Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MAHASOA VE NY MIVAVAKA?

Tena Manampy Anao ve ny Vavaka?

Tena Manampy Anao ve ny Vavaka?

Alohan’ny hanaovana zavatra iray, dia ara-dalàna ianao raha mieritreritra hoe: ‘Mba misy soa azoko ve amin’ity?’ Diso ve anefa ianao raha mieritreritra toy izany koa rehefa hivavaka? Tsy voatery! Ara-dalàna raha te hahafantatra an’izany isika. Na i Joba aza mantsy nilaza hoe: “Hamaly ve izy, raha miantso azy aho?”—Joba 9:16.

Hitantsika teo aloha fa tsy hoe fahazarana fotsiny na hoe manamaivamaivana fotsiny ny vavaka. Tena mihaino vavaka ilay tena Andriamanitra. Hihaino antsika izy raha mifanaraka amin’izay takiny ny fomba ivavahantsika aminy sy ny zavatra resahintsika. Asainy mihitsy aza isika hanatona azy. (Jakoba 4:8) Inona àry ny soa ho azontsika raha zatra mivavaka isika? Ireto ny sasany amin’izany:

Milamin-tsaina

Mitebiteby be ve ianao rehefa misy olana? Mampirisika antsika ny Baiboly mba tsy ‘hitsahatra hivavaka’ sy ‘hampahafantatra an’Andriamanitra ny fangatahantsika.’ (1 Tesalonianina 5:17; Filipianina 4:6) ‘Hiambina ny fontsika sy ny saintsika ny fiadanan’Andriamanitra’, raha mivavaka isika. “Lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra” mantsy izy io. (Filipianina 4:7) Hilamin-tsaina isika raha mamboraka an’izay mampanahy antsika amin’ilay Raintsika any an-danitra. Milaza mihitsy aza ny Salamo 55:22 hoe: “Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.”

“Apetraho amin’i Jehovah izay manavesatra anao, fa izy no hanohana anao.”—Salamo 55:22

Be dia be ny olona efa nanao an’izany ka lasa nilamin-tsaina. Hoy i Hee Ran, any Korea Atsimo: “Na dia tena lehibe aza ny olana mahazo ahy, dia maivamaivana erỳ aho sady lasa matanja-tsaina, raha tonga dia mivavaka momba an’ilay izy.” Hoy koa i Cecilia, any Philippines: “Renim-pianakaviana aho, dia manahy be momba an’ireo zanako vavy. Marary koa i Neny ka efa tsy mahatadidy ahy intsony. Tena manampy ahy anefa ny vavaka, ka vitako ihany ny fiainako isan’andro. Fantatro fa hanampy ahy hikarakara azy ireo i Jehovah.”

Matanja-tsaina rehefa misy fitsapana

Miady saina be ve ianao, sa ny ainao mihitsy no atahorana, sa nisy loza nahazo anao? Tena ho maivamaivana ianao raha mivavaka amin’ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.” Milaza ny Baiboly fa “mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.” (2 Korintianina 1:3, 4) Nitebiteby be, ohatra, i Jesosy, dia “nandohalika ka nivavaka.” Inona no vokany? “Nisy anjely anankiray avy any an-danitra niseho taminy, ary nankahery azy.” (Lioka 22:41, 43) Hoatr’izany koa i Nehemia. Nisy olona ratsy fanahy nanakana azy tsy hanao ny asan’Andriamanitra. Nivavaka àry izy hoe: ‘Mba ampaherezo aho, Andriamanitra ô!’ Hita amin’ny tohin’ilay tantara fa tena nanampy azy Andriamanitra, ka tsy natahotra izy sady vitany ilay asa. (Nehemia 6:9-16) Hoy koa i Reginald, any Ghana: “Rehefa mivavaka aho, indrindra fa rehefa ilay manana olana tena lehibe iny, dia hoatran’ny hoe noresahiko tamin’olona iray afaka manampy ahy ilay izy, ary nomeny toky aho hoe aza manahy.” Afaka mampahery antsika tokoa Andriamanitra rehefa mivavaka isika.

Mahazo fahendrena avy amin’Andriamanitra

Mety hisy vokany amintsika sy ny fianakaviantsika ny fanapahan-kevitra sasany raisintsika. Inona àry no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara? Hoy ny Baiboly: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena [indrindra rehefa misy fitsapana], aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny. Dia homena azy izany.” (Jakoba 1:5) Raha mangataka fahendrena amin’Andriamanitra isika, dia homeny fanahy masina mba handray fanapahan-kevitra tsara. Afaka mangataka fanahy masina mihitsy aza isika, satria efa nilaza i Jesosy fa “hanome ny fanahy masina ho an’izay mangataka aminy” ny Rainy.—Lioka 11:13.

“Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba handray fanapahan-kevitra tsara.”—Kwabena, any Ghana

Na i Jesosy aza nangataka fanampiana tamin’ny Rainy rehefa handray fanapahan-kevitra lehibe. Rehefa hifidy an’ireo apostoliny 12 izy, dia ‘nivavaka nandritra ny alina manontolo.’—Lioka 6:12.

Betsaka koa amin’izao no mangataka fanampiana amin’Andriamanitra rehefa hanapa-kevitra. Resy lahatra toa an’i Jesosy izy ireo hoe mamaly vavaka Andriamanitra. Nanana olana be dia be, ohatra, i Regina any Philippines. Izy no namelona ny fianakaviany rehefa maty ny vadiny. Tsy an’asa koa izy, ary sahirana be nitaiza ny zanany. Inona no nanampy azy handray fanapahan-kevitra tsara? Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho.” Hoy koa i Kwabena, any Ghana: “Mpanao trano no asako ary be karama ilay izy. Lasa tsy an’asa anefa aho.” Inona àry no nataony rehefa nitady asa indray izy? Hoy izy: ‘Nivavaka tamin’i Jehovah foana aho mba handray fanapahan-kevitra tsara. Niaiky aho hoe tena nanampy ahy izy mba hifidy tsara an’izay asa ahafahako mikarakara ny zavatra ilaiko.’ Raha mivavaka koa ianao rehefa misy zavatra mety hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, dia hitari-dalana anao izy.

Be dia be ny soa azo rehefa mivavaka, fa ny sasany ihany no noresahintsika teo. (Mbola misy hafa koa ao amin’ilay hoe “ Ny Soa Azo Rehefa Mivavaka.”) Tsy maintsy mahafantatra an’Andriamanitra sy ny sitrapony anefa aloha ianao vao hahazo an’ireo. Mampirisika anao àry izahay mba hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. * Izany mantsy no dingana voalohany hanampy anao hifandray kokoa amin’ilay “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.

^ feh. 14 Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah akaiky anareo, na jereo ny tranonkalanay www.mr1310.com/mg, raha mila fanazavana fanampiny ianao.