Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao Ve?

Fantatrao Ve?

Nahoana i Josefa no niharatra aloha vao niseho teo anatrehan’i Farao?

Mpanety tany Ejipta fahiny

Nanonofy i Farao indray mandeha ka nitebiteby be. Nasainy nentina tany aminy haingana ilay gadra hebreo atao hoe Josefa, mba hilaza ny hevitr’ilay nofy. Efa ela i Josefa tamin’izay no nigadra. Niharatra aloha izy na dia nasain’i Farao ho tonga haingana aza. (Genesisy 39:20-23; 41:1, 14) Hoatran’ny hoe tsy ilaina tantaraina akory izany tsipiriany izany. Hita avy amin’izany anefa fa nahafantatra tsara ny fomba amam-panaon’ny Ejipsianina ilay mpanoratra ny bokin’ny Genesisy.

Tia nanalava volombava ny olona tany amin’ny firenena sasany fahiny, anisan’izany ny Hebreo. “I Ejipta ihany no firenena tatsinanana nandrara ny olona tsy hanalava volombava”, araka ny Rakipahalalana Momba Ireo Boky Manazava ny Baiboly sy ny Teolojia ary ny Fiangonana (anglisy) nosoratan’i McClintock sy Strong.

Ny volombava ihany ve no nesorina? Milaza Ny Arkeolojia sy ny Baiboly (anglisy) fa tsy maintsy niomana toy ny ho any amin’ny tempoly ny lehilahy iray rehefa hiseho teo anatrehan’i Farao, araka ny fombafomba sasany fanaon’ny Ejipsianina. Tsy maintsy ho nesorin’i Josefa àry ny volo rehetra tamin’ny lohany sy ny vatany.

Milaza ny bokin’ny Asan’ny Apostoly fa Grika ny rain’i Timoty. Midika ve izany fa avy any Gresy izy?

Tsy voatery ho izany. Niantso ny olona hafa firenena hoe Grika ny apostoly Paoly indraindray, ao amin’ireo boky nosoratany, mba hanavahana azy ireo tamin’ny Jiosy. (Romanina 1:16; 10:12) Nanao an’izany izy satria be dia be ny olona niteny grika sy nanaraka ny fomba amam-panao grika, tao amin’ny faritra nitoriany.

Iza àry no nantsoina hoe Grika? Nirehareha erỳ i Isocrate, mpandahateny avy any Atena, tamin’ny taonjato fahefatra Talohan’i Kristy, rehefa nilaza fa niely be ny kolontsaina grika. Nilaza izy fa “tsy izay teraka tany Gresy no lasa nantsoina hoe Grika, fa ireo olona rehetra nandray soa tamin’ny fampianarana grika.” Mety ho olona nanaraka ny kolontsaina grika àry ny rain’i Timoty sy ny olon-kafa nantsoin’i Paoly hoe Grika, fa tsy hoe teraka tany Gresy.—Asan’ny Apostoly 16:1.