Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MANOVA OLONA NY BAIBOLY

Afaka Manampy Olona Aho na dia Jamba Aza

Afaka Manampy Olona Aho na dia Jamba Aza
  • TERAKA: 1981

  • FIRENENA: GOATEMALÀ

  • FIAINANY TALOHA: NIJALIJALY TAMIN’NY MBOLA KELY

NY FIAINAKO TALOHA:

Teraka tany amin’ny tanàna mitokana atao hoe Acul aho. Any amin’ny faritra be tendrombohitra any andrefan’i Goatemalà no misy azy io. Avy amin’ny foko maya atao hoe Ixil ny fianakaviako. Mahay teny espaniola aho, ankoatra ny fitenin-drazanay. Nisy ady an-trano nahatsiravina teto Goatemalà, nandritra ny 36 taona, ary tamin’ireny mihitsy aho no nihalehibe. Be dia be ny Ixil maty tamin’izany.

Nilalao grenady ny zokiko lahy, indray mandeha, ary nipoaka tampoka ilay izy. Efa-taona aho tamin’izay, ary fito taona izy. Maty ilay zokiko fa izaho kosa lasa jamba. Nalefa tany amin’ny fitaizana ankizy jamba, teto Goatemalà renivohitra aho, taorian’izay. Tany no nahaizako soratra Braille. Tsy haiko fa tsy navelan’ny mpampianatra hiresaka tamin’ny ankizy hafa aho. Nihatakatahan’ny mpiara-mianatra taminay koa aho. Nahatsiaro ho irery foana aho, ka tsy andriko ny nahatongavan’ny vakansy mba hiarahana tamin’i Neny, nandritra ny roa volana. Tsara fanahy be mantsy izy sady nangoraka an’ahy. Nampalahelo fa maty i Neny, tamin’izaho folo taona. Kivy tanteraka aho satria tsy eo intsony ilay olona mba tia ahy teto an-tany.

Nody tany aminay aho tamin’izaho 11 taona, ary nipetraka tany amin’ny zokiko lahy sy ny fianakaviany. Nikarakara an’izay nilaiko izy ireo, saingy tsy nisy nahay nampionona ahy. Nisy fotoana aho nanontany an’Andriamanitra hoe: “Fa maninona i Neny no maty? Fa nahoana aho no lasa jamba?” Nilaza tamiko ny olona hoe sitrapon’Andriamanitra, hono, izany. Nihevitra àry aho hoe mafy fo Andriamanitra sady tsy manao ny rariny. Efa saika namono tena aho saingy tsy nahita fomba nanaovana an’ilay izy fotsiny.

Nohararaotin’ny olona aho satria jamba dia tsy afaka niaro tena. Lasa mora malahelo koa aho. Imbetsaka aho no nisy nametaveta tamin’ny mbola kely. Tsy noteneniko tamin’iza na iza mihitsy izany satria nieritreritra aho hoe tsy hisy hiraharaha an’izany. Zara raha niresaka tamiko ny olona, ary izaho indray tsy mba niresaka mihitsy. Kivy aho sady nitokantokana no tsy natoky olona.

NY NANOVAN’NY BAIBOLY NY FIAINAKO:

Tamin’izaho 13 taona, dia nisy mpivady Vavolombelon’i Jehovah nanatona ahy tany am-pianarana, nandritra ny fakan-drivotra. Nangoraka ahy mantsy ny mpampianatra iray, ka nasainy nitsidika ahy izy ireo. Nolazain’izy ireo tamiko fa mampanantena ny Baiboly hoe hatsangana ny maty ary mbola hahita ny jamba. (Isaia 35:5; Jaona 5:28, 29) Tiako ny zavatra nianarako, saingy sarotra be tamiko ny niresaka tamin-dry zareo. Tsara fanahy sy nanam-paharetana anefa izy ireo, ka tonga nampianatra ahy foana. Nandeha an-tongotra folo kilaometatra mahery izy ireo sady namakivaky tendrombohitra rehefa nankany aminay.

Nilaza ny zokiko lahy hoe madio sy milamina izy mivady, saingy somary sahirana ara-pivelomana. Tia ahy anefa izy ireo sady nitondra fanomezana kely foana. Tsapako hoe ny tena Kristianina ihany no mahavita zavatra hoatr’izany.

Nampiasa boky tamin’ny teny Braille aho rehefa nianatra Baiboly. Azoko tsara ny zavatra nianarako saingy sarotra be tamiko ny nanaiky ny sasany tamin’izy ireny. Tsy nety nino, ohatra, aho hoe tena miahy an’ahy Andriamanitra, ary afaka manao hoatr’izany amiko koa ny olona. Azoko koa hoe nahoana i Jehovah no mbola mamela ny fijaliana hisy, nefa tsy mora tamiko ny niaiky hoe Ray be fitiavana izy. *

Niova hevitra tsikelikely aho rehefa nandeha teny ny fianarako Baiboly. Lasa fantatro, ohatra, fa malahelo be Andriamanitra rehefa mahita olona mijaly. Nilaza toy izao mihitsy izy, rehefa nampijalina ny vahoakany: ‘Hitako mihitsy ny fahorian’ny oloko. Fantatro tsara ny fijaliany.’ (Eksodosy 3:7) Lasa te hanokana ny fiainako ho an’i Jehovah aho, rehefa nahafantatra ny toetrany. Natao batisa aho tamin’ny 1998, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah.

Miaraka amin’ilay rahalahy nampiantrano ahy

Nisy fianarana ho an’ny jamba teo akaikin’ny tanàn’i Escuintla, ka nandeha nianatra tany aho, herintaona teo ho eo, taorian’ny batisako. Fantatry ny anti-panahy iray teo an-toerana ny ezaka be nataoko rehefa nanatrika fivoriana aho. Tsy maintsy nandeha tamin’ireo tendrombohitra nandalovan’ilay mpivady nampianatra ahy Baiboly aho. Any mantsy no misy ny fiangonana akaiky indrindra. Nijaly be aho tamin’izany. Nitady Vavolombelona tany Escuintla ny anti-panahy mba hampiantrano ahy, ka ry zareo no nitondra ahy nivory. Nanomboka tamin’izay, dia nokarakarain’izy ireo hoatran’ny fianakaviany mihitsy aho.

Tena tia ahy ny mpiara-mivavaka amiko ary betsaka ny azoko tantaraina momba an’izany. Nanampy ahy ho resy lahatra ireny hoe tena anisan’ny Kristianina marina aho, satria Vavolombelon’i Jehovah.—Jaona 13:34, 35.

NY SOA NORAISIKO:

Tsy mieritreritra intsony aho hoe tsy misy ilana an’ahy na koa tsy misy antenaina intsony ny amiko. Lasa mahafinaritra ahy izao ny fiainako. Mpitory manontolo andro miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, ka variana mampianatra Baiboly olona fa tsy mifantoka amin’ny kilemako. Anti-panahy koa aho ary manao lahateny ao amin’ny fiangonanay. Efa nanao lahateny tany amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra mihitsy aza aho, nefa an’arivony ny mpanatrika.

Manao lahateny sady mampiasa Baiboly amin’ny soratra Braille

Nahazo diplaoma tamin’ny Sekoly Fampiofanana ho Amin’ny Fanompoana (novana hoe Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana) tany El Salvador aho, tamin’ny 2010. Nanampy ahy hahavita tsara ny andraikitro eo anivon’ny fiangonana io sekoly io. Tsapako tamin’iny fampiofanana iny hoe tena sarobidy amin’i Jehovah aho, sady tena tiany. Azony ampiasaina daholo mantsy na iza na iza mba hanao ny asany.

Nilaza i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tena afaka milaza aho izao hoe sambatra. Hitako hoe afaka manampy olona aho, na dia nieritreritra aza fa tsy ho vitako mihitsy izany.

^ feh. 13 Manazava ny antony amelan’Andriamanitra ny fijaliana hisy ny toko 11 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.