Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iray Ihany

Iray Ihany

Haka:

  1. 1. Ity tontolo ity tsisy miray saina,

    Ka n’aiza n’aiza aleha, tsisy hantenaina;

    Mitady fanovana sy fitoviana,

    Fa isika kosa mahay miray hina.

     

    Tsy maintsy ho voasedra àry ianao,

    Raha tsy anisan’izao tontolo izao.

    (FIVERENANA)

    ’Zay tia, ’zay tia dia tsara toetra koa,

    ’Zay tia dia mitory amin’ny fo;

    Dia tia ’reo namanao eran-tany.

    ’Zay rehetra manompo an’i Jehovah,

    Dia iray ihany.

  2. 2. Na samy hafa aza isika, tsy mifankahalala,

    Dia efa mifampiantso hoe: Rahalahy malala.

    Mitady hamoy fo ny maro an’isa,

    Fa ’sika manantena ’lay paradisa.

     

    Na dia voasedra anefa ianao,

    Dia tsy anisan’izao tontolo izao.

    (FIVERENANA)

    ’Zay tia, ’zay tia dia tsara toetra koa,

    ’Zay tia dia mitory amin’ny fo;

    Dia tia ’reo namanao eran-tany.

    ’Zay rehetra manompo an’i Jehovah,

    Dia iray ihany.

    Iray ihany.

     

    Koa hatanjaho ny finoanao,

    Mba tsy ho anisan’izao tontolo izao.

    (FIVERENANA)

    ’Zay tia, ’zay tia dia tsara toetra koa,

    ’Zay tia dia mitory amin’ny fo;

    Dia tia ’reo namanao eran-tany.

    ’Zay rehetra manompo

    An’i Jehovah

    (FIVERENANA)

    Dia tia, dia tia sy tsara toetra koa,

    ’Zay tia dia mitory amin’ny fo;

    Dia tia ’reo namanao eran-tany.

    ’Zay rehetra manompo an’i Jehovah,

    Dia iray ihany.