Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

MATOAN-DAHATSORATRA | MANKASITRAKA NY ADY VE ANDRIAMANITRA?

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Amin’izao Andro Izao

Ny Fiheveran’Andriamanitra ny Ady Amin’izao Andro Izao

Mijaly ny olona amin’izao andro izao. Mitaraina amin’Andriamanitra foana izy ireo, mba ho afaka amin’ny fahoriany. Lasa saina ihany anefa izy ireo hoe mihaino ny fitarainany ve Andriamanitra ka hanampy azy ireo. Misy indray miady satria izay no eritreretiny ho vahaolana. Mety ve ny ataon’izy ireny? Manohana azy ireny ve Andriamanitra?

Ny Hara-magedona no hamarana ny ady rehetra

Mampahery aloha ny mahafantatra fa mahita ny fijaliana eran-tany Andriamanitra, ary hanafoana an’izany izy. (Salamo 72:13, 14) Mampanantena izy fa ‘hanafaka an’izay ampahorina.’ Rahoviana anefa izany? “Rehefa haharihary i Jesosy Tompo avy any an-danitra miaraka amin’ny anjeliny mahery, ... amin’ny fotoana hamaliany an’izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika.” (2 Tesalonianina 1:7, 8) Amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” no haharihary i Jesosy. Antsoin’ny Baiboly hoe Hara-magedona koa io ady io.—Apokalypsy 16:14, 16.

Hiady amin’ny ratsy fanahy Andriamanitra amin’izay. Tsy olombelona no hampiasainy, fa i Jesosy Kristy Zanany sy ireo anjely mahery. Hofoanan’io tafiky io ny fampahoriana rehetra.—Isaia 11:4; Apokalypsy 19:11-16.

Tsy miova mihitsy ny fiheveran’Andriamanitra ny ady. Mbola mihevitra foana izy fa ilaina ny ady mba hanesorana ny mpanao ratsy sy ny mpampijaly olona. Izy ihany no mamaritra hoe rahoviana no hatao ilay ady, ary iza no hanao an’ilay izy. Izany foana no nataony raha jerena ny tantara. Hitantsika teo fa efa nilaza Andriamanitra hoe hisy ady amin’ny hoavy, mba hanesorana ny mpanao ratsy sy hamaliany an’izay mampijaly olona. I Jesosy Kristy Zanany no hanao an’izany. Midika izany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny ady ataon’ny olona amin’izao, na dia tsara aza ny antony anaovana azy ireny.

Eritrereto hoe misy mpirahalahy niady rehefa tsy tao an-trano ny dadany. Nitelefaonina ny dadany izy roa lahy. Nilaza ilay iray hoe ilay rahalahiny no nanomboka an’ilay ady, ary ilay rahalahiny kosa niteny hoe nampijaly azy ilay iray. Samy nitaraina izy ireo, sady samy nanantena hoe homba azy ilay dadany. Rehefa avy niresaka tamin’izy roa lahy anefa ny dadany, dia niteny hoe : “Aza miady intsony, fa rehefa tonga aho halamintsika izany.” Tsy niady àry aloha izy roa lahy. Tsy naharitra ela anefa izany fa niady indray ry zareo avy eo. Tezitra ny dadany rehefa tonga tao an-trano, ka samy voasazy izy ireo satria tsy nankatò.

Rehefa misy firenena miady amin’izao, dia matetika izy ireo no mangataka fanampiana amin’Andriamanitra. Tsy manohana na iza na iza anefa Andriamanitra. Milaza kosa izy hoe “aza mamaly ratsy ny ratsy, na amin’iza na amin’iza”, ary “aza mamaly faty.” (Romanina 12:17, 19) Efa nilaza koa izy fa tokony “hiandry azy fatratra” isika, satria hanao zavatra izy amin’ny Hara-magedona. (Salamo 37:7) Ahoana anefa raha tsy miandry an’Andriamanitra ireo firenena fa miady? Tsy ho faly Andriamanitra satria tsy nanome alalana azy ireo hanao an’izany izy. Ho tezitra izy ka handamina tanteraka ny adin’izy ireo, amin’ny Hara-magedona. ‘Hampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany’ izy. (Salamo 46:9; Isaia 34:2) Ny Hara-magedona àry no hamarana ny ady rehetra.

Iray amin’ireo fitahiana hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hoe hofoanana ny ady. Niresaka momba an’io Fanjakana io i Jesosy tao amin’ilay vavaka hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Tsy hoe hanafoana ny ady fotsiny ny Fanjakan’Andriamanitra, fa hanala ny faharatsiana koa. Io mantsy no mahatonga ny olona hiady. * (Salamo 37:9, 10, 14, 15) Tsy mahagaga àry raha tsy andrin’ny mpanara-dia an’i Jesosy izay hanaovan’io Fanjakana io an’izany.—2 Petera 3:13.

Tsy maintsy miandry hafiriana anefa isika vao hanafoana ny fijaliana sy fahoriana ary ny faharatsiana ny Fanjakan’Andriamanitra? Efa be dia be ny faminaniana tanteraka, ka midika izany fa “andro farany” izao. Efa kely sisa dia hifarana ity tontolo ity. (2 Timoty 3:1-5) * Hofaranan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny Hara-magedona ny andro farany.

Hitantsika teo aloha fa izay tsy mety “mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy Tompontsika” no ho faty amin’io ady farany io. (2 Tesalonianina 1:8) Tadidio anefa fa tsy maniry na iza na iza ho faty Andriamanitra, na dia ny ratsy fanahy aza. (Ezekiela 33:11) “Tsy tiany hisy ho ringana” amin’io ady farany io ny olona. Ataony àry izay hitoriana ny vaovao tsara momba an’i Jesosy, mba “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (2 Petera 3:8, 9; Matio 24:14; 1 Timoty 2:3, 4) Mitory eran-tany ny Vavolombelon’i Jehovah, ka afaka ny hahalala an’Andriamanitra ny olona, ary afaka mankatò ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Ho velona izy ireo amin’izay rehefa hofoanan’Andriamanitra tsy hisy intsony ny ady.

^ feh. 9 Hofoanan’Andriamanitra koa ilay fahavalontsika, dia ny fahafatesana. Hatsangany ireo olona be dia be efa maty, anisan’izany ireo maty tamin’ny ady. Miresaka an’izany ny pejy 16.

^ feh. 10 Manazava bebe kokoa momba ny andro farany ny toko 9 ao amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.