Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Inona no tsy maintsy nataon’i Heroda rehefa nanorina ny tempolin’i Jerosalema indray izy?

I Solomona no nanorina tempoly voalohany tao Jerosalema, ary nataony teny an-tampon-kavoana ilay izy. Nasainy nasiana rindrina teo atsinanana sy teo andrefan’ilay havoana, amin’izay tsy mihotsaka ny tany manodidina an’ilay toerana masina. Te hanamboatra tempoly tsara tarehy kokoa noho io nataon’i Solomona io anefa i Heroda. Novany àry ny paozin’ilay tempoly sady nitariny ilay izy.

Nohalehibeazin’ny injenieran’i Heroda ny faritra avaratry ny tempoly. Ny tany atsimo indray nitarina hatrany amin’ny 32 metatra. Nanamboatra tionelina mifampitohitohy vita tamin’ny vato izy ireo, sy rindrina matevina be hanohanana ny tany tsy hihotsaka. Nahatratra 50 metatra ny haavon’ny sasany tamin’ilay rindrina.

Niezaka mafy i Heroda mba tsy hanao zavatra mety hampahatezitra ny Jiosy, na hanelingelina ny asa sy ny sorona natao tao amin’ilay tempoly. Nilaza i Josèphe, mpahay tantara, fa nampiofana mpisorona jiosy mihitsy aza izy mba ho lasa mpanapaka vato sy mpandrafitra. Tsy ho tafiditra ao amin’ny toerana masina amin’izay ny olona tsy voatendry hiasa ao.

Tsy mbola vita akory ilay tempoly, dia maty i Heroda. Feno 46 taona tamin’ny taona 30 ny nanamboarana an’ilay tempoly. (Jaona 2:20) I Agripa II, zafiafin’i Heroda, no namita tanteraka an’ilay asa, tamin’ny taona 50 tany ho any.

Nahoana ny apostoly Paoly no noheverin’ny mponina tao Malta fa mpamono olona?

Andriamani-bavin’ny rariny (ankavia) mamono ny andriamani-bavin’ny tsy rariny

Milaza ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa rendrika tany Malta ny sambo nitondra an’i Paoly. Nandrehitra afo ny mponina tao mba hanafana azy ireo. Nampian’i Paoly kitay ilay afo, ary nisy bibilava nipoitra avy tao ka niraikitra tamin’ny tanany. Nino ny fampianaran’ny fivavahana grika angamba ny olona sasany tao Malta, satria hoy izy ireo: “Tena mpamono olona tokoa io lehilahy io, fa na tonga soa aman-tsara avy teny an-dranomasina aza izy, dia tsy namela azy ho velona ny rariny.”—Asan’ny Apostoly 28:4.

Ilay teny grika hoe “dike” no nadika hoe “rariny.” Azo adika hoe ny rariny amin’ny ankapobeny koa izy io. Anaran’ilay andriamani-bavin’ny rariny anefa ilay hoe Dike, araka ny angano grika. Izy io, hono, no nanara-maso izay nataon’ny olona, ka raha nisy nanao ny tsy rariny dia nalazany tamin’i Zeosy, amin’izay ilay olona voasazy. Nisy boky nilaza àry fa mety ho izao no tao an-tsain’ny mponina tao Malta: ‘Na dia tsy maty teny an-dranomasina aza i Paoly, dia tratran’i Dike ihany ka nokaikerin’ny bibilava.’ Niova hevitra anefa izy ireo rehefa hitany hoe tsy naninona izy.