Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

TORO LALANA FAHINY FA MBOLA MANDAITRA ANKEHITRINY

Miezaha Hamela Heloka

Miezaha Hamela Heloka

TORO LALAN’NY BAIBOLY: ‘Mahaiza foana mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany. Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah, koa aoka ianareo mba hifamela heloka koa.’—Kolosianina 3:13.

Inona no dikan’izany? Azo oharina amin’ny trosa ny fahotana na fahadisoana ataon’ny olona amintsika, ka toy ny hoe mahafoy an’ilay trosa isika raha mamela heloka. (Matio 18:21-35) Milaza ny boky iray fa ao amin’ny Soratra Masina, ny teny grika nadika hoe ‘mamela heloka’ dia midika hoe “mahafoy trosa ka tsy mitaky an’ilay izy intsony.” Rehefa mamela ny helok’ilay nanao fahadisoana tamintsika àry isika, dia tsy hanantena hoe hiala tsiny amintsika izy. Tsy hoe tiantsika ilay zavatra nataony raha mamela azy isika. Tsy midika koa izany fa hamaivanintsika ny vokatr’ilay izy tamintsika. Tapa-kevitra fotsiny isika hoe tsy ho tezitra intsony, na dia “manana antony hitarainana” aza.

Mbola azo ampiharina ve izany? Manota daholo isika satria tsy lavorary. (Romanina 3:23) Hendry àry isika raha tia mamela heloka, satria na ho ela na ho haingana dia tsy maintsy hamela ny heloka ataontsika koa ny hafa. Mbola misy zavatra hafa mahatsara ny mamela heloka koa anefa. Inona izany?

Raha tezitra sy mitana lolompo foana isika fa tsy mamela heloka, dia isika ihany no ho voa mafy. Tsy ho sambatra isika, ary tsy hahafinaritra antsika ny fiainana. Mety hisy vokany amin’ny fahasalamantsika koa izany. Hoy ny Dokotera Yoichi Chida sy Andrew Steptoe, mpampianatra momba ny psikolojia, tao amin’ny Gazetin’ny Fikambanana Amerikanina Mpandinika ny Fo: ‘Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa toa mora marary fo ny olona mora tezitra sy mankahala olona.’

Mitandro fihavanana sy mampisy firaisan-tsaina kosa isika raha mamela heloka tanteraka. Ary ny tena zava-dehibe indrindra dia hoe manahaka an’Andriamanitra isika. Rehefa hitany hoe nibebaka mantsy ny olona iray nanao fahadisoana, dia mamela heloka izy. Tiany hanao toy izany koa isika.—Marka 11:25; Efesianina 4:32; 5:1.