Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Tianao

Ho Tianao

Haka:

  1. 1. Ny masonao hoe akimpio,

    ’Lay Paradisa andao ’ndray tsidiho.

    Ho hitanao

    Fa ho tianao,

    Ho tianao.

  2. 2. Tsy nofy izy io na hoe vazivazy,

    Jehovah mihitsy no hanao azy.

    Ho hitanao

    Fa ho tianao,

    Ho tianao.

    (FIVERENANA)

    Etsy ange e!

    Jereo fa sambatra sy mihomehy;

    Dia mozika...

    ’Zao no tian’i Jehovah ho fiainantsika!

  3. 3. ’Zay resin-tory ela tany aloha,

    Toy ny hoe teo foana f’efa tafafoha.

    Ho hitanao

    Fa ho tianao,

    Ho tianao.

  4. 4. ’Lay ranomasonao tamin’iny

    Voafafa hatreo, efa hadino ny fahiny.

    Ho hitanao

    Fa ho tianao,

    Ho tianao.

    (FIVERENANA)

    Etsy ange e!

    Jereo fa sambatra sy mihomehy;

    Dia mozika...

    ’Zao no tian’i Jehovah ho fiainantsika!

  5. 5. Koa hatanjaho n’finoanao satria

    Jehovah no miteny hoe: ‘Matokia.’

    (TETEZANA)

    Hisy izany,

    ’Ndray andro any...

    Dia tsy izay ihany,

    Mandrakizay eto an-tany.

    Fa ’zao...

  6. 6. Ny masonao mba akimpio,

    Ilay Paradisa andao tsidiho.

    Ho hitanao

    Fa ho tianao.

    Ho tianao.