Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aza Maika fa Fidio Tsara

Aza Maika fa Fidio Tsara

Haka:

  1. 1. Lasa ny saiko hoe mba iza re

    ’Lay tiana sy ho tia,

    Ka ho vady holalaiko sy hiaraka ho doria?

    Zava-dehibe io tsy kilalao: Ho ratsy na ho soa.

    Fihetseham-po ’nie mahery raha mbola kely, aleo mihamatotra aloha.

    (FIVERENANA)

    Aza maika f’io tsy mba indroa,

    Miandrasa aloha.

    Ka ny saina no henoy fa tsy ny fo:

    ‘Io ve mety aminao tokoa?’

    Asa aloha! Mahaiza ianao mitsara,

    Ka fidio tsara.

  2. 2. Tena tiako aloha hoe misy miahy an’ahy, ka voasarika aho ’ndraindray,

    Nefa fantatro fa tsy mitovy ny lalanay.

    Jehovah no tiako hitantana ahy,

    Hiatrika ny hoavy.

    Tena vonona aho hiandry vao hanambady olona tia sy hanompo azy.

    (FIVERENANA)

    Aza maika f’io tsy mba indroa,

    Miandrasa aloha.

    Ka ny saina no henoy fa tsy ny fo:

    ‘Io ve mety aminao tokoa?’

    Asa aloha! Mahaiza ianao mitsara,

    Ka fidio tsara,

    Ka fidio tsara.