Andriamanitra dia tsy afaka ny hinamana amintsika.

 Ny marina: Na dia mahery indrindra sy avo indrindra eo amin’izao rehetra izao aza Andriamanitra, dia manasa antsika hinamana aminy izy. Tantaraina ao amin’ny Baiboly hoe be dia be ny lehilahy sy vehivavy lasa naman’Andriamanitra.—Asan’ny Apostoly 13:22; Jakoba 2:23.

 Hevi-diso: Mistery Andriamanitra dia tsy afaka ny hahafantatra azy isika.

 Ny marina: Tsy takatry ny saintsika ny zavatra sasany momba an’Andriamanitra, anisan’izany ny hoe fanahy izy sady tsy hita maso. Na izany aza anefa, dia azontsika atao tsara ny mahafantatra an’Andriamanitra. Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe raha te hahazo fiainana mandrakizay isika, dia mila mianatra mahalala an’Andriamanitra. (Jaona 17:3) Mampiasa teny mora azontsika ny Baiboly rehefa miresaka momba ny Mpamorona, ny toetrany, ny fikasany momba ny tany sy ny olombelona ary ny fitsipiny. (Isaia 45:18, 19; 1 Timoty 2:4) Hitantsika teo koa fa ampahafantarin’ny Baiboly antsika hoe iza no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Tsy hoe afaka mahafantatra an’Andriamanitra fotsiny izany isika, fa tena afaka minamana aminy mihitsy.—Jakoba 4:8.

a Hita amin’ny zavaboary fa hendry Andriamanitra. Raha te hijery ohatra ny amin’izany ianao dia jereo ilay andian-dahatsoratra hoe: “Nisy Namorona Ve?

b Betsaka ny manam-pahaizana milaza hoe “Manao Izay Hahatonga Izy” no dikan’ilay anarana hoe Jehovah. Rehefa mampahafantatra ny anarany Andriamanitra, dia hoatran’ny miteny amintsika hoe: ‘Tsy maintsy hotanterahiko ny sitrapoko sy ny fikasako. Tsy maintsy ho tanteraka foana ny fampanantenako.’

c Jereo ilay lahatsoratra hoe “Hamaly ny Vavaka Ataoko ve Andriamanitra?

d Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay video hoe Ahoana no Atao Rehefa Mianatra Baiboly?

e Jereo ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly.”