Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lasa Atao Fitadiavam-bola Indray ve ny Fivavahana?

Lasa Atao Fitadiavam-bola Indray ve ny Fivavahana?

 Tsy hitanao ve hoe be dia be amin’izao ny fivavahana lasa variana mitady vola fa tsy manampy ny olona hanompo an’Andriamanitra? Manao dokam-barotra ry zareo, dia mivarotra entana isan-karazany sy zavatra hafa. Betsaka amin’ny mpitondra fivavahana ao amin-dry zareo no karamaina vola be, mipetraka amin’ny trano tsara tarehy, ary miadana be. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy amin’izany:

  •   Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa volam-piangonana no nampiasain’ny eveka katolika iray, nandritra ny 13 taona mahery, rehefa nandeha in-150 teo ho eo tamin’ny fiaramanidina sy in-200 teo ho eo tamin’ireny fiara tena raitra ireny izy. Nandany efatra tapitrisa dolara mahery koa izy rehefa nanavao ny trano nipetrahany tao amin’ilay fiangonana.

  •   Rehefa mitarika fotoam-pivavahana ny pasitera anankiray any amin’ny tany iray atsy Afrika, dia matetika no an’aliny foana ny mpivavaka tonga. Misy toerana ngezabe fivarotana entana isan-karazany ao amin’ny fiangonany. Mivarotra servieta sy tiserta misy ny sariny, ohatra, izy, ary menaka, izay lazainy fa hoe misy hery mahagaga. Mahantra daholo ny ankamaroan’ny mpivavaka ao aminy, nefa izy tena manankarena be.

  •   Manana tendrombohitra masina efatra ny Bodista any Chine, ary misy orinasa amin’ny resaka tsenam-bola ao amin’ny roa amin’ireo tendrombohitra ireo. Manao raharaham-barotra isan-karazany koa ny tempoly Shaolin malaza iray, ary matetika no antsoina hoe “Tale moanina” ny lehibehin’ny moanina ao amin’io tempoly io.

  •   Manomboka manakarama olona ny ankamaroan’ny orinasa any Etazonia amin’izao mba hanao fombafomba ara-pivavahana ao amin’ny orinasany sy hanoro hevitra ny mpiasa ao aminy hoe ahoana no fomba anompoana an’Andriamanitra.

 Ahoana no fahitanao an’ireny fivavahana manao raharaham-barotra ireny? Efa nieritreritra ve ianao hoe ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’ireny olona manararaotra ny fivavahana mba hahazoam-bola ireny?

Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fivavahana manao raharaham-barotra?

 Tsy eken’Andriamanitra ny fivavahana manao raharaham-barotra. Milaza ny Baiboly fa tezitra tamin’ny mpisorona nilaza hoe nisolo tena azy Andriamanitra, taloha, satria nampianatra ny olona “mba hahazoana karama” fotsiny ry zareo. (Mika 3:11) Nanameloka an’ireo mpivarotra tia vola tao amin’ny Tempoly koa izy. Lasa nataon’izy ireo “lava-bato fieren-jiolahy” mantsy ilay toeram-pivavahana.—Jeremia 7:11.

 Tsy faly koa i Jesosy rehefa nahita olona nanararaotra ny fivavahana mba hahazoana vola. Tamin’ny androny, ohatra, dia navelan’ny mpitondra fivavahana hivarotra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpivarotra tia vola satria te hahazo tombony tamin’ilay izy ry zareo. Nanararaotra ny olona tso-po tonga nivavaka tao ny mpitondra fivavahana, tamin’izany. Sahy nandroaka an’ireo mpivarotra mpanambaka olona ireo hiala tao amin’ny tempoly i Jesosy, sady hoy izy hoe: “Aza atao trano fivarotana intsony ny tranon’ny Raiko!”—Jaona 2:14-16.

 Nanahaka ny fomba fisainan’Andriamanitra koa i Jesosy rehefa nanao ny fanompoany. (Jaona 8:28, 29) Tsy nampandoaviny vola, ohatra, ny olona rehefa nampianariny momba an’Andriamanitra. Tsy nitaky vola koa izy rehefa nanao fahagagana, ohatra hoe rehefa nanome sakafo ny noana, nanasitrana ny marary, ary nanangana ny maty. Tsy nanararaotra ny fanompoany mba hanangonana harena mihitsy i Jesosy. Na dia trano hipetrahana aza tsy mba nananany.—Lioka 9:58.

Inona no nanampy ny Kristianina voalohany hahavita hanompo an’Andriamanitra tsara foana nefa tsy nanao raharaham-barotra?

 Nilaza tamin’ny mpianany i Jesosy hoe tsy tokony hitaky vola mihitsy izy ireo rehefa manampy ny olona hanompo an’Andriamanitra. Hoy izy: “Efa nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:8) Nanaraka tsara ny toromarika nomen’i Jesosy ireo mpianany voalohany ireo, izay lasa nantsoina hoe Kristianina tatỳ aoriana. Andao isika hijery porofo vitsivitsy ny amin’izany:

  •   Niaraka tamin’i Jesosy foana i Petera nandritra ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Nisy lehilahy atao hoe Simona te hahazo hery sy fahefana, dia nanome vola an’i Petera. Nolavin’i Petera avy hatrany anefa ilay vola ary hentitra izy nanitsy an’i Simona hoe: “Aoka ho fongana miaraka aminao ny farantsa volafotsinao. Heverinao angaha fa azo vidim-bola ny fanomezana maimaim-poana avy amin’Andriamanitra?”—Asan’ny Apostoly 8:18-20.

  •   Mpiandraikitra mpitety faritany fantatr’olona tsara ny apostoly Paoly. Niasa mafy teo anivon’ny fiangonana maromaro izy, nandritra ny taona maro. Tsy nitaky vola anefa izy rehefa nanao an’izany. “Tsy toy ny maro izay mivarotra ny tenin’Andriamanitra” izy sy ny Kristianina namany (2 Korintianina 2:17) Izao kosa aza no nosoratan’i Paoly: “Fa rehefa nitory ny vaovao tsaran’Andriamanitra taminareo izahay, dia niasa andro aman’alina mba tsy hampitondra enta-mavesatra na iza na iza taminareo teo amin’ny lafiny ara-bola.”—1 Tesalonianina 2:9.

 Marina fa nila vola ireo Kristianina voalohany ireo rehefa nandeha nitory tany amin’ny toerana samihafa sy nanao asa soa. Tsy nitaky vola mihitsy anefa ry zareo tamin’izay rehetra nataony mba hanampiana ny hafa hanompo an’Andriamanitra. Anjaran’ny olona no nisafidy raha hanome an-dry zareo na tsia, araka ireto toro lalana manaraka ireto:

  •   2 Korintianina 8:12: “Fa raha misy aloha ny fahavononana hanome, dia ankasitrahana indrindra izany raha araka izay ananan’ilay olona, fa tsy araka izay tsy ananany.”

     Ny tiany holazaina: Ny antony mahatonga an’ilay olona hanome no zava-dehibe kokoa fa tsy ny habetsahan’ilay zavatra omeny.

  •   2 Korintianina 9:7: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”

     Ny tiany holazaina: Tsy tian’Andriamanitra raha mahatsiaro hoe terena ny olona iray rehefa manome. Faly kosa izy raha ilay olona mihitsy no vonona hanome.

Inona no hitranga tsy ho ela amin’ireny fivavahana tia vola ireny?

 Milaza ny Baiboly fa tsy ny fivavahana rehetra akory no eken’Andriamanitra. (Matio 7:21-23) Araka ny faminaniana iray tena miavaka ao amin’ny Baiboly, dia ampitahaina amin’ny mpivaro-tena ny fivavahan-diso rehetra. Miara-miasa amin’ny mpitondra fanjakana mantsy ry zareo mba hahazoana vola sy zavatra hafa, sady manambaka ny olona any amin’ny firenena rehetra. (Apokalypsy 17:1-3; 18:3) Hazavaina ao amin’io faminaniana io koa fa tsy ho ela Andriamanitra dia handringana ny fivavahan-diso rehetra.—Apokalypsy 17:15-17; 18:7.

 Mandra-pahatongan’izany anefa, dia tsy tian’Andriamanitra ho voafitaka sy hanalavitra azy ny olona noho ny ataon’ny fivavahan-diso (Matio 24:11, 12) Mampirisika ny olona tso-po rehetra izy mba hiala ao amin’ny fivavahan-diso. Mampirisika azy ireo koa izy mba hianatra hoe ahoana no atao raha tian’izy ireo hampifaly azy ny fanompoana ataon’izy ireo.—2 Korintianina 6:16, 17.