Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Safidy

Safidy

Haka:

  1. 1. Tsy haiko ny hatao.

    Mizara ny ao anatiko ao.

    Mandà ny saiko

    Nefa koa tsy haiko,

    Satria ny foko efa tia.

  2. 2. Tsy mora sady

    Tena mila miady,

    Mba tsy ny fo indray no hibaiko

    Fa ny Baiboly no hifehy ny saiko.

  3. 3. Fa mafy aloha ny miala,

    Manaiky aho fa ny fo adala,

    Mamitaka, mitady hanery

    Fa Jehovah mampahery.

    (FIVERENANA)

    Miteny hoe: “Ianao tiako, ka tsy mba hariako.

    Matokia! Izaho tsy handao,

    Fa ho tia sy hanampy anao.”

  4. 4. Ny hoavinao dia safidy anio,

    Ka ’zay ho vokany ao mba diniho.

    Tsy hoe ’zay tiana, fa ny fo no iadiana.

    Aza mety ho ambakaina,

    Arovy ny fo satria aina.

  5. 5. Soa ihany aho nahay nifidy,

    Tsy namoy ’zay sarobidy.

    Ady mafy vao vita izany,

    Fa Jehovah niaro ahy hatrany.